Tatitry ny fihaonana 29/11/2003

1. hery ( 02/12/2003 18:50)
Manahoana daholo ny namana.

Tatitra avy tamin'i djiul momba ny fihaonan'ny namana tany Ambohijatovo.
Rehefa tonga ny sary dia ho hitanareo @ internet ity tatitra ity.

Misaotra an'izay rehetra tonga tao indrindra indrindra ny birao vonjimaika.
Hery
----------------


Vita soa amantsara ny fihaonana teny ambohijatovo ny 29/11/03 lasa teo izay nanomboka t@ 14h 30 ary tsy nisraka teo raha tsy efa t@ 16h 30.

TATITRY NY FIHAONANA :
- fifampiarahabana no voalohany
- fisaorana ny namana tonga avy @ i lucienr
- fifankahalalana nataon ny tsirairay : ps; anarana, asa atao , fonenana ary ny mombamomba ny tsirairay ( manambady sns )
- tatitra ny fivoriana teo aloha nataon i djiul
- famelabelarana ny votoiatin ity fivoriana ity.

ireo solonanaran'ny namana tonga :
- oupsy - madasuper - djiulambout - poupousy - rfanjav - lucienr - rmo - dio16 - lemota - voahirana - malemy - s.tinah - rafily - ykcaj - rdilan - deba - fabricendry - mcz - moara12 - douda ( naka ny horonantsary ) - herve_r - goldberg - sasa - sahsah - ckrys - beditra - eritreritra

Izy reo mou dia nanome ny anarany sy ny mombamomba azy fa tsy ho tanteriko eto satria fifankahalalana natao tany ary nifanarahan'izay tonga tao mba hifankahafantarana bebe kokoa

VOKATRY NY FIHAONANA:

- namana tonga : 27 (ny 2 tsy nanao fifidiana)
- Tafatsangana soamantsara " Ny fikambanana Namana ", ny 24 tamin ireo 25 tonga voalohany no nandany sy nanaiky ary vonona ho mpikambana
- TSY MANAO POLITIKA NY FIKAMBANANA.
- de natsangana ny birao vonjimaika aloha izay misy:
ny filoha vonjimaika Lucienr
ireo mpanolontsaina akaiky telo dia i Rfanjav, Voahirana ary Fabricenndry
ny mpitantsoratra djiul


Ny asan ny birao vonjimaika dia :
- handrindra sy hanolotra ary hanome sosokevitra momba ny "statut"n ny fikambanana izay hivoaka sy volavolaina avy amin ny valin'ny fametrahana kestionera
- Avy amin'izay kou no hamoahana ny fotokevitra sy slogan ary ny tanjon'ny fikambanana.
- Ny fanontaniana apetraka amin ny namana ato @ site namana.serasera.org izay te hiditra ho mpikambana namana

1- solonarana ( tsy mahazo manao anonyme )
2- Mazoto ny hiditra ho mpikambana ve ianao raha eny vao manohy ny eo ambany
3- Raha eny afaka manome ny sosokevitra ve ianao hanatsarana sy hanitarana ny fikambanana
4- Azo fantarina ve hoe : inona no andrasanao na irinao ato @ fikambanana
5- soskevitra hafa raha misy

- Hanomana ny fifidiana ny birao raikitra.
- Hanao ny tatitra rehetra zay vokatry ny fivoriana tsy arapotoana izay hatao tsy ho ela ( alarobia izao ao @ complexe etsy ampefiloha @ 10 h 45) satria nieritreritra hanao hetsika iray hampivondrona ny namana indray alohan ny faran ny taona ka ho ita eo aorian izay fivoriana izay, ireo birao no hanapaka azy de manao tatitra aty rehefa vita.

