Tsy mifantoka @ fianarana

1. xxx ( 14/12/2003 12:47)
Fa maninona hoa ny ankizy @ izao fotoana izao no tsy mifantoka @ fianarana intsony ny sainy.Ohatrany lasa lamaody ny fandehanana any am-pianarana nefa tsy misy zavatra miditra ao anatin'ny saina akory.Toa herim-po very maina ny an'ny mpampianatra nefa izy ireo ihany no mahazo tsiny rehefa ratsy ny vokatra.
novalian'i booboo ny 30/06/2004 13:09
2. isrine ( 14/12/2003 16:47)
Akory e!
Taiza koa no nisy an'izany we lasa lamody ny fandehanana any ampianarana? miditra @ sain'ny mpianatra avokoa izay ampianarina ka! Ny mpampianatra anie mahazo tsiny fona na dia 1 monja aza no tsy mahay e.
3. kally ( 17/12/2003 15:19)
Misy ny ankizy mifantoka amin'izany,tsy vitsy koa ny tsy te-hahalala nefa tsy azo lazaina hoe ny ankizy rehetra amin'izao fotoana izao no tsy mifantoka @ fianarana.Ny hanomezako tsiny ny ankizy matetika angamba dia ry zareo tsy manara-baovao loatra ka tsy mahalala izay zva-miseho eto amin'ny firenena,vitsy ny ankizy no mahavaly raha mba iresahano olana ara-toe-karena na ara-pôlitika.
4. isrine ( 18/12/2003 19:15)
Ary ny fanaovana lamody mankany ampianarana no tena tsy mampifantoka ny ankizy @ fianarana, satria tsy izy mipozy ihany no olana fa ireo izay mpiara-mianatra aminy.
Ka ny RAD indray no tena fosotra raha toa ka tsy mahara-baovao ny ankizy, fanabeazana avokoa izany, fa tsy de tokony ho ny mpampianatra irery no omena tsiny rehefa tsy mety ny fandehanjavatra!
5. tonah ( 19/12/2003 17:35)
Ka mankaleo hono ilay mibosse eh!
Eky hoa izanhay sa dia mahay mampianantse.
6. tonah ( 19/12/2003 17:36)
Izahay boka majunga, Zay dhe sa dia mahazo teny merina firy eh!
7. kally ( 19/12/2003 10:02)
Ka na hiezaka ohatry ny inona ary ny ray aman-dreny sy ny mpampianatra rehefa kamo velona ny ankizy dia izay e!akory ataonao?
Isika eto Madagasikara aza anie mbola azo lazaina fa mazoto sy hendry ny ankizy e!mbola manaiky ampanaovina akanjo mitovy ny ankamaroany ary io misy foana ny kamo misy foana ny hikiry..
8. rfanjav ( 19/12/2003 11:26)
fa @ ilay akanjo mitovy any an-tsekoly ihany, fa vao mivoaka ny toeram-pianarana d miala daholo ny "blouse" fa tsy hita ny pozy !

9. isrine ( 19/12/2003 12:32)
Ny fanabeazan'ny RAD ankehitriny mitsy no efa tsy ao e. Ohatry ny hoe ny zaza indray no hifehy ny RAD, de ny RAD manaraka satria milaza fa tiny ny zanany de tsy tiny hijaly fa aleo handeha @ izay tiny. Taiza no mbola nisy fiainana toy izao h@ zay. Tsy vitan'ny hoe mahita ny @ tv fotsiny ny nakizy fa mihevitra koa fa tsy misy ny lalana mifehy azireo, ary ny RAD no hitako fa diso satria tsy manafay ny zanany!
10. tsilan ( 06/01/2004 17:18)
Manana olana ny mpiantra mianatra ankehitriny satria tsy ny tena halalinan-tsainy no takiana aminy any ampianarana fa ny fahazoana ny dikan-teny ampianarina. Toa dondrona manoloana ny teny vahiny ny gasy toa anay tsy mampiasa afa tsy io teny io ao an-trano. Vokany mivoana ny hevitry ny ankizy. Tsy te-hampiasa saina hianatra intsony fa aleo mampiseho ny ara-batana. Rehefa tsy afaka mantsy ny saina dia ny vantana no ampiasaina. Tsy mahagaga raha misy mpianatra miaraka amin'ny mpampianatra ohatra mba ho afaka fanadinana. Betsaka raha ny any ambanivolo no voatery mijanona amin'ny fianarana noho ny fahasarotana amin'ny teny fampianarana. Tsy hain'i Dada sy i Neny ts'inona ny laizain'ny kahie-ko. Izahay dia an'isany.
