gasy ao paris

1. fijo ( 25/11/2003 11:31)
Manao ahoana daholo.
saika mba hasiako teny kely ry zalahy ny totran'ireo gasy ao paris ireo.(ny ankamaroany)tena mihevitra ry zareo fa hoe rehefa ao paris dia tena avo be.nefa anie ka maro no tena mijaly be ao e.ary ry zaklahy no tena manao ilay toetra.ao cachan no tena misy io totra ratsy io.mba nanao vakansy tao aho mantsy ka tena gaga.fa maninona kay?
novalian'i xxx ny 25/10/2004 14:39
2. xxx ( 25/11/2003 17:27)
Avelao ry zareo @ toetra ratsy ndry zareo fa zareo anie zany avelao any izany.MERCI
3. xxx ( 25/11/2003 17:58)
Zany leisy ny olona rehefa any andafy. Any andafy = tafita na fijaliana aza no iainana any de hodina tsy hita. Ambonin`zany ny fiheboeboana. Mbola asiany an`lay tsy miteny gasy ntsony aza nareo vo gaga
Mampalahelo e !
4. moi ( 25/11/2003 19:06)
Tsy miankina amin'ny toerana jeografika, na kartie ny fiadanana.
Tsy miankina amin'ny isan'ny chambres ao amin'ny tanànanao ny filaminana.
Tsy miankina amin'ny teny (langue) ampiasaina ny fahamboniana.
Azo tohizana ...
Aoka ho fantatrareo fa malaza ho mijaly an-tanin'olona ianareo !

Ny ankamaroany io resahana io fa tsy ianareo rehetra !
5. xxx ( 25/11/2003 20:08)
na aty @ misy ahy koa aza dia misy sasantsasany no toa an'io toetra io fa hoe efa ala niainana aty hono e! misaotra ary dia mirary ny hitohizan'ny fifankatiavan'ny samy gasy rehetra hatrany ny tenako!
6. xxx ( 25/11/2003 15:00)
vendrana be mihittsy aloha le toe tsain'ny ao paris ee ... !! ireny le atao hoe sovaZy tapa-kofehy ... sambany vao mba tonga amin'izany tanana ka mba misehoseho e ... tonga amin'ilay hira hoe : tambawax miakatra @ ville nahita piston dia nanary kiranil !! hahaha !!

Mahagaga anefa fa aty amerika avaratra toa tsy manao izany toetra izany ny gasy .... ao new york efa manomboka fa ny amin'ny toerana hafa mbola misy ihany ny miray hina !! ny any canada moa zany dia ohatran'ny mpianakavy .... na dia misy aza ny fikambanana te ho deraina !! Gaga mihitsy ny avy aty quebec tonga tao paris tao hoe : toa ratsy toetra be .... Vendrana !! tena vendrana e !! ça n'a po d'bon sens !!

zay ee !!
7. rfanjav ( 25/11/2003 15:26)
Aza mitsara hono mba tsy ho tsaraina,

VENDRANA @ ahoana izy, sao dia ianareo tsy any Paris kosa no manana complexe d'infériorité, dia manaratsy ny any e!

