Ny ankizy sy ny fananahana

1. hery ( 06/12/2003 15:09)
Manomboka sahirana ny ray amandreny sy ny mpanabe amin'ny firesahana ny momba ny fananahana (sexe) amin'ny ankizy. Lasa aloha loatra ny hitany amin'ny namany sy amin'ny télé. Sao dia tokony hatomboka alohaloha kokoa ny firesahan'ny ray amandreny Malagasy resaka sexe amin'ny zanany. Amin'izay mba tsy amin'ny olona hafa ny ankizy no mianatra an'izany fa mba amin'ny olona azony itokisana toy ny rainy na ny reniny.
novalian'i kouala ny 25/06/2004 07:39
2. isrine ( 07/12/2003 10:12)
Marina mihitsy zany e.
3. mbitrika ( 07/12/2003 12:13)
tokony handray andraikitra ny fikambanana samihafa indrindra ny ara-piangonana satria isan'ny tontolo mamolavola ny maha olona ny ankizy ireny. Sa ahoana hoy ianao?
4. isrine ( 07/12/2003 14:22)
De heverin'i Mbitrika fa ho sahy hiresaka sexe ve ireny fikambanana ara-piangonana ireny, araka ny tenin'i Hery io no tena mety, ny RAD no manao azy alohaloha kokoa. Ary vonona ny hamaly ny zanany @ resaka sexe ny RAD, fa tsy hanao toy ny mompera miala pa we: misy tery izany ry zanako!
5. rfanjav ( 09/12/2003 19:40)
Marina izany, fa misy koa anie ny ankizy mihitsy no tsy sahy miresaka mivantana @ RAR-ny e!

eo ihany ilay elanelan-taona dia menamenatra indraindray! dia eo koa ny fahatahorana hoe "sao dia bedy!"

Tsy efa henonareo ilay fiteny hoe "ce sont toujours les parents les derniers à savoir ... "
(ny RAR no ilazana vaovao na zava-mihatra farany indrindra)

Fa za indray mahita hoe raha misy an'ireny zokivavy na nenitoa tanora ireny dia ireny no mba miezaka miresaka @ ankizivavy !

