kristianisma sy ny malagasy

1. ravatorano ( 13/01/2004 12:14)
Azo lazaina ve fa fivavahan'ny razantsika malagasy ny fivavahana kristianina ??????

2. sipagasy ( 13/01/2004 16:44)
MIfameno ireo satria anie ny razantsika ka mino ny Zanahary é! ary iza moa io Zanahary io, io indray dila Ilay nahary ny zava-boahary rehetra ety an-tany, anisan'izany isika olombelona.
Noho izany, araka ny fandraisako azy dia fivavahana 1 ihany ireo, na dia hiteny ary ny sasany hoe ary ahoana izany ny famadihan-drazana ataon'ny Malagasy, raha araka ny fahalalako dia tsy misy andian-teny mandrara izany ao anaty baiboly sady fanehoantsika Mahagasy fisaorana sy fankahasitrahana ihany koa anie izany avy @ nipoirantsika é (razana).
3. ikaretsaka ( 13/01/2004 17:47)
tsy "kristianina su ny malagasy" kosa angamba fa ny "finoana an'andriamanitra sy ny Malagasy ee"
4. fijo ( 14/01/2004 13:03)
ny famadihana anie ka dia ao anaty baiboly e.i abraham nalaina tany egypte dia noentina tany israel.famadihana izany.
ny kristianisme dia tsy finoana gasy,fa ny finoana an atra,na ilay nahary kosa dia finoana gasy.sy gasy tsy nino izany jesosy izany,ary tsy nahalala izany akory.izy anefa no nahatonga ny kristianisma.
5. ravatorano ( 14/01/2004 20:24)
Na jesoa na jesosy dia tsy fantatry ny razantsika.Tamin'ny andron'i Ranavalona Ière né vao nanomboka ny fiparitahan'ny fivavahana kristianina é ary zany aza mbola tety ampovoan tany ihany.
Raha lasa prosesstanta i Ranavalona II sy Rainilaiarivony dia ny antony voalohany dia ara politika satria noho ireo vahiny tonga maro sary tsy maintsy hifampiraharahana raha te hampivoatra ny fankananao ianao dia voatery nanaraka sy nanary ny fomba sy fivavahan-drazana ry zareo.Ka rehefa ny mpanjaka sy ny Praim no mivadika dia mirona dhl ny vahoaka.
Asa na efa toetran'ny malagasy maro ity manara drenirano izay ataon'ny mpifehy lehibe .
Ny famadihana anie tsy midika mihitsy fa mivavaka amin'ny razana ny malagasy .Fomba io entina hatsiarovana ny razana ary indrindra adidy lehibe koa entina mamaly soa azy satria raha tsy diso aho tsisy olona mamadika isambolana na isan taona fa dimy taona na mihoatra azavao manao izany.
Ny razatsika dia mino an'i Zanahary ,Andriamanitra tokana irery iahany araky ny ohabolana wé aza ny lohasaha mangina no jerena fa Andriamanitra ao antampon'ny loha
6. fijo ( 15/01/2004 11:56)
marina io voalaza eo ambony io.
7. donemaskit ( 16/01/2004 16:50)
Ny ohabolana nge sy ny Malagasy rehetra no nanoratra azy e, tsy nino andriamanitra tokana zany mihitsy ny razantsika... jereo fotsiny ireny sampy rehetra ireny, ny razana ihany koa aza dia nalainy ho andriamanitra.
Nareo nga mbola tsy nahare an'ireny andriamanidahy sy andriamanibavy ireny?
8. donemaskit ( 16/01/2004 16:54)
Tsy kristianina mihitsy ny Gasy, na dia ny statistiques fotsiny aza no jerena : 50% tsy mino an'izany Kristy zany (tsy mahalala ny maro)

