tsena sy fiangonana

1. ankoay ( 03/12/2003 12:23)
Dia tsy mahazo mivarotra intsony zany zao rehefa alahady ny andro fa mandeha any am-piangonana daholo amin'izay ve?. tsy azoko!!!
f'anagaha raha mpino aho dia tsy maintsy mankany am-piangonana ry tsy maintsy nanery ny hafa hanaraka ahy koa? aiza ho aiza ao amin'y baiboly no misy izany fa tsy hitako. andro fitsaharana ny andro hafa fito araka ny finoana inoako ekeko; fa izany akory tsy midika fa mitovy finoana amiko daholo ny olona rehetra, ary tsy azoko terena hitovy amiko izy rehetra!! sa?????
novalian'i fijo ny 28/01/2004 11:19
2. moi ( 03/12/2003 16:02)
Vao henoko fikasana fotsiny iny dia mba nahita koa aho fa tsy mety mihitsy ilay izy ! Tsy misy fanerena mihitsy ny fandehanana am-piangonana, indrindra raha ny fivavahana kristiana, fa tena malalaka ! Ny Tenin'Andriamanitra mampisafidy hoe "Fidionareo anio izay ho tompoinareo" ! Mazava mihitsy fa mahazo tsy mivavaka ny olona, fa tsy Andriamanitra izany manery izany.

Fa aza adino kosa, (sa hodiana tsy raisina,) fa safidy koa anie no napetraky ny fanjakana e, hoe mba hiangona, NA HIPETRAPETRAKA, (izany hoe hiala voly) ! Fa ilay resaka toa terena hiangona foana no voizin'ny maro !
3. isrine ( 03/12/2003 19:05)
Salut!
KA rehefa mpino anie dia tokony hivavaka e @ andro alahady e; io no andro voadidy ho hamasinina. Ianareo manao hoe mpino nefa zany mandika ny didin'Atra. Za tsy hampahatsiahy anareo mpino ny tokony atao angamba satria tsy mahalala ny toko sy ny nadininy ao @ baiboly.
Ary raha ny hoe resaka tsena, asa sns no asiana resaka. Afaka ny manatsahatra ny asanao anie enao na tsy alahady fa zon'ny mpiasa ny manana andro ialana sasatra. Ohatra misy ny miasa alahady fa mety congé ny andro hafa. Fa inoako fa safidiny manokana ny nandray ny asa miasa alahady, @ izay fotoana izay izy mety hivavaka samirery ao aminy fa tsy mankany ampiangonana.
Sady f'angaha moa mandany tapakandro iray manontolo ny fivavahana any ampiangonana no hoe hisy olana @ olona mivarotra alahady.
Zay ny fiainana miaraka @ finoana ry zareo a, manalasala. HAnaradalana enao, very fihinanana; tsy hanaradalana, manenjika anao ny eritreritrao!
4. fijo ( 04/12/2003 09:24)
marina fa hoe hiangona na hipetrapetraka,no kasaina momba io resaka alahady io,fa tsy misy antony hanafoanana ny tsena alahady mihintsy e.fanerena an-kolaka ny olona hiangona io.izay ilay lozan'ity fivavahanareo ity.
5. rfanjav ( 04/12/2003 17:24)
mahazo aina indray fijo marina moa !
6. fijo ( 05/12/2003 20:24)
ka ianao ary ve dia mahita fa rariny io hevitra io.avelao ny olona anao izay tiany fa tsy teriterena toa ny zazakely.na tsena na tsia rehefa tsy hiangona ny olona dia tsy mandeha.
7. kally ( 06/12/2003 10:49)
Andriamanitra aza mamela malalaka ny olona hanao izay tiany ka nahoana no hifaneritery?Raha tsy te-hiangona izy avelao ho eo,f'inona ary ty?
8. eli ( 07/12/2003 09:24)
tsy fanerena akory angamba ilay resaka fa de tte facon enao ra kristianina tsy mahatsapa tena ho voatery izany fa au contraire hitanao fa hilaina ilay miara mivavaka @ kristianina namanao satria hilaina ny miara mivavaka ankotrany fivavakao manokana any @ tokantranonao! matoa enao mahatsiaro voatery izany dia tsy tena hoe kristianina enao! raiso fotsiny hoe ao @ herinandro ve dia tsy ho hisy na andro iray aza tsy hiasanao? ny aty @ tany mandroso aza maka ny andro alahady ho andro hialana sasatra! dia ny tsiray² no mandray io andro io sy mandany azy comme ils le veulent! ny kristianina kosa mandray azy ho andro hiderana ny tompo!!!
9. mity ( 08/12/2003 09:19)