Nisy fakana sary taorian'ny fihaonana. Nisy ihany koa ny horonantsary nokarakarain'i Douda. Mbola ho hita daholo ny hilazana azy eto.
Dia mankalaza sy mirary soa ny rehetra e

Tsiky de ampy

Djiul
novalian'i fafah ny 17/12/2003 18:14
2. fijo ( 03/12/2003 20:53)
misaotra ny namana rehetra tonga ary dia mirary fahombiazana ho an'ny fikambanana izay hijoro.
3. kitjo ( 03/12/2003 19:54)
Zay v mbo tafiditsa anatin le fikambanana sa ze any Dago iany?
4. vitagasy ( 03/12/2003 20:50)
malalaka ny varavaran ny fikambanana kan, tsy tonga namana vao hihamavo ry kitjo.
nisy fivoriana anjoany de mbola ho hita eo satria efa noeritereretina io alohan ny faran ny taona io asiana hetsika iray

mirary soa ny rehetra e
tsiky no ilaina, lollll de mirana ny saina

Mankalaza

5. vitagasy ( 03/12/2003 09:07)
malalaka ny varavaran ny fikambanana kan, tsy tonga namana vao hihamavo ry kitjo.
nisy fivoriana anjoany de mbola ho hita eo satria efa noeritereretina io alohan ny faran ny taona io asiana hetsika iray

mirary soa ny rehetra e
tsiky no ilaina, lollll de mirana ny saina

Mankalaza

6. vitagasy ( 03/12/2003 09:08)
malalaka ny varavaran ny fikambanana kan, tsy tonga namana vao hihamavo ry kitjo.
nisy fivoriana anjoany de mbola ho hita eo satria efa noeritereretina io alohan ny faran ny taona io asiana hetsika iray

mirary soa ny rehetra e
tsiky no ilaina, lollll de mirana ny saina

Mankalaza

7. vitagasy ( 03/12/2003 09:12)
malalaka ny varavaran ny fikambanana kan, tsy tonga namana vao hihamavo ry kitjo.
nisy fivoriana anjoany de mbola ho hita eo satria efa noeritereretina io alohan ny faran ny taona io asiana hetsika iray

mirary soa ny rehetra e
tsiky no ilaina, lollll de mirana ny saina

Mankalaza

8. hiaro ( 03/12/2003 09:37)
za aloha de miala tsiny fa mbola niasa fa vonona kosa aho hanaraka ny fe-petra sy làlana hapetraky ny fikambanana e
tena ilaina tokoa ny fifampikasohana @ hafa indrindra ny tanora samy tanora mba hifanakalo tra-kefa izay hananany e
de rovina indray vao misy e fihaonana e, fa tena ho avy @ izay ny tenanay e
bon sanse

9. rfanjav ( 03/12/2003 10:33)
Miarahaba antsika rehetra,

Tanteraka soa aman-tsara ilay fihaonana ka dia isaorana eram-po eran-tsaina izay niaraka taminay tany!

Ny tena mampalahelo anefa dia betsaka no nilaza tato fa ho avy t@ ity 29/11 ity, nefa vitsy ihany no tonga!!!
10. patti ( 03/12/2003 14:02)
Izaho aloha dia efa niala tsiny t@ namamana hafa fa tsy tafa t@io e!
@manaraka rangah

Soatra
11. moara12 ( 03/12/2003 15:21)
za naleho ireo namako, tsy tonga tao amin'ny fihaonana
fa ankoatra izany alou dia tena nilay nahalalakou zavatra maro fa mikoriana ato amin'ny serasera ny fitiavana, ny lainga, ny rehetra e!
12. mozart ( 03/12/2003 16:51)
miala tsiny aloha raha tsy tonga tany @fihaonana fa tena sendra andro fiasana izahay t@io.merci @reo namana tonga de' manantena izahay fa @manaraka de ho b dia b ny ho tonga .mankalaza ho an'ny birao vaovao .misaotra tompoko
13. eritreritra ( 04/12/2003 16:17)
Miarahaba
nahafinaritra tokoa ny fihaonana e! Fa ny nampime d tsisy b resaka refa samy eo hihi!!!
14. rrodin ( 04/12/2003 17:57)
Salut daholo!
Tena taraiky be aloha 'zahay eh!
Efa aty amin'ny Desambra vao hitanay ilay programa dia TARAIKY eh!
Tsy manam-potoana idirana matetika ato amin'ny serasera koa moa ka dia TARAIKY eh!
Faly be mihintsy aho mahita hoe MISY ny namana Vonona ary SAHY mivondrona... ary irariako hahita fahombiazana tanteraka izany fivondronana izany amin'ny ASA SOA sy EZAKA TSARA ataony.
Ilaina dia ilaina tokoa ny FITAMBARANA satria tsy misy amintsika ny hoe feno sy tanteraka ary indrindra ho an'ireo namana any ivelan'Antananarivo (faritany sy andafy).
Rehefa miray hina isika, mifandray tsara, mahay miara-miasa sy mifanohana... Dia isika ihany no hioty ny vokany ary REHAREHA ho an'i Madagasikara izany.
Atao Mazava fotsiny ny fitsipika sy fifampitondrana ao anatin'ilay fikambanana ary samy miezaka handeha am-pahatsorana sy amin'ny saina mazava ny isam-batan'olona. Raha misy tiana holazaina dia avy hatrany dia lazaina mazava fa tsy atao sariteny na somary hafahafa.
Enga anie ka hitohy ny fifandraisana ary mankasitraka ny SERASERA sy ny mpikarakara... Mirary faran'ny taona feno fahasoavana sahady ho antsika rehetra.
Rodin
15. hery ( 04/12/2003 19:47)
Taraiky ahoana ary...

