rehefa ho faty?

1. xxx ( 08/12/2003 19:59)
Marina ry reto fa kristianina aho,fa saingy izao asa ianareo raha mitovy hevitra amiko;fa raha mahatsiaro ireo havako tena akaiky maty aho de toy ny miheritreritra hoe!inona marina moa no any an-danitra any;ary toa tsisy dikany ny fiainana tsara sy ny ratsy natao taty;de tsy hitako izay atao indraindray"masina loatra tssssss;mpanota loatra tsssssss "dia tsy hita intsony izay atao,marina fa ao @ Jesosy irery ihany no lalam-piainana nefa toa feno ota lotra le tany dia tsy maintsy lavo amin'ny ota foana indraindray,de tsy hita izay atao;dia le olona koa toa miha ratsy daholy ko,asa raha mba isy ho tonga any an-danitra any isika ity.
novalian'i lemurkata ny 22/01/2004 20:09
2. xxx ( 09/12/2003 20:57)
tsy tokony hiadiana hevitra ny momba ny fahafatesana,tsy misy mahalala izany raha mbola olom-belona fa atao izay hifandraisana @ilay Tompontsika dia Izy no afaka manazava sy mamboatra ny fo sy sain'olom-belona araka ny sitrapony,fa tena tia antsika ny Tompo e??!! ny tsara koa dia tsy mijery ny ataon'ny hafa zany mintsy rehefa manao fanompoana ny Tompo izay bitsika ao @ fonao sy ny sainao atao.ny Tompo hitahy antsika rehetra hatrany,
3. fijo ( 09/12/2003 12:03)
dia aza mandany andro mivavaka izany fa fenoy hafaliana aloha ny fiainanao eto an-tany,dia ho hita eo indray ny apres.
4. isrine ( 09/12/2003 19:38)
Salut!
De mivavaha mafy ary rehefa matahotra ho faty e! Fa ny ahy dia miaina ny androany ihany, ny ampitso, mbola resaka hafa indray!
5. rfanjav ( 09/12/2003 20:05)
Tano mafy ny finoanao fa aza mety ahodinkodin'ny olona sy izay toetran'ny manodidina anao !

Eritrereto fotsiny ny ohabolana hoe : "tanora mamboly hazo, manan-kialofana rehefa antitra",

fijo : ka ianao efa tsy mino, ka inona intsony ilay après?!!!


6. fijo ( 10/12/2003 20:40)
ka izay ka,raha misy izy dia ho hita eo,fa ny androany aloha no important.
7. xxx ( 10/12/2003 17:53)
xxxxxx > Voasoratra hoe "Maro no antsoina, fa vitsy no hovonjena"
Rehefa mandinika hoatranao aho dia mahita fa mpanota tokoa isika, fikasana ny hanao ny tsara, fa ny ratsy izay tsy sitraka no tanteraka ! Mety ho fomba fitehirizana antsika hivavaka foana koa izay, satria raha efa parfait ve isika haninona hivavaka intsony ? Sady tsy mazoto mivavaka intsony koa rehefa mba metimety e !
8. mity ( 10/12/2003 09:14)
Za alou de tsy te hahafantatra ze aorian'ny fahafatesana fa kosa mba miezaka isan'andro mba hanana fisainana sy fihetsika mendrika sy madio. de aoka izy ao ambony no hitsara rehefa avy eo hoe alainy any andanitra za sa alefany any @ afobe
9. mahaizamifidy ( 10/12/2003 09:44)
Zaho ko ohatran i mity saingy ny ahy ny fiainako ihany dia efa hitako mitsara ahy rehefa manao ny tsy mety aho.fa aza matahotra ianao fa tsy alefany any @ afobe izany,aiza ity afobe handefasany anao?,sady tsy niteny koa izy hoe:handeha aho hanaboatra afobe.
10. fijo ( 11/12/2003 10:46)
marina daholo izany.
11. rfanjav ( 12/12/2003 20:30)
mazotoa ary miezaka manao izay hahatsara ny fiainany e,

ianareo efa tsy te hino ny fisian'ny lanitra sy afobe rahateo !
12. isrine ( 12/12/2003 18:54)
Ny ahy ny afobe efa nanomboka teto antany de angamba tsy hahita afobe zany tsony za, sady tsy matahotra afobe za e, efa fantatro fa mendrika ahy le izy raha toa ka mety hisy.
13. xxx ( 14/12/2003 16:07)
Izaho no nanokatra ny resaka,hoe nametraka ilay fanontaniana;ho an'ireo izay mino mitovy amiko dia misaotra fa marina ny hoe ny finoanao no tano,ary tsy hijery ny hafa intsony aho;ary ho an'ireo izay tsy mino dia izao kosa;n'inona n'inona ry reto no ataonareo dia misy feo 2 ao anatintsika tsirairay avy ny hanao ny tsara na hanao ny ratsy;izany no milaza fa misy Andriamanitra,ary matoa misy ny ratsy eto an-tany dia misy koa ny tsara izany,dia izany tsara izany (Andriamanitra ) izy irery ihany no handresena ilay ratsy;KA MINOA IHANY E!sao dia hanenenana,mazotoa daholy,raha mbola tsy tonga eo aminareo io feo roa io dia,raiso i Jesosy dia izy no hitari-dalana anao hanoro io lalana tsara io,ary hananatra anao;bisous daholy an!ary misaotra betsaka.
14. isrine ( 14/12/2003 17:08)
Mbola andeha hitady an'i Jesosy indray zany kou, asa na aiza no mety ahitako azy.
15. fijo ( 16/12/2003 11:06)
ny ahy afobe sosialista.dia mora krizy kitay,dia maty ny afo.
16. isrine ( 16/12/2003 19:29)
hahaha.........
17. fijo ( 17/12/2003 11:48)
marina io an.dia miverina et an-tany indray aho mirevy be.
18. mity ( 17/12/2003 11:52)
Hey ary possible tokoa anie ve we rehefa maty isika de lasa mifindra any @ planeta hafa indray ny fanahintsika de lasa teraka ohatran'ny zazakely de mihalehibe de antitra sns.... ohatran'ny tsara zany an!!!
19. mahaizamifidy ( 17/12/2003 16:11)
Tsy mahasosotra kosa raha izany kah.ary mety ho izany mihitsy sady tsy vitany hoe:mifindra any @planeta hafa fa miakatra grady ihany koa na midina arakakarak izay vitanao tety e!.izay mbola tsy fahafantarako izay no mbola tsy hinoako an Andriamanitra hoe:any an-danitra any izy raha eto an-tany dia mino aho fa fitia izy,za mantsy sarotra ny mandainga fa mbola tsy nalahelo an Andriamanitra izany aho fa i Dada sy i Neny foana dia ireo izay tena akaiky ahy indrindra,
Ireo voatonoko ireo izany no Andriamanitro raha amiko satria tiako izireo,fa raha manaiky ianareo hoe:fitiavana andriamanitra fa tsy any an-danitra dia avy aminy fitiavana daholo isika.
20. fijo ( 18/12/2003 20:41)
hita fa vokatry ny fitiavana isika ko.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.8122