mba hafahafa kokoa izy @ izay !
6. xxx ( 09/12/2003 20:22)
marina izany tokony hatomboka aloha ny firesahana ny ankizy satria tsika gasy dia zao lazaina fa mbola fermer be mihintsy mbola limitena ny zavatra resahina amiko aloha dia tsy tokony ohatra izay intsony satria vao maika manaonao foana ny ankizy satria tsy misy nampianatra fa hitany @ tv sy ny boky dia ampihariny fotsiny rehefa avy eo .Matoa ny ankizy tsy miteny @ RAR-NYdia ilay fitaizana mihintsy hoy aho no fermer ka matahotra izy na ny hiteny izany aza marina ny any rfanjay
7. isrine ( 09/12/2003 13:47)
Raha toa ka ny RAD no tsy misalasala @ zanany @ io resaka sexe io dia hisosa ny fiainana. Ny RAD mihitsy anie no mihevitra fa resak'olondehibe ny sexe e, hany ka na hilaza ohatra fa "manao firaisana" dia atao hoe "miara-matory", nefa zavatra 2 samy hafa izay, izay teny izay anefa dia efa endriky ny henatra miala avy @ RAD.
Misy mahamarina azy ny an'i Fanjav hoe ny nenitoa tanora na ny zokivavy no hiresaka @ ankizivavy, fa @ fomba ahona raha toa ka mifananlavitra ny toerana ipetrahana? Dia tsy maintsy ho ny RAD ihany no eo isan'andro e!
8. doris ( 03/01/2004 09:07)
Manahoana!
Ny rad no tokony hanao ezaka indrindra am izao fotoana izao, amin'io resaka sexe io. Variana loatra am fiainana koa manko ny rad ka toa hadino io resaka 1 io, ary heverin'ny rad fa mbola toy ny taloha foana ny fiainana. Ary am izao fotoana izao efa tsy tokony hisy zavatra mahamenatra intsony, ka rehefa tsy misy ny fotoana hiresahana, raha toa ka izay no mety olana , dia rehefa eo ampisakafoanana no miresaka azy.
Mety ho azo atao ny manankina io resaka io am fikambanana na olonkafa, fa ny rad no lohalaharana ary izy no mahay miresaka am zanany sns.
9. tsilan ( 06/01/2004 17:35)
Ny firesahana ny fananahana dia miankina amin'ny faritra. Hitako hoe tokony hianatra ny any amin'ny faritr'andrefana sy ny atsimo ary ny avaratra ihany isika eto afovoan-tany amin'ny lafiny sasany. Tsaroana mantsy fa rehefa tany amin'ireo faritra ireo dia toa mihena ho azy ny filana satria dia mifankahita miboridana isan-kariva rehefa mandro. Ny savatsa ohatra izay fety fisantarana ny fahadangiran'ny filahin'ny zazalahy any Anosy dia azo vohizina tsara amin'ny fampianarana mikasika ny fananahana sy ny fitondran-tena Izay fa tratry ny taona daholo
10. fijo ( 08/01/2004 11:28)
marina izany ry hery,ary tsy ny ankizy no andrasana hitarika ny resaka,fa ny ray amandreny no tokony hampiditra azy.
11. hendry ( 17/01/2004 12:42)
Ahoana kosa moa no hiresahan´i dadanay resaka sexe amiko??? vao mahita publicité momba ny kapaoty ary izy dia mivoaka ny efitra sady mimenomenona hoe: rehefa tsisy alefa koa ry zareo ao @ télé ao tsy mijanona. Vao mitantara zavatra momba ny sexe ny iray @ ao an-trano dia mitady lalana izy, na voabetroka avy hatrany zay mitarika ny resaka. Aiza re zany eeeeee
12. hendry ( 17/01/2004 12:45)
Zavatra iray hitako mahomby ohatra ny anaovan´ny fanjakana na fikambanana iray investissement dia mamokatra boky kely mirakitra ny fampianarana resaka fananahana. Tsy amidy io boky kely io fa zaraina maimaim-poana. Atao be sarisary mba hahazoan´ny tsy mahay mamaky teny azy.
13. isrine ( 12/03/2004 09:27)
izany hoe mbola hiandry ny fanjakana, nahoana raha tonga dia ny RAD no manao azy? zavatra voajanahary anie io e, ny tokony ho fantatry ny olona 1 rehefa manambady dia hiatrika ny zanany rehefa avy eo fa tsy hanankina @ olonkafa ny fanabeazana .
14. ikaretsaka ( 16/03/2004 14:15)
ka misy ray amandreny tery saina be anie ry hisrine e.. heveriny fa toy ny taloha ny ankehitriny.. avy eo gaga fa zazakely 8 taona mahay ny fika rehetra momba an'io firaisana io vao...
15. xxx ( 16/03/2004 10:36)
isika malagasy de mbola misy manana toetsaina mihidy .Amiko,.aloha tsy misy fady ny firesahana izany na de i dada na mama na ny zoky lahy na ny zandry lahy tsy aiko na ny fomba fitaizana anay no ahoana fa tsy misy olompady aminay ny firesahana izany ilaina ny firesahana @ ankizy mba tsy misy ny fahatahorana avy aminy sy fanafenany izany resaka izany @ nao satria ny olondehibe aza ohatra tsy mety resahina izany de za indray ve no andeha hiresaka izany aminy fa andeha handramako any fotsiny aloha izay fantatro avy eo inona ny vokany ny rr no tsy nanambara ny mety sy nt tsy mety
16. faribolana ( 04/05/2004 02:00)
Mampalahelo an!
Betsaka ny RR no malahelo raha tenenina hoe "ratsy taiza ny zanany", nefa mba jereo anie ity resaka ity e.
Amiko dia anjaran'ny RR no miresaka @ zanany ny momba an'io fa tsy tokony hiandry olon-kafa izy, satria matetika ny ankizy no be fanontaniana, ka any dia efa atomboka tsikelikely ny fahaizana miresaka sy mifandray aminy mba tsy hisian'ilay resaka hoe elanelan-taona. Tandremana koa anefa ny manampim-bava (mibedy, manodin-dresaka be...)ny ankizy satria manimba ny fivelaran-tsainy io sady mampiemotra ny fifandraisany aminao koa. Amiko dia ny RR no tokony hamaky boky hanita-tsaina hanoro ny zanany satria misy anie boky mampianatra ny fomba fanehoana sy famoahana hevitra e. Zanakao io ka ianao no tokony ho premier responsable!
17. booboo ( 07/05/2004 15:27)
Ankoatra ny Rad dé misy ny mpanabe isan-karazany koa satria tsy hijanona ao an-trano 24 h sur 24 tsinona ny ankizy ! Tokony hahely isaka ny fianarana ilay programmes SRA efa misy @ lycées sasany...
18. hendry ( 07/05/2004 16:51)
Isika aty aoriana no mahita fa tsy olana ho antsika ny miresaka fananahana @ rad na iray tampo fa ny taloha anie tsy mitovy @ zao e! Marina fa misy ny rad efa misokatra sy miresaka @ zanany momba ny fananahana saingy mbola vitsy, miankina be @ generation io. Ohatra fotsiny araky ny voalazako etsy ambony ny dadanay ohatra dia tsy mankasitraka an´zany, ny mamanay nefa mifanohitra aminy, mampianatra resaka fananahana. Ka tsisy azo omen-tsiny fa vokatry ny fitaizana sy ny vanim-potoana niainany io.
Na zany na tsy zany nefa dia manaiky aho fa ilaina ny fandraisan´ny rad anjara be @ fampianarana ny zanany momba ny fananahana saingy tsy omen-tsiny reo zay mbola tsy mahazaka an´zany.
19. kouala ( 25/06/2004 07:39)
Anjaran'ny tsirairay no mandinika fa toe-javatra tsy azo hodian-tsy hita io seho iray io. Satria efa azo lazaina fa manaraka ny fahalalahana sy ny fanatontoloana isika izao dia aoka ho olon'ny fifanankalozana ihany koa toa izao efa ataontsika izao. Tsy ho vato misakana intsony eo amin'ny mpianaka na fady na fahamenarana fa mba heverina izay ahasoa ireto tanora ho avintsika ireto fa tandindomin-doza izy ireo. Nefa kosa, iangaviana ny tanora mba tsy hanao tsinotsinona ireny RAD reny ka hilaza azy ho nilaozan'ny toetr'andro fa misy fiandohany daholo ny zava-drehetra. Voizo ny fahalalana ho amin'ny tsara ary tadidio fa zay mahakolokolo sy mahatandrina ihany no manana ny soa e.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1369