FIDIRANA HO MPIKAMBANA " NAMANA "

1. djiulambout ( 11/12/2003 13:38)

MIARAHABA NY REHETRA
HITAKO OE TONGA NY FOTOANA IDIRANA @ LALINA E

- Ny fanontaniana apetraka amin ny namana ato @ site namana.serasera.org izay te hiditra ho mpikambana namana

1- solonarana ( tsy mahazo manao anonyme )
2- Mazoto ny hiditra ho mpikambana ve ianao raha eny vao manohy ny eo ambany
3- Raha eny afaka manome ny sosokevitra ve ianao hanatsarana sy hanitarana ny fikambanana
4- Azo fantarina ve hoe : inona no andrasanao na irinao ato @ fikambanana
5- soskevitra hafa raha misy


ka de manantena anareo hamaly,

ny tohiny tokony ho hitako eto zany dia

1- solon anarana
2 - na tsia de tsy misy tohiny intsony , na milaza ny antony de izay
- na eny de misy tohiny : 3 - 4 - 5


Manantena anareo handray anjara mavitrika satria izay no votoatin ity lohahevitra ato ity
TETIK ASA SY VINAVINA.

TSIKY ARAHAN ASA NO ILAINA

Djiul
novalian'i oully ny 20/04/2004 09:39
2. rfanjav ( 12/12/2003 12:26)
merci Djiul,
dia miandry ny soso-kevitra avy amintsika rehetra ary !
3. dd ( 14/12/2003 12:45)
Ohatr'izao ve ry djiul no andrasana?

1 - solon'anarana efa fantatrareo
2 - mazoto hiditra ho mpikambana na avy aty ampitan-dranomasina aza
3 - sosokevitra azoko aroso? manome hevitra anareo rehefa misy ilana izany. Na dia tsy naharaka akaiky ny fizotry ny tantara aza aho tao ho ao, noho ny asa amandraharaha.
4 - ny fifankahalalana bebe kokoa, firahalahiana anaty fitiava-namana, dia inona koa?
5 - miezaka mitondra ny anjarabiriky araka izay azoko atao.
4. eritreritra ( 09/01/2004 20:42)
Tsy azoko tsara fa arahako ny an'i dd...

1 - efa io ambony io
2 - efa mazoto hatramin'izay na dia tsy manam-potoana firy aza
3 - manome sosokevotra aho refa mahita fa mety jo an'ny rehetra
4 - araka ny maha namana.serasera azy d zay zany e!
5 - mbola tsy zao aloha, fa mitsiky foana :)
5. aladin ( 22/02/2004 09:19)
Dia ity koa izany ny ahy na di somary vaovao aza aho
1-misoratra eo
2-mazoto tokoa ary ny fotoana tsy ferana
3-tsy hisalasala raha vao mahita hevitra mety ahasoa
4-Ny iriko eto @ fikambanana?fifaneraserana,fivelarana ary fialamboly
5-alefako miandalana
6. oully ( 20/04/2004 09:39)
Efa nijerijery zà vao nahita an'ity lohahevitra ity fa mialatsiny raha mijapy train.
Hiditra ho mpikambana ahoana moa izany? Fa ny fidirana ho namana tsotra (fananana compte) moa ve tsy mahampikambana sa ahoana? Sa ve ho anareo any Dago ihany izy ity?
Mba hazavao hoe ry Jhoul ah .....
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2622