Rehefa avy voadona

1. mars ( 01/12/2003 15:06)
Hono hoy aho ry zareo:

Possible ve ny hanadinoana tanteraka ny ratsy nataon'ny olon-tiana iray toy ny fampirafesana,sns raha toa mba efa nifamela .
Araka ny hitako mantsy mety ho hadinodino iny eo fa raha vao misy zava-miseho mitovitovy amin'ny nahazo dia toa mitamberina foana ilay izy ary dia mety ahavita hiteniteny ilay olon-tiana ihany ianao.
Dia mazotoa mamaly!
novalian'i fijo ny 15/01/2004 11:30
2. isrine ( 01/12/2003 16:05)
Salut!
Inona moa akia no tsy possible a. Ary isika vehivavy anie malaza fa matanja-po e. Tsy hatao hahakivy akia ny ataon'ny lehilahy a, na mbola mamerina fanindroany aza izy, lazao azy fa manja be ny ataony, mety hiova izy avy eo. Aza asiana resaka mihitsy na hitandry zao aza ny fiarahany @ vehivavy hafa, fa mety fandrangitana koa anie no betsaka e. Rehefa ela ny ela tsy ho leo ve izy.
3. fijo ( 02/12/2003 16:49)
raha toa an'i isrine daholo aloha ny vehivavy dia mahafinaritra e,hoaiza tokoa moa izahay tsy ho eo ihany e.mba mody manao misolifatra fotsiny ka.
4. oupsyyy ( 02/12/2003 19:34)
Ary zao ary e, nanao troittoir le sipa ohatra de pardonnable ve zany???
5. lida ( 02/12/2003 09:16)
Salut daholo aloha e!
Izao an, mety ho sarotra ny hanadinoana ny toe-javatra toy ireny (miankina amin'ny tsirairay ihany io , misy ny tena mora manadino ary misy ny tena tsy mahay), fa raha tiana ny hampitombo bebe ny fitiavana misy dia tsara ny manadino raha efa samy nifamela : POROFOM-PITIAVANA izany
6. rfanjav ( 02/12/2003 14:28)
"pardonner, oui ! oublier, jamais"

miezaka ny tsy hamerimberina an'ilay tantara fotsiny angaha, fa raha ny hanadino, sarotra ihany ka!
7. isrine ( 02/12/2003 16:05)
Salut!
Pardonnable fona ry Oupsy a. Raha sanatria enao sendra an'izany, de @ izay fotoana izay enao hametraka ny sujet eto.
Azo lazaina fa mmety akia ny manadino a, fa we mety misy fotoana 1 angamba itamberenan'iny zavatra ratsy iny ao andoha ao, fa toy ny tselatra fotsiny! Ary mety himehy aza enao @ izay fotoana izay.
8. xxx ( 02/12/2003 19:26)
manaôna, tsy misy tsy diso ony zay mandy @ tany, fa izay mivary lavo no adala indrindra, fa efa nandalo io za zareo a, fa amiko le izy fitsapana oue atraiza marina ny fitiavako ol iray, marina fa tena sairana iany za vô tony ny saiko fa zay e! refa mifakati mila mahay mifamela fa ra tsy izany tsy natao ho iray ianareo! zany anefa ry lela tsy natao azona bahana @ zay atao fa tandremo kou fa sao io vady mandefitra lava anareo io no esorina @ nareo indray ka aiza ianareo no iatsampy? henoy ny hirany Lôla oue "ny vevavy fanaja fa miteny io hira io
9. fijo ( 03/12/2003 20:00)
hendry ianareo izany ka,sady mba micomprendre anay ihany.na dia masiaka aza ny sasany,ka hoe tsy hanadino.
10. xxx ( 03/12/2003 11:44)
asakasak'ny olona rehetra ihany io ry reto a! ny zavatra fantatra fotsiny d ny lehilahy d egoïste daholo fotsiny ! ataovy hoe isika vehivavy ndray ange no mampirafy d hita eo raha mipardonner ry zareo e? tonga d tsisy resaka tsony angamba fa d misaraka ny ady eo ! sa aona ?
11. isrine ( 03/12/2003 15:46)
Andao zany ry X sika mba hampirafy a, de avy eo ho hita ny tohiny, tsika vehivavy anie no tsy sahy manandrana e.
Tsy mahasahy misaraka amintsika zany reo raha toa ka tena tia zany! Eritreritra ao antsaintsika fotsiny zany.
Sady nareo lehilahy manko efa mihahendry o! Fa mbola mila fotoana kely fotsiny de afapo ny vehivavy!
12. xxx ( 04/12/2003 20:36)
ny lehilahy rehetra mitovy daholy,ka efa miomana ianao fa tsy maintsy mampirafy izy ireo,ary mora miova fitiavan koa anie ireo e!isika vehivavy fona no marary fo eo,satria mora amin-dry zareo ny miala;fa inona ny no tena ao an-tsain'ireo lehilahy ireo e!tena tia ve sa mody tia?
13. fijo ( 04/12/2003 20:49)
TENA TIA KA,aza matahotra ianareo fa tia izahay E.inona ary ity miahiahy ity.
14. xxx ( 04/12/2003 09:13)
ka izao ary ry fijo;valio aho an!raha tena tia ary ianareo lehilahy,raha misy olana kely eo @ fiarahana de izy no te hisaraka fa tsy le sipa de mino ve ianao fa tena TIA izy teo aloha?nefa le sipa tsy te hisaraka
15. isrine ( 04/12/2003 19:51)
Tia hono akia zareo fa mety mba misangy angamba indray2 a; Zany manko ry zalahy o!
16. liam ( 04/12/2003 15:36)
raha fampirafesana ndray no lazaina dia raha mbola tsy misy mamatotra! dia tokony tsy hahasarotiny fa satria mbola tsy tompony!!!!!
fa raha resaka azafady sy excuse me!!!!!!!! dia aza manantena fiovana fa ambava te hahazo fonts ireny!!!
satria na lahy na vavy samy égoïste daholo!!!!!!!!!!! dia samy te hanao colection daholo! dia zay sisa no atao eh! be mokony!!!!!! tsy mbola anah izy ary tsy mbola an'azy za dia zay eh


17. fijo ( 04/12/2003 19:48)
ho an'i xxxx.mety ho tena tia taloha ,fa raha nisy olana kosa ve ka maka fanapahan-kevitra izy dia lazaina fa tsy tia.ni an draliam no marina.
18. xxx ( 05/12/2003 20:12)
ka ny mafy anie ry reto samy mbola tanora izahay e!nefa izaho mbola tia be azy de atao izany ve?mahay miteny mantsy ianao ry fijo,fa mafy anie e!
19. isrine ( 05/12/2003 18:26)
Sali!
Marina ny an'i X ambonin'i Fijo io.
Ka rehefa mbola samy tanora de alao handeha aloha ny revy e. De samy mba milaza fa tia be eny ...
20. rinakely1 ( 05/12/2003 10:53)
Tena sarotra ny manadino zavatra nanamarika ny tena izany,indrindra moa fa ny fampirafesana. Fa izao refa tia enao n'inn zavatra mety iseho eo hain'ny fonao sy ny sainao foana ny manadino izany. Tena tsara koa ny mifamela heloka ary aza mba sasatra @ izany fa hahitana vokan-tsoa fona any aorina.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5322