amiko alou tokony mba malalaka ny olona fa tsy azo forcena na atao amban'ny lalàna fotsiny hoe tsy mahazo mivarotra fa ndàna mivavaka e! kou maninona kou raha izany ka mamoaka lalàna de atao hoe mandoa lamandy ze tsy mivavaka alahady?? ary ny eto Madagacar kou anie tsy hoe catholique sy protestante ihany no eto e! aiza ho aiza @ zany ny advantista?? ny azy Sabotsy no andro fivavahany?? maninona raha mamoaka lalàna kounkou ny fanjakana hoe tsy mahazo mivarotra rizareo ny asabotsy??
Ny fanjakana izany anie raha ny tokony ho izy tokony laïc e!!! Za alou tena matahotra mihintsiny hoe sô de mba hivoana @ tsy tokony ho izy ary ty fanjakana eto amintsika inty, fa enga anie mba tsy ho izany fa vô mainka de tena mihemotra indray isika mianakavy kou!!!
10. mity ( 08/12/2003 09:25)
eli>raha tsy diso aho hivoaka hatao lalàna izy io, ny dikan'zany ze tsy manaraka an'io de voasazy. Ka asa alou na mbola tsy antery kou izany an ahoana e!!!
11. rfanjav ( 08/12/2003 13:45)
fa lalàna aiza aloha izany fa tsy arakay e?
12. isrine ( 09/12/2003 14:21)
Ka ao indrindra ny pb rehefa hoe kristianina. Zara aza nisy ny fanjakana mampahatsiahy an'ireo tsy mivavaka mba hivavaka @ andro alahady. Tsy manery ny olona akory ny fanajakana, fa mampahatsiahy fotsiny angamba hoe: "ianao izay milaza ho kristianina io, inona no tena mahakristianina anao?". Sitrany ahay manao toa ahy tsy mivavaka intsony.
Efao ny adidy @ maha-kristianina anao.
Toy ny RAD manao ny adidiny @ zanany: mamelona sy miahy!
13. fijo ( 10/12/2003 20:44)
tsy mbola lalana anie io ry rfanjav e,fa mbola vinavina.nefa dia tena mampatahotra raha mitoy.
14. mity ( 10/12/2003 09:05)
Tsy anjara asan'ny fanjakana mihintsiny amiko no tokony hampatsiahy ny olona ny fivavahana fa anjaran'ny FFKM na ny pasitera na ny mompera sns... ny zavatra ze lazain'ny fanjakana kou mantsy de tokony ho an'ny daholo be tsy ankanavaka, raha mamporisika ny olona hivavaka fotsiny izy mba mety ho azoazo ihany fa le hoe mamporisika ny olona hivavaka alahady no tsy mety satria tsy voatery ho andro alahady daholo akory ny fivavahan'ny olona rehetra. Sady ohatran'ny manao tsinontsinona ny fivavahana sasany kou anie zany e!!!
15. fijo ( 11/12/2003 10:47)
ka efa donto be ny lohany ka
16. isrine ( 14/12/2003 17:16)
Mity: zao no izy, satria tsy latsapaka ao @ mpino kristianina ny finoana an'Atra, hany ka tsy fantatry ny mpino ny tokony ataony. Marina fa tsy voatery ho ny andro alahady no ivavahana, fa betsaka ireo manaja ny andro sabatany! Fa ho an'ireo izay kristianina natao hivavaka alahady no tsy manaja ny andro voadidy ho hamasinina!
17. fijo ( 16/12/2003 11:15)
efa hitapy ny fivavahana ny ao amin'ny fitondrana ao.
18. ankoay ( 16/12/2003 13:03)
inoun ary ity integriste b ity ry.....mankarary ange io eh!!!
ny olona rehetra dia manana zo ny hanao izay tiany!!! sa tsy izany !! koa raha tsy te hiangona izy fa hivarotra d ahon zany!! ...lalina indray ity lalana ity marina an!!!
19. isrine ( 16/12/2003 19:28)
Ka izany no atao we mpino e!
20. fijo ( 17/12/2003 11:49)
minomino foana.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2837