Tsy mitovy @ toe-tsain'ny Israeliana niala ny ejipta mihitsy kosa ny toe-tsaina Gasy entina mamadika e. fanampin'ny valim-babena sns dia "fangataham-pitahiana" koa ny famadihana. Ny finoana kristiana tsy mifanaraka @ zany mihitsy. I Abraham koa tsy kristiana fa jiosy....
9. donemaskit ( 17/01/2004 10:15)
Ny Jiosy ni-se baser t@ lalàna
Ny Kristiana @ "Tiavo ny namanao tahaka ny tenanao."
10. lemurkata ( 17/01/2004 20:48)
Tsy misy malagasy afaka hilaza fa fivavahan'ny razantsika ny fivavahana kristiana.
Raha araka ny tantara dia tamin'ny andron-dRanavalona I vao tafiditra teto Madagasikara ny fivavahana Kristiana, ary io mpajaka io no mpanjaka voalaohany nandray ny finoana kristiana ho azy. Fantatsika tsara koa anefa fa fotoana fohy taorian'io, ny mpajaka farany nanjaka teto Madagasikara (Ranavalona II) dia nanenjika sy nanohitra mafy io fivavahana kristiana io. Ny razantsika izany dia tsy nanaiky ny fivavahana kristiana afa-tsy nandritra ny taona vitsivitsy.
Talohan-dRanavalona I, ny fivavahan'ny malagasy dia nalaina avy amin'ny rafitra antanantohatra izay namolavola (ary mbola mamolavola hatramin'izao) ny fomba fisainana malagasy. Io rafitra io no mahatonga ny malagasy hiantso ny razana rehefa hivavaka amin'Andriamanitra (Tahaka ny katolika miantso olo-masina indraindray rehefa hivavaka). Io rafitra io ihany koa no mahatonga ny malagasy hanaja ny fizokiana.
Misy lohahevitra hitovitovizana ny fivavahana kristiana sy ny fivavahan'ny razantsika na dia tsy misy hifandraisany aza. Izany angamba no nahamora ny fidiran'ny fivavahana kristiana teto madagasikara ka mahatonga ny sasany hievitra aza ankehitriny fa fivavahan'ny razantsika ny fivavahana kristiana.
11. donemaskit ( 17/01/2004 10:15)
Marina dia marina tokoa.
12. fijo ( 22/01/2004 12:16)
tsy misy azo lavina ireo.
13. ikaretsaka ( 22/01/2004 14:40)
fa ny foto-pisainana gasy sy kristianina raha jerena dia misy hitovizany ihany:
Samy mahalala sy manaiky fa sarobidy ny aina
Samy mino fa ny Fandriapahalemana no atao hoe fiainana tonga lafatra
Ny fanajana ny hafa no hanajan'ny hafa ny tenanao
14. fijo ( 23/01/2004 11:41)
eny e.io indray anie ny fahendrena no nitondra azy e.
15. samoina ( 23/01/2004 17:21)
Tsy kristianina ny razantsika saingy isika taty aoriana tsy afaka miverin-dalana intsony satria efa " nandre ".
Indrisy tokoa fa efa voasoratra hoe " Lozan'izay nandre nefa tsy mino..."
16. donemaskit ( 23/01/2004 19:06)
ka minoa ary e.
17. fijo ( 28/01/2004 10:58)
tsy mino an'izany aho radone a.resaka mampatory fotsiny izany.
18. rasta ( 31/03/2004 06:33)
ravatorano>>
Tena mifanao atsimo sy avaratra tanteraka ny fivavahan'ny ntaolo razam-betsika sy ny fivavahana kristiana. Talohan'ny 1818 dia zanahary(ilay tokana nahary izao tontolo izao) no ninon'ny Malagasy ary tena natahorany mihitsy izany. Ankehitriny hatramin'ny nidiran'ny fivavahana kristiana izay nampidirin'ny vahiny teto dia novana ho Andriamanitra io zanahary io ary jereo fa lasa samy milaza ny fiangonany ho dadany sy marina avokoa. Amiko dia tsotra ny valiny fivavaham-bazaha ny kristianisma fa tsy misy hifandraisany amin'ny fivavahana malagasy.

donemastik>>
Tsy marina ny hoe tsy nino Atra tokana izany ny ntaolo. Ny famadiana sy ny hevitry ny hoe sampy dia tsy midika fa Atra ireny. Ny anaovana ireny dia mazana fiampitana makany amin'ilay nahary izao tontolo izao. Matoa tsy Andriamanitra no nilazan'ny ntaolo an'Atra ami'izao fotoana izao fa nataony hoe Zanahary dia ilay nahary izao tontolo izao no inony ary tokana io fa tsy maro akory.

samoina>>
Afaka miverina tokoa moa saingy noho ny fanaratsiana ny mahagasy no mbola mitoetra eto Madagasikara.
19. ravatorano ( 31/03/2004 07:44)
tsy afaka miverina marina isika satria na ny fankalazana na ny fanehoana fotsiny ny taobavao malagasy aza efa tsikera sy kiana tsy araka tsony ka voamaika fa hiverina amin ny fivavahan ny razana taloha izay mino an i Zanahary izay lasa Andriananahary ary dia nolazaina koa hoe Andriamanitra.Tsy midika anie fa hiverina hanompo an Ikelimalaza sy ny namany isika fa ilay soatoavina malagasy no hatsangana haka ny tena naha izy azy hatramin izay
20. librepenseur ( 31/03/2004 11:10)
Misy anie ny tsara azo raisina fa tsy hoe 100% akory dia tsy maintsy ho raisina daholo na dia hita izao fa ratsy aza e !

Ohatra iray : tsara ve ilay finoana hoe "Aza mitsiriritra ny fananan'ny hafa" ? Aiza no hahafahanao hiezaka sy hanatsara raha tsy misy tanjona amin'ny fahatsarana eo aminao ?
Ohatra faha-roa : "Sarotra amin'ny mpanankarena ny fahatongavana any amin'ny paradisa", dia io daholo fa tonga dia mionona sy mangina amin'izao daholo Ra-Malagasy satria efa donton'ilay fomba fiteny...

Valalan-amboa ny an'ny Malagasy ka ny tompony aza tsy tia e ! Ny an'ny hafa tsy voafehy tsara, ny an'ny tena haratsiana sy tsinontsinoavina...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.557