famadihana

1. hendry ( 20/01/2004 15:27)
Ahoana no mba hevitry ny taranaka aty aoriana momba ny fombandrazana dia ny famadihana zany. Toa fandaniam-bola fotsiny no fijeriko azy nefa raha tsy manao enao dia azon-tsiny @ fiaraha-monina sy fianakaviana.
2. kally ( 20/01/2004 15:38)
Marina fa mandany vola be tokoa ny famadihana nefa io ihany no fotoana mba hihaonan'ny taranaka rehetra,eo daholo no mifankafantatra ny mpihavana tsy nifankahalala akory.Tsy hitako ziay fotoana hoe ihaonan'ny mpihavana be indrindra afa-tsy io satria tonga daholo rehefa famadihana na ny avy any @ faran'ny avaratra na ireo valivotaka any @ faran'ny atsimo.
3. ikaretsaka ( 20/01/2004 19:21)
marina izany... ilay heo kay ve ra anona ny vadin'i anona e..dia eo ilay mpiakama niara nilalao fahiny ireny vao hoe ...kay isika mpianadahy na mpirahalahy ampanambadiana
4. hery ( 21/01/2004 09:46)
Nisy dinika momba ity famadihana ity izay nanaitra ahy... ka hofintiniko eto ny fahazoako azy.
- Raison pratique : Ny Gasy manao famadihana dia matetika ilay fianakaviana ao anaty fasana iray. Izany hoe ireo manana fasandrazana. Isaky ny misy maty eo amin'ny fianakaviana dia sokafana ny fasana dia ampdirina ao ny razana. Rehefa miha betsaka izany ny maty ao anatin'ny generation vitsivitsy dia tsy maintsy alamina... fa raha tsy izany tsy omby ny toerana. Io antony iray io no anisan'ny mampitombona ny famadihana.
- Lafiny fihaonambem-pianakaviana. Marina dia marina ny nolazain'i Kally. Fomba iray hihaonan'ny mpihavana io. Rehefa manao famadihana dia antsoina ny taranak'ilay razambe. Eo daholo vao mifankafantatra hoe hay isika ity mbola mpihavana @ taranaka (génération) fahaefatra sns...
- Raha lafiny ara-bola. Tsy dia voatery atao excuses loatra ny resaka ara-bola satria ny mariazy sy ny fomba hafa ihany koa dia andaniana vola be na dia efa mahantra aza.
5. donemaskit ( 21/01/2004 10:38)
za mbola tsy nandeha famadihana mihitsy, ary ny fianakaviako koa tsy mamadika... satria zay.
6. ikaretsaka ( 21/01/2004 14:44)
ka izay ange no ilazanay an'ialahy foana ry mazikita hoe mba mijere e...
7. ikaretsaka ( 21/01/2004 17:10)
Tsara tokoa ny famadihana fa eo @ ilay ara bola no tena.... misy ange miasa amantaonany mihitsy hahafahany mamadika e
8. naritsimba ( 21/01/2004 10:43)
Ny famadihana dia fandaminana ny razana ao am-pasana, ka ny ray aman-dreny dia atao any @ lafiny andrefana ka nahatonga ny fitenenana hoe: ny ray aman-dreny lolohavina an-tampon'ny loha.
Tsy natao handaniam-bola koa anefa izy raha tsy manan-katao fa azo atao tsara ny mifanaraka ny fianakaviana mpiray fasana dia azo atao ny famadihana, tsy mila manasa fokonolona izany fa samy mitondra ny sakafony dia miara-mihinana dia izay.Izahay mantsy efa nanao tahaka izany fa tena nahafinaritra ,ny autorisation no tsy maintsy atao.Izay ary no izy ka dia samia mandinika eh! izany akory tsy misakana ny manam-bola tsy hanao fety be an!
