Ohabolana

1. lemurkata ( 22/01/2004 20:26)
Angatahiko manokana izay havanana amn'ny hainteny mba hamela ohabolana na dia iray monja aza miaraka amin'ny fanazavana fohy mba hianaran'ny fara aman-dimby. Toa adino tsikelikely mantsy izy ireny nefa mifono hevi-dehibe. Mitahiry indrindra koa ny kolontsaitsika malagasy.
novalian'i lekely ny 21/04/2004 10:40
2. donemaskit ( 22/01/2004 09:21)
Zah ohatra dia tena zara raha mahafantatra 5 @ izy ireny, misaotra an'i Lemurkata nametraka ito hevitra ito, ary misaotra an'izay mandray anjara.
3. shadow ( 22/01/2004 10:29)
Ny ohabolana malagasy ange misy notapahana ny sasany fa tsy azo tenenina ny to hiny eh oh: Aza be famaritra toy ny rambon'osy ka ny lanitra tsy hinjera no tohanana!
zay zao no fantatra fa ny tohiny de hoe fa ny vôniny tsaingoan'ny akoho tsy hita ! de notapahina teo à le vôlohany le izy fa najanona ny tapany faharoa.
4. hendry ( 22/01/2004 12:19)
Zaho tsy havanana sady tsy mahay manazava fa teneniko eto zay haiko dia manazava zay mahay ny dikany: ...... toa ny banga mihomehy alina.
Ratsy toetra ny ntaolo e? maneso ny banga.
5. ikaretsaka ( 22/01/2004 12:57)
Toy ilay hoe "Lainga lainga fa ny nonon-drafozana tsy fikitika" koa dia matetika ny tapany ihany hoe "lainga lainga " sisa no voateny satria betsaka ny menatra milaza ilay tohiny.
fanazavana an'io ara-keviny dia hoe tsy maninona ny mikivazivazy sy mandainga fa mba asiana fetrany ihany!
6. fijo ( 23/01/2004 11:58)
hendry tsy maneso ny ntaolo,fa milaza ny olona tia manararaotra rehefa tsy misy mpiambina.
"
7. ravatorano ( 23/01/2004 20:59)
aza mandrandrana loha sola
(mission impossible)
ny vady no tiana dia ny rafozana no tsinjovi-man....
(io le tsisy tohiny fa taptaka,ny tena marina dé tsy mety tadidikoa ny tohiny)
8. mampikanto ( 23/01/2004 10:04)
Ny eo alohan'ilay hoe : mikitika nonon-drafozana dia hoe : " tsy entanim-pitia tafahoatra ka hikitika nonon-drafozana ". Izany hoe ny heviny dia na inona na inona fitiavanao, saro-pady tokoa izany hoe : hikitika ny nonon-drafozana izany.
9. 2689 ( 23/01/2004 10:30)
"Jerem-potsiny hoatry ny fen-anabavy"

Mazava tsy hazavaina, ilay hoe fe no azo soloina teny hafa (vody, ...)
10. ikaretsaka ( 23/01/2004 14:11)
Ity vao Tay hoy ilay nangery kankana!
11. samoina ( 23/01/2004 17:41)
Ary ahoana izany r'Ikaretsaka ilay " nilatsaham-baratra am-pangerena ?"raha mbola ilay namoaka kankana ihany no nianjadian'izany ?
12. ikaretsaka ( 23/01/2004 19:57)
ny henoko ilay hoe sady nylatsaka ny atsy no nilatsaka ny aroa otran'ny nilatsahambaratra ampagerena
13. lemurkata ( 24/01/2004 17:16)
Ny momba ilay nilatsaham-baratra aloha dia hafa indray no filazan'ny mpilalalao karatra azy : "Nilatsaham-baratra ampangerena ka sady maty no mihosona". (Ny ahy nefa collante partout :-)).
14. 2689 ( 24/01/2004 09:14)
"Zaza nomen-tànan'ondry, na soloina hofany aza tsy tia".

Ny ondry hono dia anisan' ny hena tena tsara, ary ny hofakondry no tena milay indrindra @ ondry! Ka misy ny olona mahazo zavatra tsara iray dia mionona amin' iny sy mitompo teny fantatra ka tsy vonona hiova intsony, na dia ho amin' ny tsaratsara kokoa aza.
15. hery ( 25/01/2004 12:04)
Resaka sola ve?
Sola miloloa voatavo ka tafaray samy malama.

Ilay hoe "...tafaray samy malama" ihany no tena filaza. Ilazana olona roa samy fetsy kanefa mitady hifamitaka.
16. ikaretsaka ( 25/01/2004 16:56)
Hery, dia ny voatavo ve dia h fetsy nohon'ny sola?
17. samoina ( 25/01/2004 17:07)
Sola(tohiny...):
"Sola mangery diavolana ka tsy fantatra izay lohany sy vodiny". Filaza rehefa sendra olona tsy mitandrina loatra @ ataony.
Fanampiny kely: alao sary an-tsaina ary raha ireo sola nambaranay sy Hery ireo no mbola namoaka kankana araky ny voalazan'Ikaretsaka no koa mbola mihosona avy nilatsaham-baratra ,hoy Lemurkata. Tsy voa double ohatry ny akoho vavy intsony araky ny fitenenana fa imbediabe !!!
18. naritsimba ( 26/01/2004 20:13)
tena tsara ilay hevitra eto fa saingy
ireo ohabolana miteny zavatra hafahafa no tena tianareo resahina ato fa tsy mba ireo izay ohabolana na hai-teny tsy fandre isan'andro.
Ohatra: Manalasala ohatran'ny manambady vavy antitra ka hitositosiana toa renibe, avela amin'izao anjara vadin'ny tena koa ny loa-bary sisa no andrasana.
izany hoe: Rehefa antitra noho ny tena ny vady dia tsy hita izay anaovana azy fa lazain'ny olona fa renibe nefa vady anao izao ka dia ny mihinan-kanina sisa no ampiononana ny tena.
19. samoina ( 26/01/2004 20:33)
Rehefa nisafidy ilay vavy antitra ianao dia tokony hizaka ny vokany sy hitia azy e ! Izy ( ilay vavy antitra ) izao faly ery hoe " Antitra ity vao be ny tanora " !
20. fijo ( 27/01/2004 12:11)
_ny ditra mahafaty,ary ny kiry mahavery
_izay be ditra be nenina
_ratsy tokoa ny lainga,fa na ny mpandainga aza tsy tia azy
_tanora ratsy fihary,ka antitra vao ratsy laoka
_izay hendry no atao rangahy
_tsy avelan'ny ela tsy ho antitra
_anantsinahy va aho ka atao ambony vary(fitenin'ny olona izay tsy dia asiam panajana loatra)
_tsy nahin'ny sosoa no nitobaka,fa ny mpandoatra no vinitra
_ny lainga toy ny vary aloha,mahatra po,fa tsy mahavita taona
_raha jerena,toa olon kendry,tantely fiandry andriana,kanjo nony dinidinihina,fanambonim bary fiandry alika
izay aloha fa amin'ny manaraka indray e
_
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.8687