sira mampitombo tension

1. adamilus3a ( 12/01/2004 11:57)
tsy haiko ry namana isany fa ny sira vita gasy hono zao tena mampitombo tension be mitsy.inddra ny oul efa azonazon-taona de tafiakatra 20ny tension
tsy haiko raha marina tanteraka zanyny tao antrano alo no hitako efa voade tsy nasaina nihinana intsony
novalian'i a256011 ny 04/02/2004 10:41
2. niavo ( 12/01/2004 14:00)
tsy hoe ny sira vita gasy nomampiakatra tension fa ny sakafo be sira no mampiakatra azy ary ko ny sakafo matsiro loatra (be menaka sira ritra be sns.........)zay de anjaranao ny mieritreritra e
3. ravelo2 ( 12/01/2004 19:49)
ankamaroan'i taranaka gasy dé efa nolazaina hatramin'izahy hoe:hypertendu.Ary tadidio fa raha sira fotsiny no tsapanao fa anisany mampitombo tension dé aza adino fa betsaka ny facteurs hafa hita eny @fiainan'ny gasy mampitombo tension koa.Siragasy:ataovy ny experience @ sira hafa vahiny @ sakafo iray mitovy,olona iray no hinana azy dé avy eo mba lazao ahy ny tena marina!!!aza adino ny valiny é!!!
4. dom ( 13/01/2004 20:55)
marina ny an'i le ravelo2 fa betsaka ny facteurs @ fiainan-dragasy mampitombo tension indrindra ange ity atao hoe stress itye! fa ny sira aloha na gasy na vazaha dia mampitombo ny tension fa ny probleme dia ny composition NaCl. fa misy izao ny sira KCl vita eto Mcar fa natokana ho an-dry be tension sy ny namany. Misy eto amintsika io sira io fa misy tsy mahalala. De misy koa milaza aza fa ny Iode ao @ sira no mampiakatra ny tension nefa ho avy koa izao ny fluor dia holazaina koa ve fa mampiakatra tension? Ny problème dia misy mihintsy Dokotera milaza an'izany kanefa tadidio fa ny taux d'ioduration na fluoration @ sira eto @ tanàna dia ambany dia ambany sady ireo éléments ireo koa dia fragile be izany hoe miala ao @ sira ny ampahany betsaka mandra-pahatongan'ny sira ho any ambavan-dragasy dia ahoana moa no hilazana fa ny sira gasy no tena mampitombo tension. dia eo koa ny sédentarité-n'ny gasy satria tsy manana fotoana hanaovana sport intsony. Raha izaho no mieritreritra dia misy olona mivoy ireny fa manao importation de sel eto izy. Tsy hitanareo ve ireny hoe sel de france ireny. Dia haratsiana ny vita gasy dia mandeha ny tsenany dia vita ny amin-dramalagasy. Sa dia mihevitra ianareo fa adala daholo ireo dokotera ao @ Ministère de la santé n-tsika ireo fa dia ilay nilaza fa hoe ny sel iodé mampitombo tension no tena dokotera milay indrindra? mbay tany!! tetika ahazoana kil daholo ireny. Ka ny olana eto amintsika dia ny tsy fananantsika sôsy hi-exploité-na ny sira tsara et amintsika. Tadidio fa ny sira gasy avy any Tuléar dia nahazo trophé mondial @ qualité, ny exploitant du marais salant dia sinoa ary ny tompon'ny tany misy ny marais salant dia karana. Aiza isika gasy @'izany. Toa faly manaratsy tena sy mifanenjika foana isika. Ny tanintsika tsara dia ho lasan'ny zongo (karana, sinoa, européens, coréens, thailandais, de ho avy koa ny gena). Raha vao mba isika no te hihetsika dia henjehina @ hoe ambaniandro e! avy any anindrana ! ka vita eo ny amintsika.
Ka isika tsy misy sôsy koh! Raha te-hi-agir dia omeo aloha ny sôsy. 'za koa mitady fa ny fika aho manana be dia be!
5. adamilus3a ( 15/01/2004 17:49)
de marina daholo zany, za aza nalahelo oe fa ahoana kosa no misy mamotika ny sira ao @ tanàna nefa milay.zahay ary manafatra mitsy mbô hinana zany vokatry ny tanàna zany. Ary tsy oe manely tsao, aoka etsy, fa tiko hamarinina satria tsy masaka le mivel @ honohono. Za aza bô manontany tena oe ao @tanàna tsy misy labô hitsarana reny vokatra isakarazanyreny de anaovan'ny sasany soketa @ zay vita ny @ tanàna. Fantako ko fa be ny sakafo mampisondrotra tension fa valala moa misy ny mpilaza ko mahay de tsy maintsy fanina ihany enao fa ahoana izany. mijery gazety nefa tô tsy misy le resaka, mifon ny ol aty , tô manafy izy oe ny le composition ny sira hono
Ny mahagaga ahy de manin ny bofbof reny no tena tratrany, sa misy virus ho any bofbof dray mampitombo tension zany any ho any.
Azavao,ary miala tsiny @zaymiertreritra fa manely tsao fa te hanamarina mba tsy hisiany le oe mitsambiki-mikipy
6. a256011 ( 04/02/2004 10:41)
Ny zavatra tsapako aloha, mety ho mampirongatra ny fiakaran'ny tosidra eto amin-tsika dia ity e, (ankoatra ny sira, sy ny facteurs hafa izay tsy voatanisa) : noho ny fahantrana izay niainana dia leo ny matsatsotsatso ra-Gasy, ka raha vao sendra sakafo matsiro dia mihinana betsaka. Ny Cholestérol izay hita ao anatin'ny menaka biby, atody, ny hero-dronono... dia tena facteur voalohany @ fiakaran'ny tosidrà. Tsentsin'ny menaka mandry (sira) ny lalandrà, dia manosika mafy ny fo. Mazava ho azy fa miakatra ny tosidrà, ka matetika ny lalan-drà madinika any @ loha no tsy mahatanty izany fa tapaka.
Raha mbola tanora ny olona dia mbola mazoto mihetsiketsika mafy, ka mora ho azy ny mamadika ho angovo ny cholestérol ao anatin'ireny sakafo ireny.
Ho an'ny zokinjokiny sy ho an'ny tsy mahetsika firy dia tsy mahadoro ilay cholestérol, ka mazava ho azy fa miasa mafy ny fony, ka dia miakatra ny tosidrà.
Ny any ivelany, maharaka vaovao ka mahafantatra ny atao mba hisoroana izany. Misy ny mihinana fanafody, misy ny mihinana voankazo toy ny paoma, sns ...
Eto amin-tsika na dia manao pub aza nysasany hoe 0% Cholestérol, tsy fantatsika ny dikany, fa dia hoe menaka T... fotsiny izay.
Tamin'ny andro taloha ny Gasy nanana dia leo hena mbola tanora, ka rehefa antitra indray izy ny voankazo no nataony fihinana betsaka, ka izany angamba no tsy dia nampalaza ny fiakaran'ny tosidrà loatra t@ izany.
Ny tena marina izany dia tsy mirindra ny fandaharampotoana-tsika amin'ny sakafo, na isika mihinana sakafo be cholestérol (matsiro ny matavy ka!) nefa tsy mihinam-boakazo, na isika mihinana voakazo be loatra ka décalcifié indray (be acide mantsy ny ankamaroan'ny vankazo).
Asaivo mahay mandanjalanja ny sakafo hohanina ary ry Bofobof isany e!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1266