ny sida : fa maninn é ?

1. ravatorano ( 22/01/2004 12:19)
Fa maninona no tsy lazaina sy hamafisina avokoa izay mety mahatonga ny sida fa dé ajanona fotsiny eo amin'ny lafiny wé tandremo ny mijangajanga fa mety hitondra ny otrik'aretina sida.
Moa ary ve ny fampiasana tsindrona tsy madio , ny fanomezan-drà , ny fanetezam-bolo amin'ny zava maranitra ka mety naharatra ; moa ve ireo tsy mety hahatonga ny fifindran'ny sida koa.
Izao mantsy handaniana vola be ny fiarovana ny olombelona malagasy amin'ny sida indrindra fa eo amin'ny lafiny ara nofo (fitiavana ara nofo)
Tsy mba voateny mihitsy fa tokony hametrahana fitiliana momba ny sida ny tobi pahasalamana rehetra eto madagasikara farafaharatsiny eo amin'ny CSB II na CHD I .
Mba jerena sy arahina maso ireny mpanety ireny na ny coiffure malaza izany ka hatramin'ny mpanety amoron'Anosy,jerena izay hahazaona manampy anazy ohatra ny fanomezana aseptiseur ankoatran'ny alikaola.
Ny fanomezan-drà moa dia efa voalaza etsy ambony fa tokony tiliana aloha ny ra omena olona alohan'ny hampiasan anazy.Tadidio tsara lé afera be momba an'izany vao tsiela akoriny zay tany Frantsa.
Mba tokony ho tompon'andraikitra feno ireo mpiasan'ny fahasalamana izay sahy mamerina mampiasa imbetsaka ny tsindrona fanary (séringue à G.T)
Ampitomboy ny fampahafantarana ny olona mikasika ny sida ankoatran'ny efa hitatsika ireny raha tena tiatsika marina no hiady anaminy.
2. dom ( 22/01/2004 13:17)
Tena marina zany! ny olana eto @ tanàna dia raha tsy efa misy voa ka tsy hoe avy @ le fikabe no nahazoana azy dia tsy hisy ho taitra. Zao kosa anefa araka ny fantatra aloha izao dia 99,9% de azo avy @ rapport sexuel
3. dasy ( 22/01/2004 13:37)
marina daholo ireo lazainao ireo ravatorana,
ny mampiasa fanindrona maloto dia tsy azo atao mihintsy na dia tsy @sida fotsiny aza satria ao koa ny " infection" hafa, ny fanomezana-rà indray : izay rà alaina dia jerena io rà io raha maloto na tsia ( sida, ou autres infections : mba fantatro ny @ io satria mampiasa rà matetika aho @ asako ) mino aho fa ny dokotera tsy mampiasa rà tsy voa jery akaiky,ny seringue jettable dia arina fa tsy atao fanindrony,ny mpanety dia tsara ny hevitrao nefa ho vita daholo ve izany any madagasikara ?io lazaina ireo dia ny dokotera, ny infirmières et infirmier sy ny sisa no tokony itandrina, ny mpanety dia asa ahoana ni ilazana @,izy ireo, ny contamination par voie sexuelle et sanguine no tena ratsy io azon-tsika rehetra tandremana
( ny resaka toa izao no tsara sady misy soa ho antsika rehetra), tsy manana valiny rehetra agamba aho ka miala tsiny
4. ravatorano ( 23/01/2004 20:41)
marina fa tsy voafehy tanteraka ny fiparitahan'io sida io.
Ilay 0,1% ange radom ka efa betsaka raha oharina amin'ny population eto izany.
Lé tsy fahalalana afa tsy ny fifindrana ara-rapport sexuel no tena tiako iavina.Tsara raha fenoina ny information.Momba ny seringue à G.T indray efa fahita ireny , gant efa niasa izao aza mbola sasana indray dia atapy dé averina ampiasana indray fa tsy ampy nny fitaovana ka izany no antony isarihana ny mahalala sy mahafantatra rehetra .
Eto amitsika madagasikara aloha dia ny fahavononanan no betsaka fa ny manao zavatra tsy mbola ao.Lé 'mi-passer à l 'action " mbola lavitra akaiky ihany.
Resaka communication/I.E.C fotsiny anie zany dé vita ho azy é.
Amiko dia mbola tsy ampy ny fanbeazana ny olona hiatrika an'io sida io.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1455