Fandefasana vola any Dago

1. hery ( 08/01/2004 20:04)
Hevitra sendra nandalo.
Raha tokony handefa vola amin'ny Western union na mandat poste, mety azo atao ve ny mamorona zavatra anakiray miankina amin'ny fifampitokisan'ny namana? Ohatra hoe rehefa te handefa vola any Madagasikara aho dia milaza eto hoe olona avy aty Roma te handefa vola ao Antananarivo. Dia raha misy olona avy ao Antananarivo te handefa vola aty Rome dia mifanaraka izahay. Izany hoe izaho manome vola an'ilay olona tiany handefasana vola dia izy manome vola an'ilay olona tiako handefaasana vola. Mazava ho azy fa misy hafatra ifanakalozana mialoha momba ny adiresy sy ny sisa.
Diniho ihany fa hevitra mety ho tsara. Izany ihany koa no ilana ny namana.serasera.org

mazotoa
novalian'i ralay ny 25/02/2004 19:07
2. isrine ( 08/01/2004 19:13)
salut!
zay hevitrao zay hery no tena maha-pinamana ny mpinamana, ary @ izay no ahitana ny maha-serieux ny namana eto.
Ny fifampitokisana no zava-dehibe!
3. fijo ( 09/01/2004 09:00)
tsara be ilay hevitra rahery,ary efa ampiasainay io aty.fa asa raha serieux ny namana ato,dia tena mahafinaritra io.
4. manja ( 10/01/2004 12:39)
Marina tokoa ny voalazanao sy ireto namantsika ireto ry Hery fa mila fahamalinana be ity resaka vola ity satria ny escroc izao efa tena lasa lavitra amin'ny hafetsena. Izany hoe raha be loatra ny méfiance dia tsy mety. Fa ny mahery tsy maody koa hono anie tsy ela velona e!
5. xxx ( 10/01/2004 18:05)
milay be zany fa efa betsaka ge ny ankizy manao anio e,mifampi-fon fontsiny oe efa lasa any @la any le sosy fa bô omeo andrabof de tonga somatsara tsy misy koa
6. aly ( 10/01/2004 18:58)
Efa matetika izahay no mandefa vola any dago. Mifampiantso izay mahita olona dia omena aty aloha ny euros miaraka amin'ny fifampitokisana rehetra, izany hoe ilay olona tena fantatra fa tsy iconnue akory. Dia ny havany any Dago no manome FMG rehefa mahazo confirmation par mail.Tsy marché noir io satria ny euros tsy alafa any dago fa mijanona eto ihany.
7. hery ( 12/01/2004 10:51)
Tena izay mihitsy no tiako lazaina.
Ny olana izany dia ilay mitady olona eo amin'ny toerana misy azy.
Ohatra hoe izaho eto Italie... dia iza no olona mila vola na olona afaka mandray vola amiko eto Italie dia avy eo omen'ny havany any Dago vola i Rabôfinay?

Dia io no ilana an'ilay sosokevitra.

Raha misy organisation kely (ohatra hoe eto) dia milaza izay vonona alohan'ny tena hiresahana @ mail sy hi-phoner-vana. Miteny fotsiny hoe, izaho mipetraka eto ... ka afaka mandray vola ... dia omen'ny havako ao ... ny havany.
8. fijo ( 13/01/2004 12:43)
rahery a,efa fanaon'ny aty france io,ka izao no ilaina.mila olona fantatra ao italie aloha i hery.io olona io indray manana havana any amin'ny tanana misy an'ny maman'i hery.eo ianareo,vao hafaka mifanaraka.tandremo ihany anefa,fa izahay efa voa ka aleo atao mazava tsara ny resa amin'ny voalohany.raha tsy ao italie ilay olona dia ataovy izay ahitana ny misy azy.
9. ralay ( 13/01/2004 17:03)
raha misy namana mahalala olona na havana mitady euros aty am-pita dia zah kou interressé @ ilay vola gasy any dago ka mba ilazao
10. fijo ( 14/01/2004 12:34)
ity koa misy hevitra azo hifanampiana.raha misy olona any mada mila zavatra aty.dia anontanio aloha ny prix any,dia jerena ny aty miaraka amin'ny fandefasana azy.ka raha mora,dia azontsika ato ny mifanamboatra.tsy mila maka tombony aho amin'io.
11. ikaretsaka ( 14/01/2004 13:36)
hevitra koa io!
12. fijo ( 15/01/2004 12:04)
ampitahaina tsara aloha ny vidiny any sy aty,fa indraindray any mora.
13. rniaina ( 21/01/2004 17:40)
hery> angamba tsy voatery hoe olona aty ivelany amin'ilay toerana misy anao ihany fa misy ihany koa anie ny gasy mipetraka ao Mada ihany fa manana kaonty aty ivelany dia azo atao ny mandrotsaka ao takalon'ilay vola gasy....
14. fijo ( 22/01/2004 11:50)
marina koa izay ry rniaina,fa tsara kokoa raha fantatra mivantana ilay olona.
15. pitchoune ( 03/02/2004 11:38)
O rey olona e,
Famonjena ho ahy ianareo, za zao tena nanafatra vola avy any Dago mintsy nefa mbola vaka ny saiko amin ity frais ny western union ka iza aty France no afaka hihaona amiko amin izay? androany 03 Février 2004.
16. fijo ( 04/02/2004 20:41)
izay namana ao paris no tsara mifandray aminao.raha misy hafaka manampy azy ao,dia mba tokony mifanantona aminy.
17. aly ( 04/02/2004 18:31)
Eto aminay be olona mila vola any Dago satria manafatra entana ka io no solution anay
Ka io jerena fa mety mahasoa ny sasany satria ca peut aller jusqu'à 15 000 €
18. fijo ( 05/02/2004 20:37)
izay izany ry pitchoune a.manorata any amin'i aly,dia izy no manazava aminao tsara.
19. isrine ( 23/02/2004 19:09)
resaka vola io ry reto sarotra a, mety in-1 mnadeha fotsiny no mety fa ny sisa tsy hety mitsy, sady atao ahoana no hametra ny vola alefa? izany hoe arakaraky ny anannanan'ilay any dago ve zany?
ny vola miditra any dago anie ka betsaka fa ny mivoaka avy any mety kely e, sady aiza no mety ahitana olona toy izany? Ianareo ve de mino tokoa fa hahita, fa resaka ka atao, sady lasa resaka miampitapita ka ho reratsaina @ farany!
20. fijo ( 25/02/2004 12:07)
azo atao tsara io raha mifankalala ilay olona aty ka.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 2.7803