marika ahafantarana

1. fijo ( 27/12/2003 10:08)
tratry ny krismasy rahery a.
izao no mba tiako lazaina e.mba tsy handaniana fotoana be,indrindra hoan'ny any mada,satria lafo ny fifandraisana any.maninona kay,raha hasiana marika ahafantarana,izay nisy valiny vaovao.hoatra,raha namaly tao amin'ny diaspora aho,dia mahita izay miditra ao amin'ny forum hoe,nisy hevitra tonga ao,ka aleo jerena.asa,hasiana soratra hoe "new"miloko hafa.
ny antony mantsy rahery dia izao.raha tsy dia misy fotoana firy izay mihiditra ato,dia izay mahazatra ihany no vonjeny voalohany,dia ny (resa dehilahy,vehivavy ary ny fitiavana)dia hadino matetika ireo topic hafa,nefa dia misy ady hevitra tsara tokoa.asa aloha fa soso kevitra io raha hanatsara zavatra.
novalian'i isrine ny 17/01/2004 09:24
2. fijo ( 27/12/2003 10:09)
jereo anie raha tsy efa ela daholo ny resaka farany ato nefa dia misy,ady hevitra tokony,trandrahana.
3. donemaskit ( 27/12/2003 18:41)
Marina mihitsy, tokony hatao loko hafa, na gras, na sary kely, ...
4. hery ( 27/12/2003 19:12)
Manahoana daholo,

Raha tsy diso aho dia mitranga ery amin'ny farany ery ny daty nametrahana ny hafatra farany rehetra.
Jereo angé ilay hoe ny lohahevitra rehetra e. Dia ao amin'ny Diaspora ohatra dia misy ny datin'ny hafatra farany. Etc...
Io daty io no tena ifaharana.
Fa na izany aza dia hojereko ihany io sosokevitra io rehefa manomboka miasa aho :)
Misaotra indray ary.
Hery
5. fijo ( 29/12/2003 19:51)
izaho rahery dia mijery io loha hevitra rehetra io,vao miditra,fa mino aho,fa tsy ny rehetra no manao toa izay,ka izay no tokony hisarihana azy amin'ny famantarana.asa anefa.
6. hery ( 01/01/2004 09:39)
Ataoko fa manao ohatr'izany daholo kah.
Ny fandehan'ny fidirana eto matetika dia voasarik'ilay ao amin'ny première page ao amin'ny namana. Dia mamaky an'iny.
Dia rehefa avy eo dia miverina aoa min'ny lohahevitra rehetra... dia mijery izay niova farany (ilay daty io) dia avy eo amin'izay miditra.
7. isrine ( 17/01/2004 09:24)
Salut!
Ry Fijo koa de be raha lazaina. Efa izay lazain'i Hery izay aby no ataon'ny olona mpamonjy forum eto. Fa rehefa tsy manana fotoana betsaka ny tena de toa izay manaitra ihany no aleha, io lazainao io ry Fijo.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3285