fanontaniana fotsiny ny ahy fa izaho aloha aty Mada ka tsy mahita izay any.
8. xxx ( 25/11/2003 18:37)
manaiky ny teninareo aho ry zalahy
fa tena misy ireo aty paris dia
mihevitra ny tenany ho ambony ne-
fa samy mijaly daholo. Izaho mano-
ratra izao dia mahita, indrindra fa
rehefa any amin'ny métro sy any
amin'ny toeran-kafa, nefa anie dia
hita tsotra izao ny fijaliany e ! tsy te
hilaza zavatra betsaka aho fa izaho
mahita maso.
Mahagaga sy mampalahelo ny toe-
tsaintsika gasy, asa, rahoviana loa-
tra vao hiova....Mahavariana !
9. fijo ( 26/11/2003 09:10)
ny any canada efa hitako,fa dia mahafinaritra ny fifandraisana,ny any suisse koa dia tena misy firaisan-kina be,fa dia mahagaga mihintsy ny ao paris ao.nisy bandy kely izay tao soanierana tao,tamin'izaho manao vakansy tany,dia tsotra ery i lery,hitako tao cachan izy tamin'ny herin-taona,tena hoatran'ny olona tsy mbola nifankahita izahay roalahy.tsy misy resaka complexe izany ry rfanjav fa tena hafa mihintsy ry zalahy.na dia ny havana aza anie dia manao io toetra io e.mijaly marina angamba dia tsy te ho hitan'ny olona.
10. heha ( 26/11/2003 18:56)
lehibe loatra i Paris ka tsy mifankafatatra intsony ny olona, afatsy izay efa mifanerasera ihany, nefa na izany aza na dia fihetsika na tsiky kely fotsiny anie dia ampy
11. xxx ( 26/11/2003 10:50)
Aza tonga dia généraliser-na alou fa misy namana eto izao ao Paris mahafinaritra be mihitsy... ka angamba tsy hody fanina rehefa tonga any.

Fa efa tratran'io toraka bilao io aho tao Paris.. tadidiko tsara mihitsy izay sipa izay :)
Nifanao fotoana dia hitako toukou izy fa tena nodiany fanina tanteraka aho kanefa fotoana hoe hihaona izao ange e...

Mbola ho azoko anao hoy zaho.
12. xxx ( 26/11/2003 12:32)
Ianareo kosa e! Ka sao dia arahinareo hatrany an-tranony kosa anie rizareo ka ho hitanareo eo ny tsy tokony haseho maso anareo e!........izy mba efa miseho milay sy bôgôsy ery rehefa mivoaka!

........mety izany ny amin'ilay hoe mihatsara velatsihy e!............
13. ilyo ( 26/11/2003 13:08)
za aloha dia aty dago fa ny teniko aminareo dia tsotra ihany aza adino ny fihavanana malagasy dia mba mifandefera kely e! tsy ny fiavonavonana koa anie no maha-ambony sy ambany e!
14. fijo ( 26/11/2003 18:42)
efa nomarihiko tsara hoe ny ankamaroany.misy ny tsara toetra.tena ny fiainany marina no tsy tiany ho hita.ny fijaliny e.
15. ariary ( 27/11/2003 10:45)
Ry Fijo,

Ahoanao moa no ahafahanao milaza fa ny ANKAMAROAN'NY gasy ao Paris no ratsy toetra ?
Inona methode ara-tsiantifika nampiasanao nahitanao izany statistika izany ? Sao kosa ireo mba ireo tia misehoseho sy mihebohebo ihany no hitanao, fa ny gasy tsara toetra rehetra mipetrapetraka any amin'ny misy azy avy tsy misy fantatrao ? Ary iza no antsoinao hoe mponina eto Cachan ? Sao dia mba IMMEUBLE IRAY no fantratrao eto Cachan dia heverinao fa fantatrao daholo IZAHAY Malagasy eto Cachan ?
Ary ireo izay "miseho milay" any @ réveillon eto Paris, tia mampidera champagne nefa tsy manan-kohanina, moa ve azo antoka mponin'ny Paris daholo ireny sa betsaka ny tonga avy any amin'ny faritany hafa ?
Mila fanadihadiana !
16. antsiva ( 27/11/2003 11:30)
Manorisory tokoa aloha ny fitsarana olona atao tambabe toy izao. Vavolombelon'izany ny tenako. Mba niditra tao @ resaka mivantana aho indray andro, kanjo rehefa nisy nahafantatra hoe avy eto Cachan dia nahazo teny azo adika hoe "tsy tianay hiverina eto ianao raha avy ao cachan fa ianareo avy ao cachan manana toetra toy izao sy toy izao..."
Ampahafantariko anareo fa Cachan dia tanana mandroso sy miha-lehibe, misarika olona maro hiorim-ponenana, na tompotany na vahiny, indrindra ny "cadres supérieurs" ary maromaro ny malagasy amin'ireo, ary tsy mendrika azy ireo angamba ny fitsarana ambony ihany (préjugé) atao aminy .
Misaotra.
17. rfanjav ( 27/11/2003 20:14)
na any Paris na aiza, na eto M/kara aza, tsy maintsy misy foana ny miseho ho "je suis" e,

