Mba ho iray

1. hery ( 11/12/2003 19:46)
Sady misalasala aho isaky ny hanoratra resaka momba ny firaisam-pinoana satria vavaka nataon'i Jesoa mihitsy ny hoe "Mba ho iray ihany izy rehetra". Misy anefa ny mpino sasany, izay tsy omena tsiny, manitrikitrika mhiitsy fa tsy mila an'izany firaisam-pinoana izany.
Marina fa tsy ho mpino mitovy daholo akory ny olona rehetra fa na izany aza dia misy antony ihany i Jesoa matoa nivavaka ho an'io firaisan'ireo rehetra manaraka azy ireo.
Koa na tsy hanao ezaka ho an'ny firaisam-pinoana sy ho fiombonan'ny mpino aza dia hoy aho hoe miaraha mivavaka amin'i Jesoa hoe "Mba ho iray ihany izahay rehetra".
novalian'i besoiiin ny 23/01/2004 19:32
2. rfanjav ( 12/12/2003 20:23)
Ilay firaisam-pinoana toa zavatra dradradradraina fotsiny, fa za mahita hoe ohatra ny vao maika misaratsaraka ny fiangonana @ izao, miforona daholo izao karazana fiangonana rehetra izao ! raha tsy hijery hafa-tsy ny cas-n'ny fjkm sy ny antaninanandrano fotsiny !
3. rjmahel ( 12/12/2003 09:18)
Ny hahatongavan'ny Fiangonana ho iray aloha dia toa ho nofinofy ihany. Ho sarotra ny hanantena hoe hiverina toy ny tany am-piandohana. Ny irariana dia ny hisian'ny fiombonana.Eto no tokony hiainga ny ady hevitra.
4. isrine ( 12/12/2003 18:52)
Ny hiraisan'ny fiangonana indray de tsy hisy ntsony e!
5. kally ( 13/12/2003 20:08)
Io dia mbola taratra foana hahitana fa "olombelona"daholo ihany ny ao am-piangonana ao fa tsy anjely,rehefa tanteraka tokoa izany hoe firaisam-pinoana 100% izany dia paradisa ny eto an-tany,nefa jereo koa na izanya za misy ny mihataka,misy kosa ny mihamantona ka aza kivy fa ny finoanao no tano mafy.
6. hery ( 13/12/2003 20:40)
Ka ny olana amin'ilay izy dia tsy mitovy ny dikan'ilay hoe firaisam-pinoana.
Ny firaisam-pinoana ange tsy hoe hiverina amin'ny tany amboalohany akory e. Na hoe ho lasa fiangonana iray indray. Iny dia nofy ny hisiany satria efa nisy ny fisarahana. Fa ny andrandraina, mba tsy ho vavaka fahatany fotsiny ny nataon'i Jesoa hoe "Mba ho iray io" dia ny firaisana ao anatin'ny fahasamihafana.

Azo atao tsara mihitsy no miombona sy miray ao anatin'ny fahasamihafana. Alaivo sary tahaka ny Vondrona Eoropeana fotsiny (ohatra bontolo)... izay samihafa be mihitsy fa miezaka mivondrona. Dia toa izany ihany koa no ieritreretako ny hoe "Mba ho iray"
7. ikaretsaka ( 14/12/2003 12:21)
mba ho iray koa ny jiosy sy ny arabo eee na tsy mino an'i jesoa aza ry zalahy
8. isrine ( 14/12/2003 17:05)
Ny jiosy anie ka arabo e, ary ny arabo tsy voatery hoe tsy mino an'i Jesoa. Ny arabo, toy ny gasy ihany, misy ny katolika, protestanta... musulman (tena maro an'isa)
9. rjmahel ( 14/12/2003 19:46)
Izay anie ho'aho no nambarako hoe eto amin'ity fiombonana ity no tokony hiainga ny ady hevitra e. tsy hisy intsopny mantsy ny toy ny tany am-boalohany. Tsy azo eritreretina fotsiny fa azo iainana mihitsy io fiombonana ao anatin'ny fahasamihafana io. Heveriko fa ny fanetren-tena dia toetra iray azo ambara ho sarobidy ho amin'io dingana ho amin'ny fiombonana io.
10. fijo ( 16/12/2003 11:05)
samia mino izay tiany dia vita,fa lasa korontana indray io.samy tombotsoa no tadiavina ao.
11. kally ( 22/12/2003 16:09)
Ka io tokoa ny ao am-pon'ny tsirairay no tena mitondra azy,ka na hiray finoana ohatry ny inona aza nefa ny ao am-po maizina,ho zava-poana ihany.Ary rehefa mahay mifanaja sy mifankatia dia azo atao hoe iray finoana.
12. fijo ( 23/12/2003 12:49)
andao hiray ary e.sady tsara io.
13. donemaskit ( 04/01/2004 12:56)
ity Fijo ty tena...!
14. donemaskit ( 04/01/2004 13:00)
Ilay "mba ho iray" an'i Jeso amiko tsy midika hoe samy Jiosy daholo, na samy Katolika sns. Ny voalohany tian'i Jeso nampitaina dia ny "fifankatiavana", izay no mitondra ahy hilaza hoe tokony ho 1 ao @ fitiavana ny olombelona rehetra, na eo aza ny tsy fitoviana rehetra.
15. dimbya ( 04/01/2004 16:16)
Izaho indray dia miainga @ ilay ao amin'ny Jaona 13:34-35 hoe raha mifankatia ianareo dia ho hitan'ny olona fa mpianatro tokoa. Ary ny taratasy nataon'i Jaona dia manamafy io fifankatiavana io.

