Prof miaraka @ mpianatra

41. manantsoa ( 26/01/2004 18:21)
okay , arakao tsara ilay izy ra-fijo
42. fijo ( 27/01/2004 10:49)
izaho dia be vazivazy,fa ny momba ny ankizy kosa tsy kilalao io,satria misy ankizy mijery ato,ary mora mandray zavatra ireo,ka raha hoatra ratsy no itany ato,dia lasa izay.
43. pitchou ( 02/02/2004 10:41)
ko tsy loza raha misy ankizy mijery ny resaka rehetra mandeha ato @ forum?
raha ny mifehy ny mpianany tsy hibirioka any @ fitiavana an-dramosa na i madama na i madimozely aza tsy hain'ilay mpampianatra inona no fampianarana ho hainy? fa tokony mba asiana sivana fa fanofanana manokana koa angamba ny mpampianatra e!
44. fijo ( 03/02/2004 10:13)
efa nisy taloa,saingy nigoragora taty aoriana.
45. xxx ( 04/02/2004 12:37)
efa mihamiverina @ zao
46. fijo ( 05/02/2004 20:51)
tsara be raha efa miverina izany ka.
47. pitchou ( 07/02/2004 09:27)
dia ny inspection tokony asiana hatrany ahafahana manitsy izay tsy mety fa tsy avela ho lasa fahazaran'ny rehetra vao mihetsika! satria fitaizana no resahana sy atao any am-pianarana
48. fijo ( 11/02/2004 11:22)
io mihintsy no tsy ampy aty amin tsika.
49. pitchou ( 11/02/2004 13:52)
ny mampalahelo ko d toa tsy asiana vidiny intsony ny mpampianatra aty @ fanabeazana fototra sy ny ambaratonga faharoa fa toa ny eny @ université ihany no tovonana mafy! nefa ange ny fanabeazana ny ary @ fototra ary no miantoka ny ho avy rehetra e! angamba tokony asiana fiheverana manokana ny karaman'izy ireny sy ny fanofanana azy o?
50. donemaskit ( 11/02/2004 18:07)
za dia manaiky tanteraka, @ maha fototra azy raha any no vendrana tsisy raisina intsony, mety tsy tonga any @ oniversite akory aza
51. fijo ( 13/02/2004 09:49)
ny fanjakana sisa no tsy mahatsapa an'izany.
52. pitchou ( 16/02/2004 14:25)
sady manjary mahamenatra rehefa tonga eny @ université! ny sasany izany diso narefo loatra ny taty @ fanabeazana fototra ka tonga eny @ oniversite ihany d tsy azo mihitsy izay tiany ambara ao @ fanadinana!
53. fijo ( 19/02/2004 09:43)
maro mihintsy ny voan'io tao.
54. ari.malala ( 19/02/2004 11:44)
cas efa niseho t@ sekoly iray nianarako fahiny, hita b hoe tara b t@ le bandy ilay prof de francais, ary tena asehony moa, d nanao exercice ary hoe mitadiava phrasy misy tellement..... que (expression de conséquence angamba) d hozy le bandy tsy taitra, vous êtes tellement belle que je suis tombé amoureux de vous. Iza no diso? ts'ilay prof ve? marina fa @ maha olona misy ny sentiment ary ny fitiavana tsy misy taona, fa na izany aza tsy hay ve ny manafina an'io fa dia atao hita miharihary eny! fa tsy nisy suite ny satria tsy nikorapaka ilay bandy.
55. fijo ( 20/02/2004 11:09)
teny ankatso io dia efa niainako koa.fa tsy niaraka izahay,satria samy nisaina ny aty aoriana.
56. rasta ( 20/02/2004 17:36)
Raha ny amiko indray dia izao no fandraisako azy. Ny fitiavana anie ka voa-janahary ee. Mipoitra ho azy io amin'ny lera tokony hipotrany. Sendra ilay prof na ilay piantra ary ve no niantefan'ilay fitiavany dia ahoana. Anjaran'izy ireo ihany no mamakafaka hoe afaka miaraka ve sa tsia. Marina fa anjaran'ny mpampianatra ny manabe saingy tsy voafetra io. Sao kosa ary maba io olona iray io mihitsy no lasa vadiny any aoriana any; raha ohatra kosa mbola tsy manambady ilay prof an. Fahadisoana be kosa raha manambady ialy prof nefa mbola miaraka amin'ny mpianatra. Na ny mifamadika amin'izay.
57. pitchou ( 20/02/2004 14:41)
fa izao ange rasta e! raha miaraka @ mpianany ilay prof, ahoana no fomba hanajan'ny mpianatra hafa azy intsony? dia ahoana no ahafahany mampianatra ara-dalana satria na tiana na tsy tiana tsy maintsy hiantefa eny à ilay olon-tiana foana ny maso? efa nisy otran'io t@nay nianatra, tsy hoe niaraka akory fa tena nanaovanay mpiara-mianatra combine mihitsy satria tsy nahavita intsony akory nanafina ny fitiavany ilay mpampianatra!
58. voninkazokely ( 27/03/2004 13:10)
Ramose moa namako ô,
Ramose ankamako ô,
Rehefa tonga ny interro,
Dia aza atao zero zero.
Mety misy avantage ihany an!
59. kouala ( 25/06/2004 08:19)
Ka lé fitiavana zany tsisy taonany e ! Atao akory raha babon'ilay mpianatra ary le prof e ? Normal raha tsy mandeha amin'izay ny fianarana ka lé prof aza rendrika kouh !!!!
60. xxx ( 01/08/2004 22:35)
amiko tsy de misy olana loatra raha samy mbola tsy manambady sy tena mifankatia ry zareo, fiainana daholo nge zany e
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2026