fa tsy izany akory no itsarana hoe miavona na miseho milay ny any Paris,

saonjo iray lohasaha io , tsy ilaozan'izay mamarara,

ary samy manana ny fitsarany ny hoe miavona sy miseho milay koa io,

ianareo miteny io izao aiza no ahafantaranareo raha misy koa any ho any mieritreritra hoe miavona ianareo,

18. xxx ( 27/11/2003 11:40)
any amin'ny avo no misy ny favo e!
ôyeeehhh!!!!!!
19. xxx ( 27/11/2003 17:45)
fanontaniana ny ahy ...
amin'ny ankapobeny ve dia ny gasy vao tonga sa ny efa ela tao paris no manao io toe-tsaina io ??

Mety ny valin-tenin'io no ahafahana manamarina «ara-tsiantifika» (plus ou moins en tout cas !!!) mba hamaliana ny voalazan'i Ariary fa tsy hoe genralisena akory ....

amiko aloha dia ny gasy efa tena ela dia ela nipetrahana tao paris ka tena tafita dia mety ho mahafinaritra ...

ireo izay ela nipetrahana tany ka niaina zava-maro sy nahita karazam-piainana koa tany aloha dia mety ho mahafinaritra kou ....

ny ambony indrindra fa ireo vao tonga na dia efa elaela aza (4 ou 5 ans .. ) Par rapport @ ireo tena vao sambany vao tonga dia tena «manindry» ireo izay mba sambany vao tonga na sambany vao mba nahita gasy tao paris na sambany vao mba nitsidika an'i paris ... Ka raha izany dia azo kajiana tsara mihitsy hoe firy % no tena manao ilay toetra tsy vanona ... raha toa ka sokajiana ho arakaraka ny periode de temp nipetrahana tao paris ... Kanefa misy ihany koa ilay facteur : «fotsy kokoa sy mainty kokoa !!» ka io indray tena tsy mifidy periode de temps nipetrahana toa fa tena hoe : toe-tsaina ambany farahidiny !!!

Asa mety mahavaly ny hevitra naroson'i Ariary angamba ka avelako izy hanao ny statistikany samirery raha tena izay no dedaviny .... saingy tadidio ihany fa ny olombelona ange tsy azo anaovana statistique ee (science exacte ... ) fa ny toetra tompoko dia mety miova dependament des circonstance !! sa ahoana !!

hakuna matata ee !!!
20. fijo ( 27/11/2003 19:11)
ariary sy antsiva,araka io voalazanareo io,dia tsy izaho irery no mahatsapa izany fa olona maro.nataoko hoe ankamaroany satria rehefa mandehandeha ianao ao paris dia mba maro ihany ny gasy mifanena aminao,ary dia maro amin'izy ireo no mampiseho io toetra io.tao cachan aho no nipetraka tamin'ny tany ary dia hitako tsara izany.na dia mifanena ao amin'ny poste,na ilay leclerc kely ery ambany ery aza dia ahitana izany.ianareo mety tsy ao anatiny,fa matoa maro no milaza izany dia maro no mahatsapa azy.rariny raha tsy mahafaly anareo ny filazana azy eto,fa zava misy io matoa lazaina.ary araka ny voalazan'i antsiva dia efa maro no mahatsikaritra izany.raha tsy toa izany ianareo dia tohizo,fa tsara.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5991