mino ny "ody gasy" ve ianareo ?

1. ravatorano ( 22/01/2004 18:01)
ny"ody gasy" tiako lazaina eto dia tsy lay manasitrana toy ny tambavy fa ilay entina hanimbana na hampitahorana ireny.
Misaotra anareo mandray anjara é
novalian'i rafajeh ny 18/02/2013 02:03
2. bice ( 22/01/2004 09:15)
ny ody gasy klou de misy
mizara roa izy
misy ny natao hanasitranana, na hiarovanao ny tenanao
misy kosa ireo entin`ny olona hisomparana anao
ireny zavatra ireny dia anisan`ny lova navelan`ny razantsika
marihina fa samy manana ny odiny daholo ny firenena tsirairay saingy ny fandrosoana hita @ firenena no mbola isian`io na tsy isian`io
misy ohatra any @ tany tsy togan`ny dokotera, mbola ny dadarabe no manjaka sy mandray ny andraikitra
misy kosa efa tsy miraharaha izany intsony satria efa lasa lavitra.
matetika koa anie de ny fialonana no tena mahatonga io famisaviana io e
ra vao mba tsara2 kely noho izy enao de efa somparana
mahery latrale fahatrana e
mamosavy sisa no atao mba tsy iakaran`ny sasany
3. ravatorano ( 22/01/2004 12:02)
lé tiko lazaina eto dia ny toi zao :
-ny fanapoahana varatra amin'ny andro maina
-ny fandefasana orana sy rivo mahery amin'ny andro atoandro izany hoé sady mirehitra ny masoandro
-ny fanainga-lavitra
Ohatra ireo fa mety mbola maro ny tranga mety miseho.
4. ikaretsaka ( 22/01/2004 14:26)
ny kalo koa saika adino..
5. fijo ( 23/01/2004 11:39)
tsy mino an'izany efa hatrany mada aho ry zareo.fa manaja kosa izay mino azy.
6. ikaretsaka ( 23/01/2004 16:33)
hatraty io
7. ravatorano ( 23/01/2004 20:18)
asa aloha é......
zà aloha raha tsy nahita tsy nino....
ary tsy hino indray raha tsy mahita
8. samoina ( 23/01/2004 16:51)
Mino aho saingy tsy matahotra.
Olona tsy mandry saina matetika no hiantefan'izy ireny ( ody fitia ohatra ). Ary olona tsy mifankahazo sy no tena mifandefa ( Oh. varatra )
Ny kalo matetika natao mba hiarovana voly tsy ho lalovan'ny mpangalatra. Efa nahita olona nibebaka nifona avy nangalatra mangahazo ny tenako. Ilay kalo ve no nisy vokany sa rangahy naka no tsy mandry saina ?
9. 2689 ( 24/01/2004 10:17)
Tena mahay zavatra ny Malagasy ry zareo fa aza manao izany hoe tsy mino aho izany a! Misy daholo ireny resaka rehetra ireny, izaho efa nahita rao-dia sy ny nitsaboana azy fa raha tsy Malagasy tsy mahay an'io. Fa manaiky an' i Samoina aho hoe tsy dia atahorana loatra izany. Matoa ianao voa dia nandratra fon' olona. Sady resin' ny fivavahana Kristiana koa aloha ny ody Gasy e! Tamin' ny fianakaviana efa nisy nasian' olona fa sitrana tsy nisy fanafody hafa afa-tsy ny fivavahana ihany.
10. ikaretsaka ( 24/01/2004 15:29)
samy hafa ny mino sy ny manaja...
izaho tsy mino fa manaja... raha misy ilay kalo sy mandatsa baratra ireny dii nahita aho.. fa tsy handeha hi critique ny finoany koa ...ary raha lazaina amin'ireny heo fady kisoa fa misy ody sy ny sisiny ireny kao dia manaja aho...
11. jhouhlambout ( 26/01/2004 20:28)
C.f: Tantara malagasy
12. fijo ( 28/01/2004 10:49)
io lazain'i karetsaka io koa ny hevitro.tsy mino an'izany aho,fa raha mino ianao,dia hajaiko ny finoanao.
13. samoina ( 28/01/2004 18:50)
Ikaretsaka anie izany tokony hino ny fisiany satria nahita e ! Saingy mety ny heriny no tsy hinoany sy tsy critiqué-ny . Herim-baratra hitanao izao ve anefa dia tsy hinoanao ny voina mahazo izay nienjerany ?
14. ravatorano ( 28/01/2004 20:28)
Ity misy tantara niainako momba an'io.
Sendra nanao mission tany antsimon'i Betafo Antsirabe zà.Tanana andehanana tongotra eo amin'ny 60 km eo ho eo Ampotaka no anarany.Efa enina taona lasa izay.otafihan'ny dahalo ny tanana ary dia lasany ny omby marobe teo amin'ny roanjato mahery teo raha ny fitadidiako azy.Mbola maraina ny andro tamin'io vers 5h30 teo ary efa mazavazava.Raikitra ny kiririoka,ny tapitrano ny tifidanitra tamin'ny basy ary ny fandorana trano.Nisy ihany ny sahy nivoaka ary tafavoaka ny tranony dia nanapoaka basy ihany koa nifanandrina tamin'ireo dahalo saingy be nohon'ny vitsy ka lasa ny omby.Raikitra ny anjombona,ny anjomara dia natao ny dinidinika hanarahana ny dahalo.ny tena moa dia mba anisan'ireo fokonolona nanara dia na dia tsy izany aza no naleha tany fa par kiriozité fotsiny.
Tamin'ny valo atoandro no niainga ny vatandelà prim niaraka tamin'ny miaramila akiroa nitondra kalaky.Hita izao ny ddian'omby naiakandrefana.Tsy niala folo km dia tazana ry zalah ary dia tsiela koa dia raikitra ny poa baratra , "varadatsaka" izany ry zareo ah raha ny filazan'ny tompo tany dia natao ampitahorana hono izany.Niroso ihany ary kelikely dia nisy indray rivomahery tena nitsioka mafy tokoa.Very ny dian'omby ; ilay bozaka nilamaka nitsangana daholo.Teo zay ka teo sssamy nivanaka indrindra fa zà.
Dia tena misy ve wà zany sa fifanojoan-javatra.Ny andro nefa mazava be, ny lanitra manga.
15. sambatra73 ( 28/01/2004 10:41)
mitovitovy @ resakao ravatorano ity itako ty:
… Miranty eo daholo ny ody entin'ny dahalo miady amin'ny mpitandro ny filaminana. Tsy basy ihany mantsy no enti-miady, fa ny ody no tena fiarovany. Ody bala (rano), ody fandraikiraikena, ody mampihorohoro, sns. Mahalasa saina ny mijery azy rehetra milahatra eo ambonin'ny latabatra : toa tapakazo fotsiny, toa zavatra tsy hita anarana mifamatopatotra, toa bozaka tsy hita hery izao, toa ... tsy hita lazaina e!…

