Fanafody , \"Trésor de mer \" hono...

1. a256011 ( 22/01/2004 10:29)
Salama Daholo. Inareo ve mba efa nahita ilay lazain\'ny olona hoe \"Trésor de mer\". Be ny milaza azy io fa manasitrana aretina 150 hono.
Karazana \"algue\" izy io, ary ao anaty ranona dite misy siramamy no ametrahana azy.
Ahoana ny hevitrareo Dokotera ato amin\'ny Namana?
novalian'i meza ny 23/01/2004 20:51
2. shadow ( 22/01/2004 11:10)
Za tsy Dokotera fa za efa nisy niteny ny momba an'io zvt io fa mety mahafaty hono io raha diso dose ka tsy aleo ve mitandrina toy izay mihinankinapôna,?
3. dom ( 22/01/2004 13:11)
Za Dokotera fa mitovy hevitra @ shadow aho. Tadidio fa dité atao mamy be no asiana io algue io, milieu de culture de germes microbiens idéal izany ranontsiramamy izany ka izao rah'tsy ianao no nikarakara ilay algue izany hoe nanasa azy aloha, de nanao azy tao anaty dité madio dia nanisy siramamy dia aok'etsia fa sao matimaty fahatany. Efa mahantra isika ka oôtran'ny betsaka ny te-hampidi-kizo antsika ka mitandrema
4. bix ( 22/01/2004 14:09)
tandremo fa tena danger be io an ! ny tena maha loza azy dia raha vao ratsy tatava na izy dia maniry any @ vatana izany hoe any @ tsinay hono, satri a ilay izy algue ka raha vao mahazo mandomando fotsiny dia maniry efa olona marobe hono no efa nodidiana tamin'io koh ! tandremo sao dia hoe 150 maladie ka avy eo bevohoka be ka jerena holatra be no ao ! mitandrema eh ! sao dia hampinanan'ny olona ......
5. xxx ( 23/01/2004 17:30)
le maniry any amin'ny tsinay ve tsy exageration "hono"...taty amintsika ihany koa anie no nisy fibata "niteny" hono é. mazotoa misotro daholo hono "ny antonony zalah no atao fa tsy adalana"
6. meza ( 23/01/2004 20:51)
Zaho koa aloha mba efa nahita an'io zavatra lazaina fa mahagaga io e !, ireto no fanontaniana apetrako : raha algues mivelona any an-dranomasina marina ilay izy, nahoana no velomina @ ranon-tsiramamy, sa nisy "adaptation" manokana ve ? Ny algues raha ny fahafantarako azy dia mivelona @ raha mineraly (N,P,K) toy ny zava-maniry rehetra, koa nahoana ity iray ity no miala amin'izany lalàna izany ????.
Sao dia mba zavatra hafa àry ??????
Amiko manokana dia aleo miditra @ fanafody efa voaporofo tsara ny asany. Maro no olona fantatro fa efa nanao traitement tamin'io zava-mahagaga io saingy mbola tsy nahita olona nilaza ny fahasitranany aho.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3179