Amiko tsy ilaina ny firaisana raha tsy misy fifankatiavana aloha. Ary ny firaisana ampo no antsonin'i Jesoa amin'ny hoe mba ho iray ihany izy rehetra.

Tsy maintsy misy ny fandrosoana amin'ny toepanahy araka an'Andrimanitra. Izany dia mitarika amin'ny fitaran'ny asa sy ny fitomboan'ny mpiandraikitra. Izany dia miteraka fiangonana vaovao na fiangonana hafa. Tsy ny fisian'ny fiangonana samihafa no olana fa ny fifankatiavana. Fa azon'ny olona samihafa fotopinoana no miara mivavaka na miara mihangona amin'ny fotoandehibe, rehefa tsy miady izy. Ary izany no tian'i Tompo amintsika. Toy ny olona iray tampo ihany e! zarazarain'ny tokantrano samihafa nefa dia faly ery rehefa tafahoana ary mifanohina hatrany.
16. donemaskit ( 04/01/2004 17:22)
....ny fifankatiavan'ny rehetra tokoa no tena mampiray.
17. pitchou ( 10/01/2004 11:58)
amiko rehefa samy tonga saina hoe mitovy ny hivavahana izany hoe mitovy ny finoana fa ny fombafomba fanao fotsiny no samihafa (sahala @ hoe ny sasany teny latina no ampiasaina, ny sasany teny sinoa) dia mety io! fa raha mbola misy miseho azy ho manana ny marina manizingizina fa ilay lakroa vita kininina no tena izy, ilay batisa ao anaty piscine no tena batisa, ilay divay "vins des bons pères" ihany no tena ran'i Jesoa, dia tsy hisy akory izany firaisam-pinoana izany!
18. ravatorano ( 12/01/2004 11:12)
Tsy mampino zà zany finoana na fiangoana ho iray zany.
"Toy ny fidiran'ny rameva amin'ny vodim-panjaitra izany"
Zao aza ny samy fjkm mipatitaka, nefa dé Jesosy iray ihany no antsoina,fihrana iray ihany no atao,lotirzia iray ihan no harahina !
Ka ahoannn ary no hampiray an'ny sasany amin'iany
Norimalllly zay kama ah !
19. besoiiin ( 23/01/2004 19:32)
amiko dia sarotra ny hapiray ny finoana rehetra satria samy manana ny fitsipiny sy ny lalàny avokoa izy ireo! ny zavatra essentiel fotsiny dia ny mba hahatonga ny olona rehetra ho eo ankavanan'Andriamanitra Ray tsy toha! ka azahoany ny fiainana mandrakizay! lalantokana ihany anefa no azahoana izany dia i Jesosy Kristy! ka inona no olana?? miezaka manaradia sy manoha Azy dia tafita fa tsy hanala andro @ adilahy sy fandresendahatra hoe ny anay no tsara na ny hoe ny anareo ratsy ka ity no tokony arahan'ny fiangonana rehetra mba hapiray azy!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2039