9. naritsimba ( 21/01/2004 11:01)
(tohiny)
amiko tsy ratsy ny famadihana fa ny fanerena ny tsy manam-bola handoa vola be toy ny mpanana no tsy itiavako azy.Zà mantsy efa nanatrika famadihana tany @ iny faritr'Ambohibary Sambaina Antsirabe II iny ka tena hitako ny fahorian'ny olona any fa tsy maintsy mandoa vola an'hetsiny mihitsy rehefa misy famadihana kanefa ny velaran-tany izay nolovainao t@ ireo ray aman-dreny teo aloha izay entina manefa ny adidy @ famadihana dia tsy mitombo akory, satria raha vao nandray lova ianao dia tsy maintsy manao adidy mitovy @ ireo olona rehetra niara-nandova taminao.Ao ireo izay mivarotra fananana mihitsy rehefa hamadika mba hitoviana @ olona ka amidy na omby na tanimbary sns...Ny hafatra ataoko dia izao aoka ny ho avy no banjinina fa ny olona sasany ange ka faly indrindra ka hoe misy fianakaviana hafa mpanararaotra dia izy ihany no mividy mora ny fananan'ireo havany tsy manana mba ho entina hanaovana famadihana.
Koa dia mieritrereta ry malagasy namana.
Raha manana havana tsy manana ianao dia mba toroy ihany izy raha azo atoro fa tsy vitan'ny famadihana isaky ny 5 na 7 na 11 taona akory ny fiainanao sy ireo zanakao koa tandremo sao tsarain'ny tantara any aoriana.
Tsy misy razana mitahy izany fa raha nitahy ny razana ny kamboty no nanankarena voalohany.
Misaotra antsika rehetra
10. hendry ( 21/01/2004 14:58)
Ny anay dia ady hevitra be ao an-trano foana io famadihana io satria ny ray aman-dreny mpandala ny nentim-paharazana ka manizingizina ny tsy maintsy hanaovana famadihana, zahay ankizy nefa tsisy manaiky satria tsy vitan´ny fandaniam-bola fa ilay foto-pisainana entina manao ilay izy koa tsy eken´ny saina aman´eritreritra. Tsy mandà aho hoe fotoana hihaonan´ny mpianakavy ny famadihana, manaiky koa aho fa fotoana andaminana ny toeran´ny maty ny famadihana nefa raha tena manontany ny hevitry ny famadihana koa sika dia fikolokoloana ireo razana mba hahatonga azy ireo hitahy. Tsy hiresaka fivavahana aho, fa zaho aloha tsy mino fitahian´ny razana zany e. Sady mba diniho anie ireo olona mandray ilay faty efa ampolon-taonany tao am-pasana, ny microbes mety haterik´ireny tsy lazaina ntsony.
Raha olona manan-karena tsy mahita handaniany ny volany dia tsy omeko tsiny raha hamadika, nefa raha mandinika sika ny ankamaroan´ny olona mamadika dia ny olona tsy dia manana loatra, tsy hoe mahantra koa fa olona antonony ara-pivelomana, koa tsy aleo ny hahasoa ny fiainan´ny velona no atao toa zay hanasoa ny maty efa tsy hifoha ntsony?
11. hery ( 22/01/2004 19:30)
Izahay aloha ny any ambanivohitra mamadika. Fa hitako fa tena mizara roa mihitsy. Misy tokoa mantsy araka ny notenenin'i naritsimba sy hendry hoe finoana ny fitahian'ny razana no antony hamadihana. Tsy azo iadian-kevitra io fa samy manana ny finoany. Satria misy koa ny mbola manompo sy mivavaka amin'ny hazo sy vato. Rehefa mamadika izany dia misy cérémonies sy cultes be dia be izay tsy misy hifandraisany mihitsy amin'ilay raisons vitsivitsy nolazaiko tetsy ambony... fa tena fanompoana tsotra izao. Iny dia tsy idirako fa zahay tsy manatrika an'iny, izany hoe tsy avela hanatrika mihitsy.
Fa ny tena amonjeko famadihana dia ilay fiombonan'ny fianakaviana ny ampitson'iny. Fiainana be mihitsy. Sakafo (vary be menaka) sy fandihizana, korana sy hiragasy. Ka azo atao foana hoe izay lafiny izay no jerena amin'ilay famadihana. Sady averiko indray fa ny olona angé raha vao mahita anao hoe tsy ao anatin'ilay fanompoana dia tsy avelany hiditra hijery akory aza ianao. Izany hoe tsy mitady kil ny mpanao famadihana amin'ilay fanompoana.
