kabarin-Dra8

1. ravatorano ( 12/01/2004 11:06)
Mba aiza o aiza ny hevittsik amireny.isika lé vahok tsy mandady harona .Ny sosy betsaka fa ny ampiasana azy no manairana.Tsy matoky ny olona omena hampiasa ireny vola reny ve Ra8 é !
Ka raha betsaka ny "S" sy ny "frou" maninn ny vahôk no mbola mijaly tsary mikaly.Sa kosa mahavita kaly lé vola v ?
Na ampiasan-dry zalah kalongany dé aviteo averiny njay na mamovoka toy ny entan'ny mpivarotra amoron dalana .
novalian'i kally ny 24/01/2004 09:01
2. hery ( 12/01/2004 16:20)
Fa ahoana tokoa ny kabarin-dRa8 farany teo?
3. ravatorano ( 13/01/2004 20:11)
ny kabary aoha dé otran'ireny kabary rehetra ireny ihany é ! Nisy nampiova anazy dia teo amin'ny famakiana ny kabary ary tena nahavariana ny nijery an 'Ingahy Filoha satria vita teto ireo zay nanejika anazy ho tsy mahay ny tein'i Molière.Nisosa tokoa ny kabary.
Teo amin'ny votoantony ara politika dia ny filazana fa ny vola dia misy fa ny ampiasana azy no manahirana.Isan'ny nanaitra ahy tokoa izany.
Satria fa nahoana moa izany ????
Raha misy ny vola entina miasa nahoana n tsy ampiasaina sa ?!?!----
Na ny olona hatokisana hampiasa tsara an'ilay vola amin'ny ara dalana sy ho tombotsoan'ny be sy ny maro no tsy misy
na tsy mahatoky ny mitantana ara toekarena eto amitsika ny Filoha.
Amiko dia tsisy afa tsy izay.Ka ahoana izany ny amin'ny 3P raha izany.Ilaina fampatokisana ny fandraharahana ary fantatry ny Prezidà izany saingy misy dia misy tokoa anie ny olona omena vola hanaovany ny projet-ny nefa dia mibirioka amin'ny zavatra hafa ny vola ka tsy mandeha amin'ny laoniny.Mbola izany foana ve no iainana eto amitsika ? Ka dia mbola ho ela vao ho tonga ny fandrosoana raha izany ary dia tsy hahita developpement durable et rapide mihitsy sika raha izany.
Ny fitobahan'ny vola eo amin'ny fandraharahana na privé io na koa ireo projet tantanin'ny ONG dia hampitombo ny hari karerna malagasy.Ny fanaraha maso no atao hentitra sy mafonja dé zay ihany.
4. xxx ( 22/01/2004 17:26)
Ravatorano, tsy fanatro na azonao tsara ny fandehan'ny kabarin-DRa8 tamin'iny fa izy anie raha niteny hoe "ny vola misy fa ny handaniana azy no manahirana" de avereno kely ny fitadidianao fa tamin'izy niresaka ny gouvernement no nahatonga azy niteny an'io e ! fa tsy niteny ny vola any am-paosiny akory izy. Sô de lanilany fotsiny na sô de ny minisitra indray no mahavita "villa" mialoha ohatran'ny tamin'ny teo aloha. Ohatran'ny ray amandreny ao an-trano ihany io e ! na de betsaka aza ny vola tsy azo zarazaraina fôna amin'ny ankizy fa tsy maintsy dinihina sy arahi-maso ny ampiasana azy "izay le hoe manahirana" asa raha azonao ny tiako ho tenenina". Niresaka enao tetsy ambony hoe "mamovoka ohatran'ny entan'ny mpivarotra amoron-dalana" efa tamin'ny andron'i Razanamasy ange no nenjehina ny mpivarotra amorondalan'e ! fa saingy amin'izao fotoana izao no entitrentitra kokoa ireo mpanatanteraka. Fa nahoana ireo mpivarotra no mbola mivarotra eny fôna, resaka toe-tsaina io, efa zatran'ny lalan-dririnina, de manjary ireo olona manenjika azy indray no lasa enjehina na de manao ny asany aza. Tsy manome rariny an'ireo olona manenjika akory zà fa mba saino kely hoe amampolotaonany enao hifanenjika aman'olona eny fôna, tsy aleo mitady zavatra hafa. Sa ve zà no be resaka ? Assa alou
5. kally ( 24/01/2004 09:01)
Mety hoe misy koa angamba ny vola fa tsy ampy tsy lany?Hanaovan-javatra kehibe tsy mahavita,hanaovana zavatra kely manalasala satria hisy ambiny hiodinkodina fotsiny angamba ka mety misalasala hoe hiandry fanampiny kely dia hanao zavatra lehibe sa dia hampiasaina io kely io nefa tsy hahavita inona akory?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3418