(cf. Madagascar-tribune du 27/01/2004)

Fa rà zà manokana, dé fantako fa misy tokoa zany ody gasy maery zany. Ny ody manisy ratsy fa tsilay manasitrana matetika no tena malaza. Misy tokoa ny valifaty fa misy koa ny asoparana. Aza voany foutsinn é, fa misy koa nefa ny fiadina = « do not give the devil a foothold » « Put on the full armor of God so that you can take your stand against the devil's schemes » (cf. Efesiana 4.27 sy 6.11).
16. fijo ( 29/01/2004 10:31)
ka raha matanjaka ny ody,naninona isika no resin'ny vazaha?
17. ikaretsaka ( 29/01/2004 16:56)
ny vazaha kao manan any odiny!
18. ravatorano ( 29/01/2004 17:05)
ka eo mitsy mantsy ry fijo no tena mahatsikaiky; ary misy marina ny voalazanao.Izao nefa aza hadino fa ny "ody gasy" dia nentina hanapotehana ny samy gasy ihany.Tsy wé tsy mandaitra amin'ny vahiny ny odigasy fa dé izany lazaiko eo ambony izany no hitako tena izy.
Mety diso fipetraka koa ve le fanontanina nataon'i fijo satria toa samy manana ny mpanao fanafodiny avokoa ny firenena rehetra saingy teo amin'ny ady izay natao dia nisy resy foana.
santionany io notantaraiko anareo(28.01.04) teo ambony io fa raha ny trangan-javatra hitako dia maro tokoa eto amin'ity Madagasikara ity.
19. hendry ( 29/01/2004 13:26)
Ody gasy e, ambalavelona e, raodia e.= tapakazo
20. ravatorano ( 30/01/2004 11:37)
Efa nodorana anie ry Ikelimalaza sy ny tropiny vao tonga nananika teto amitsika ny vazà rafijo é !
raha mbola teo reny ngah tsy niveripotsiny ry fotsitava !
hihihihihihih
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5849