Prof miaraka @ mpianatra

1. xxx ( 29/12/2003 16:29)
Mety ve araka ny hevitrareo raha misipa @ mpianany ny mpampianatra iray ( na lahy io na vavy ).Ny ankizy ankehitriny manko ohatrany manao provocation @ mpampianatra izany .
novalian'i ludo ny 13/08/2004 22:40
2. fijo ( 29/12/2003 19:53)
ny mpampianatra dia olona natao hisaina,sy hanintsy.ka raha izy indray no misary vendrana dia loza no hiseo.raha manao provocation araka ny nolazainao ny ankizy,dia ianao no manitsia azy.asanao izany.
3. kalt ( 30/12/2003 18:34)
Marina izany fa olana ho an'ny mpampianatra marina izy io.Na dia miezaka ny hifehy tena aza ny prof dia tsy afa manôtra ny zavatra ataon'ny sipa kely.Lasa manao ny tsy fanao mihitsy aza.
4. donemaskit ( 01/01/2004 11:44)
Lay izy marina tsy dia tena ilay prof loatra no hoe mambam-b... fa ny sipa no efa tsy ampy fialam-boly.
5. isrine ( 02/01/2004 18:02)
de ny sipa fona ve zany no heverinareo fa mamba e. Ny fahita matetika de toa ny prof lehilahy no mikoty sipakely, de le sipa kely kou mba te- hiavaka @ namany de mandeha tsara mitsy.
Fa efa nisy ity an, le bandy mitsy no nikoty ilay prof vehivavy, de toa ilay vehivavy indray no niditra amponja. Zany hoe omena tsiny fona ny vehivavy na inona miseho na inona. Raharaha ny fiainana e! Asa na fomba fijery manao ahoana loatra ny anareo lehilahy reo?
6. donemaskit ( 02/01/2004 19:09)
Détournement de mineur no nampigadra an'iny vehivavy iny fa tsy @ mahavehivavy azy akory...
Ito aloha dia marina : ny rangahy be mpanadala, fa ny vehivavy manaiky adalainy no tena mampalahelo.
7. doris ( 03/01/2004 09:03)
Manahoana e!
Tsara zany adihevitra zany an.
Zaho koa naheno an'io tantarainareo eo io, fa toa ilay bandy no nanao provocation an'ilay prof: nolazainy fa marary izy sns... ary matoa ilay bandy nijoro tam heviny hatram farany dia midika fa izy no nahatonga ny loza. fa ianareo lehilahy no ratsy fijery satria ve ilay prof be taona noho ilay bandy de izay no nanaovana azy? Fitiavana toy ny fitiavana rehetra izay, ary tsy mbola nisy mihitsy vehivavy nanery lehilahy zany !
Raha ny hevitro am io sujet io dia, mety izay atao rehetra, fa fitiavana no zavadehibe.
8. donemaskit ( 03/01/2004 09:31)
Doris a, c la justice américaine (tany USA ilay tantara raha tsy diso) qui a décidé... Izaho tsy nilaza mihitsy hoe rariny ilay izy : ilay ramatoa aza bevohoka avy eo.
Tsy misy lehilahy tsy mikaoty sipa nge e, na mpianatra na mpampianatra, fa mba anjaran'ilay vehivavy kaotiana no mailo.
Raha misy fitiavana : pas de problème, tant mieux!
9. xxx ( 06/01/2004 09:21)
Prof ny tenako mitondra hevitra eto izao :Tsy mahamenatra ary tsy mampitahotra ny ankizy ankehitriny ny mitory fitia @ mpampianatra.Raha olona nianatra Pédagogie anefa ilay Prof dia tsy tokony hiaraka @ mpianatra mihitsy na dia teren'ny zava misy aza (ataovy ohatran'ny zandry izy ireny ).
10. pitchou ( 06/01/2004 11:01)
izaho aloha dia mandiso tanteraka izay mpampianatra miaraka @ mpianatra e! satria araka ny tenin'i Fijo natao hampianatra sy hanitsy izay tsy mety ataon'ny mpianatra ny mpampianatra ! tsy excuse mihitsy izany hoe ilay mpianatra no nikaoty na lahy io na vavy! fitondra tokony ho sahala @ raiamandreny sy zanaka amiko no tokony ho eo @ mpampianatra sy mpianatra!
11. isrine ( 06/01/2004 18:26)
salut
mbola tsy sendra ny tinareo tokoa ianareo ka be filaza.
12. ikaretsaka ( 06/01/2004 19:40)
mbola ho ho avy koa ny mampianatra efa ho retraite hokotian'ny bandikely T5 fa aza taitra!
13. fijo ( 08/01/2004 11:22)
ny mpampianatra amiko,dia hoatra eo amin'ny fiarahamonina.ka tokony hampiseo fahamatorana izy,fa tsy vao misy misary adala dia lasa adala koa.donemaskita.taty france io bandy nikoty mpampianatra io no niso.ary diso ilay mpampianatra stria mbola kely ilay bandy.
14. kally ( 08/01/2004 16:50)
Dia diso ve aho izany raha ohatra ka mpampianatra ahy teny Ankatso ohatra no lasa vadiko? lol!
15. donemaskit ( 08/01/2004 19:56)
ie bedy Kally zao! lol
16. fijo ( 09/01/2004 09:04)
raha aty aoriana aloha,tsy misy olana,fa raha mbola mpianatra ao an dakilasy no hiarahana.mba mila fisainana hiany ka.
17. donemaskit ( 09/01/2004 09:13)
Ekeko ny hevitr'i Fijo : raha mbola primaire, collège sy lycée dia tsy mety... fa raha any @ fac enao : efa samy olon-dehibe zany.
18. ikaretsaka ( 09/01/2004 19:23)
ary raha ohatra hoe bandy vao nahavita fac lasa mpampianatra no sipana kala terminale?
19. donemaskit ( 09/01/2004 10:50)
Ny tena olana nge ilay hoe mampianatra an'ilay sipa lay bandy e... sa tsy zany?

Raha sipa terminale ve, kôfa any @ unif... tsy dia koi zany!
20. donemaskit ( 10/01/2004 14:11)
Sao aloha dia misy olona efa niaraka t@ prof-ny ato e? Tsara ngamba raha manao témoignage kely...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1644