11. fijo ( 08/01/2004 11:23)
ny fiaraha monina sy ny asa no maha tonga io hakamoana io.
12. pitchou ( 11/01/2004 19:41)
sao kosa ary tsy ny ankizy sy ny RAD ihany no diso fa ny mpampianatra koa? tsy dia ampy pédagogie na mampianatra satria karama, point barre? raha hain'ny mpampianatra ny misintona ny intérêt n'ny mpianatra d ho tian'ny ankizy ny manaraka ny cours-ny! porofon'izany: misy lakilasy tena tsy tana @ mpampianatra sasany nefa tsy mametraka olana mihtsy @ mpampianatra hafa!
13. donemaskit ( 11/01/2004 10:46)
Marina ihany ilay hoe tsy mahay misintona ny masontsain'ny mpianatra ny profs... fa ny hitako tena lesoka dia : ilay programa mihitsy no tsy manintona ny mpianatra. Tsy hitan'ny mpianatra tsara no tena hilaivana an'ilay fianarana : zany reactions chimiques zany, ny équations maths, ny lois physiques... Heveriny fa tsy misy dikany ilay izy, ka izay no mahakamo azy.
14. donemaskit ( 11/01/2004 10:47)
Anjaran'ny mpampianatra mialohan'ny rehetra ny manazava @ mpianany ny "intérêts" an'ilay cours, ilay matières, ilay formules, ...
15. ikaretsaka ( 12/01/2004 09:21)
Ilay systeme fampianarana kosa .. ny RAD sasany tratran\'ny systeme fanagasiana dia tsy mahay manazava @ ny zanany ny lesona amin\'ny teny Frantsay na ny mifamadika @ izay...
16. ikaretsaka ( 12/01/2004 09:29)
nanako problema mihitsy io t@ izaho nampianarin'ny zokinay fa izy zatra fampianarana fanagasiana ..za zatra fratsay ... tsy nifankahazo ny resaka!
17. donemaskit ( 16/01/2004 16:47)
Ka tsy formé ho an'izany koa nge ny Rad e, ny mpampianatra no efa voahofana @io adidy io. Anjarany no manintona ny sain'ny mpianatra, manazava araka ny QI-n'ny tsirairay...
18. kally ( 16/01/2004 17:40)
Ny mpampianatra iray ho an'ny mpianatra 30 eo ho eo matetika,tsy afaka handray ny mpianatra tsirairay ny mpampianatra,misy anjaran'ny ray aman-dreny koa ao raha tsy tiany ho taraiky ny zanany.Ny fampianarana mantsy ny ambany no asandratra fa tsy ny ambony no ahondrika.Ka mila manenjika izay taraiky fa ny mpmpnatra tsy afaka hanao hoe i anona tsy mahay dia ataoko amin'izay araky ny sain'i anona irery ny fampianarana.Izay araky ny sain'ny daholobe no tsy maintsy ataony.
19. fijo ( 27/01/2004 10:58)
tsy maintsy mifanampy ny roa tonta fa tsy azo avela irery amin'ny mpampianatra ny fanabeazana azy
20. miranto ( 16/03/2004 10:46)
ka io anie tsy ny RR na ny PROF no diso e! fa ilay ankizy no tsy ao intsony ohatra andeha hoa any ampianarana fa hampidera lamaody ao koa ny fanaovana sipa nefa tsy zakany atidoha ny fanaovana azy miaraka @ tanora io raha @ ankizy kely indray de tsy hain'ny rr intsony mampianatra azy satria ny zokiny efa ela no niala tany @ primaire , mianta be ilay zaza ka arahina daholo izay tiany atao
Ho any tanora de leo ny RR miteny lava ka aleony tsy miteny intsony fa miandry ny fahatsapatenany ankizy izy nefa ny ankizy tsy mety tonga saina tsy miankina @ namana koa ny tsy fahaizana fa manana ny lohany sy ny mokindohany ny ankizy rehetra ka adalany izay manaraka ny teneniny namany azy fa tokony manana ny heviny izy
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2819