12. fijo ( 23/01/2004 12:11)
done>mampalahelo aloha raha toa ka toa anareo daholo ny gasy.satria heverinareo,fa ratsy daholo izay fomban drazana rehetra.
tsy voatery handaniam bola ny famadihana,nefa kosa io dia natao hampiray ny taranaka rehetra tsy hifanadino.ka tokony manao ezaka ny tsirairay.
antsika io,ka tokony arovana.tadido,fa ny firenena mahatahiry ny maha izy azy,dia hajain'ny hafa.(israel ,inde,japon,oh)
13. isrine ( 23/01/2004 18:55)
salut!
Ny any aminay ry reto tsy mba mamadika izany a. Taty lavitra ny tenako no maty ny iray tampo amiko, dia hoy aho hoe: raha mba nisy famadihana manko tany aminay dia mba ho hitako ihany izay zandriko zay!
Fotoana iray hifankahitan'ny mpianakavy ny famadihana na dia tsy manao izany aza ny any aminay. Ary hitako fa ratsy ny tsy fanaovan'ny faritra sasany famadihana, fa tsy mifankahalala akory ny mpihavana. Rehefa hanambady vao tonga ny resaka hoe, mbola fianakaviantsika anie ireny olona ireny e!
Ny zavatra rehetra moa misy mahatsara sy maharatsy azy foana!
14. kally ( 24/01/2004 20:44)
Marina ny voalazan'i Isrine ary ny zavatra isan'ny mamoa fady dia ny fanariana ny kolotsaina.
Arianao ny kolotsainao dia ho soloinao ny an'iza?Haka tahaka ny amerikanina sa ny frantsaysa iza?Ihomehezan'ny olona sy hakorainy eo fotsiny raha izany!
15. ikaretsaka ( 24/01/2004 13:30)
marina tea marina io
16. ikaretsaka ( 26/01/2004 15:56)
Raha mahafinaritra aloha dia tsy misy tsara ohatran'ny mandray 2 amin'ny resaka kolontsaina . misy mahatsara azy ihany ilay sady mahay baolina ankisisika no mahay base ball sy ilay sady mahay mijery tolon'omby no mahay mijery rodeo!..
17. fijo ( 27/01/2004 12:20)
kally,io voalazanao io dia tena marina tokoa ary mampalahelo;
misy fomba fiteny afrikanina hoe: "raha fantatrao ny niavianao,dia hainao ny alehanao"
izany hoe raha tsy hainao akory aza ny momba anao,inona no holazainao raha miresaka aman'olona ianao;
ry done izao raha miresaka ny mpiara mianatra rehetra hoe ny anay anglisy izao no fombanay,ny anay frantsay izao no fombanay,ny anay arabo izao no fombanay,dia mba inona no holazain'ialahy,ny anay malagasy makatahaka ny frantsay no fombanay;asa fa hevero ihany aloha
18. ikaretsaka ( 27/01/2004 15:51)
marina io
19. kally ( 27/01/2004 20:13)
Dia gaga ny frantsay avy eo hoe ary zareo Malagasy ireo hay mbola voazanakitsika tsara an!
Ny vahiny rehetra rehefa mandeha any an-tanin'olona (jereo ohatra ny arabo),mitazona sy manao izay hampanjakana ny fombany,ny sasany amin'ny gasy ve toa mahamenatra azy izany hoe gasy izy ka saronana daholo izay rehetra mety maneho ny maha-gasy.
20. fijo ( 28/01/2004 11:35)
mampalahelo,fa misy mizesta mihintsy fa tsy mahay teny gasy ny zanany.
ary mbola loza,misy tonga telo taona aty france dia milaza fa tsy mahatadidy teny gasy firy intsony.asa na dondrona ahoana ilay aka,na voan'ny amnezia.
ary ny sipa,mampiome misy milaza hoe hanaovy delira teny frantsy aho ka(rehefa....)
tano ny antsika,fa zara aza manana ny maha izy azy.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.16