- Efa nalefako email ny vaovao.
- Efa nipetraka tao amin'ny resaka mivantana nandritra ny ela be ilay filazana.
- Vao nanomboka t@ 25 oktobra dia efa nalaza teto amin'ny forum.

- Fa tsy maninona e. Mbola hisy fihaonana vaovao indray.

Hery
16. rfanjav ( 04/12/2003 10:40)
Miarahaba antsika rehetra indray

Ny resaka mandeha ihany fa tsara aloha raha manomboka mamaly an'ireo fanontaniana vitsivitsy napetraka etsy ambony @ izay isika,

Averiko eto :

- solonarana ( tsy mahazo manao anonyme )

2- Mazoto ny hiditra ho mpikambana ve ianao raha eny vao manohy ny eo ambany

3- Raha eny afaka manome ny sosokevitra ve ianao hanatsarana sy hanitarana ny fikambanana

4- Azo fantarina ve hoe : inona no andrasanao na irinao ato @ fikambanana

5- soskevitra hafa raha misy

Koa dia manantena ny fiaraha-miasantsika rehetra!
17. raguy ( 04/12/2003 12:39)
Manahoana daholo ianareo aty é. Mba afaka manome fanazavana ny tanjon´ity fikambanana ity ve ianareo? Inona no antony nananganana fikambanana Namana ito?
Misaotra é
18. rfanjav ( 04/12/2003 13:31)
raguy : ka izany no anontaniana anao izao anie ?

mba tsara ho fantatra daholo ny hevitry ny tsirairay,
19. fijo ( 05/12/2003 09:13)
ny solon'anarana aloha dia tsy tokony ekena intsony.izay tsy manisy,namana no eto ka tokony hifankalala.
>mazoto ny hiditra izahy e.ary ny fomba hanatsarana ny fikambanana dia:_tsy asiana na resaka politika na resaka fivavahana.
_ny pikambana dia mandoha latsa kemoka isan-taona.20 000fmg ny aty an tanana,ary 10euros ny aty ampita.
_manao tatitra hatrany ny birao momba ny fandehan'ny vola(miditra sy mivoaka)
_manao tanjona isan-taona hanaovana zavatra iray ho an'ny madagasikara.raha maharaka dia miova province isan-taona.(io angamba dia mety ahavaly ilay fanontanianan'iraguy.
20. hery ( 05/12/2003 19:54)
Raguy>

Voalohany indrindra aloha dia hevitra natsidiky ny namana vitsivitsy mipetraka ao Madagasikara io hivondrona anaty fikambanana iray io. Misy namana mahatsapa fa tsy ampy fotsiny ny mifanerasera eto amin'ny Internet dia nifampiantso ry zareo mba hivondrona ka niantso ny namana hafa mba hanatevin-daharana.

Mazava ho azy fa arakarak'izay namana tonga ao no hanapahana hoe inona no tena tanjona. Tsy maintsy ny namana ao anatiny ihany no mahalala an'izay. Afaka manome sosokevitra kosa anefa isika amin'ny hanatsarana azy.

Betsaka no azo atao. Tsy lany tetikasa i Madagasikara. Fa ilaina fotsiny ny fahamatorana ka izany no nitsanganan'ny birao vonjimaika izay handrindra ny fihaonana vitsivitsy ato ho ato alohan'ny tena hijoroan'ny birao raikitra ifampieran'ny namana amin'ny fomba tena izy.

Koa manainga an-dRaguy ary. Dia manentana ny rehetra ihany koa.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3226