cinéma malagasy

1. donemaskit ( 01/01/2004 11:52)
Inona no tena hitanareo fa lesoka lehibe eo @ cinéma malagasy? Ny hevitrareo hanatsarana ny eo @ lafiny :

> production
> réalisation
> scénario
> jeu d'acteurs
> vidim-pidirana
> salles de cinéma
> ...
novalian'i gasitiako ny 29/09/2005 06:03
2. donemaskit ( 01/01/2004 14:16)
> production :
tsy ampy mihitsy ny vola, tsy dia mampaninona loatra iny satria kelikely ihany koa ny vola miditra avy eo
3. donemaskit ( 01/01/2004 14:20)
> réalisation :
Tsy ampy professionnalisme mihitsy, izay manana camescope (!) dia ohatra ny manao film daholo, mbola hita ihany indraindray ny alok'ilay micro!
Zara raha misy créativité : ny mpilalao aza ohatra ny tsy misolo akanjo mihitsy!
4. donemaskit ( 01/01/2004 14:23)
> sons :
Ny tohotohondry manao "dish! dish!!" be loatra, misy fasika, re be loatra ny dia tongotra sns.
Musique de film aleo tsy asiana teny....!
5. donemaskit ( 01/01/2004 14:25)
> images :
Ratsy satria tsy maharaka ny eo @ lafiny ara-teknika... Nefa kosa mbola hita mangovitra ilay mpaka sary indraindray, ary matetika tsy mifanaraka @ ilay feo akory!
6. donemaskit ( 01/01/2004 14:28)
> scénario :
mahantra dia mahantra nefa betsaka ihany ny mpanoratra manan-talenta. Ny tantara matetika tsy mitombina mihitsy rehefa tena mandinika.
7. donemaskit ( 01/01/2004 14:30)
> jeu d'acteurs :
Efa nahitana fivoarana betsaka fa ny fahazaran-dratsy dia ilay mametraka bogosy be sy manja kely foana, na koa olona efa malaza @ sehatra hafa. Tokony hahena koa ny "eeeh!" sy ny "aaah!"
8. ikaretsaka ( 03/01/2004 15:24)
Sarotra ihany Ra mazkita ilay manao "overdub" mampifandrindra ny feo sy ny sary raha tsy ampy fitaovana satria dia 1/100-na segondra no lalaovina. na fitaovana milay be aza ny ampiasaina... andra,mo dia ho hitan'ialahy
9. donemaskit ( 03/01/2004 11:16)
Mbola tsy nanandrana aho. Fa @ clips gasy aza nge vitany ny mi-synchrorniser ny sons sy images e, dia @ longs métrages (plus de budget) ndray ve...!
10. ikaretsaka ( 03/01/2004 16:46)
k any clip gasy raha misy dia misy 5 minutes ny halavany. cassete na mini DV adiny 1 izy mahavita "take" anakifolo ohatra dia manao copy paste fotsiny izy avy eo. Fa raha long metrage dia isaky ny "take" anakiray dia efa ho cassette 1.. eritrereto ny vidin'iny any Dago!
Ary lafo ve sa fanahy iniana mihitsy ny tsy mividy Trepieds fa faly izesta be amin'ilay camera ana 3000 euros fotsiny?
11. donemaskit ( 03/01/2004 17:11)
Asa loatra! nariany ngamba?!
12. donemaskit ( 03/01/2004 17:17)
Ary satria ny vola no tena lesoka, maninona ry leirony no tsy mangataka investissements @ société manamanana, manao partenariat?
Ny Gasy tsinona ohatra ny betsaka ihany no liana @izy ity fa noho ny manque de qualité des produits dia nihena ho azy! Raha miampy ny budget, mihatsara ny qualités audiovisuelles, tonga ny kil mijery > rentabilisé ny investissements.
Ny eo @ lafin'ny acteurs sy ny scénario no mbola tsy voavaha!
13. donemaskit ( 04/01/2004 12:50)
Ry Avoko zany ohatra ny adino tany @ génération Bruce Lee sy Chuck Norris... en moins bon!

Ny acteurs mila manao cours fa tsy lasa!
14. xxx ( 07/01/2004 18:39)
ny zvt tsapako eto de mitady hita eto le style manaratsy ny bô vitantsika gasy. tsy koi zany fa zay mety ahitany namana azy fa ny ahy de zao :
-satria tsy ampy fitaovana sika dia tokony film tsy betsaka mise en scène na na feno actions no lalaovina sady sika tsy ahavita rambo mitsy alo na rafanja aza no hikarakara azy
-satria tsika gasy be santimaka de reny no tokony araraotina atao zay ahatonga azy film (le style @ 1sy 1/4 reny ohatra na le film style rosa salvaje sy marimar reny )
-satria ko sika be kolotsaina de reny no trandrahana atao film de atao style angano etretra
Betsaka le izy fa nareo mameno azy e! za ko mo fohifohy fisainana zay
15. donemaskit ( 08/01/2004 20:04)
Za dia dakôro @ ilay resaka séries sy feuilletons... te hanao azy be ry leirony nefa tsisy saosy sady tsisy traikefa akory.
Lay izy manao action (fôpla) koa dia ohatra ny mampiseho lava zany hoe be sandry ny kil fa tsy dia misy saina. Tokony dramatiques amizay no hatao...
16. ikaretsaka ( 08/01/2004 15:10)
adinonaeo angaha ilay mandeha mission fahiny? vao sendra ilay video karatoka sy komando ireny na any ankodahoda be aza dia feno ny salle! vao misy hoe Gidragidra be ny titre dia olona izao !
Marina fa santimaka ny Gasy fa arakarak'ilay hoe olona iza no kendrena ampisehoana ilay izy... raha ao Tana aloha marina ilay hoe santimaka no be mpijery satria mahita foana ny olona ... fa andramo alefa any @ sisiny anie ireny film sasany ireny raha tsy kil be e
17. donemaskit ( 08/01/2004 16:50)
Ka ilay hoe any @ "sisiny" aza anie dia tena tssss! Izy tsinona tsy manana télé akory (ny hankamaroany) ka normal be raha te hijery gidragidra sy ny tariny. Be kil tokoa fa tsy mampidi-bola akory satria tsy handoa na dia 5 000 akory izy hijery an'iny. Ny tanjona koa tsy ilay hoe be kil fotsiny, fa mba zavatra de qualité no haroso....Ny kil an'andrenivohitra ihany no cible.
18. donemaskit ( 08/01/2004 16:52)
Za mieritreritra fa manao carton be zany love story na comédie romantique bien réalisée any Tanà... tonga dia révolution!!!
19. ikaretsaka ( 08/01/2004 19:14)
sady mora atao ireny no tsy mandany budget anie e... karazan-dry friends ohatra na sauves par les gongs na la fete a la maison ireny... amboarina tsara ny decor ao an-trano dia asiana anakiray oatran'ny resto dia basy! tsy lany transport mikrimbarimba miaraka @ fitaovana mankany @ lieu de tournage
20. donemaskit ( 09/01/2004 20:20)
ny réalisateur sy ny acteurs sisa no tsy ampy!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3861