fisian'Andriamanitra

1. sosonaka ( 19/11/2003 14:55)
Raha tsy misy Izy tsy izaho sy ianao
Raha ts misy Yzy tsy nisy izao ary rehetra izao
Raha tsy misy Izy iza nomba hiaro anao
Raha tsy misy izy dia mba avy aiza ary ny feon'ny fieritreretanao io
Rha tsy izany rehetra izany dia tsarovy fa tena tia anao Izy eny na dia tsy tinao aza
Efa ho avy ny farany satria efa ambony loatra ny faratsian'ny olombelona
2. kally ( 19/11/2003 16:48)
ho anareo izay mandà,Inona moa no maharatsy ny mino an'Andriamanitra?Aminareo zava-doza ve izany?Mba hazavao hoe!
3. fijo ( 20/11/2003 09:30)
tena zava doza tokoa,satria io no fomba fanalemena olona tsara indrindra.ary rehefa tafiditra amin'io dia hoatra ny mamon-drongony ihany.tsy mahita zavatra hafa,afatsy ny tompo.lasa tsy miaina amin'ny eto an-tany intsony ianao,fa variana mitady ny any amin'ilay tsy hita .ny eto aza anefa tsy mbola hita izay anaovana azy.
tena mamo e.
4. rfanjav ( 20/11/2003 18:12)
Asa na mba efa henonao ny tantaran'i Ada sy Eva :
niaina tanaty hasambarana izy roa, nefa voafitaky ny bibilava ravehivavy dia nanandrana an'ilay voankazo voarara tsy hohanina,
dia nahita fa mitanjaka,

ny dikan'izany dia tokony ho sambatra ny olombelona raha nanaiky an'Andriamanitra sy nitandrina ny teniny, fa tsy nahatanty ny fakam-panahy dia lasa nijaly fatratra (ny vehivavy ohatra eo am-piterahana),

toy izany koa ny @ izao fotoana izao, noho ny fisian'ny vola sy ny eva faharoa dia lasa lavitry ny fahasambarana miaraka amin'Andriamanitra ny olona!
5. mahaizamifidy ( 20/11/2003 19:19)
Ny razako sy ianao taloha nitovy t@ biby tsy miankanjo tsy mahalala na inoninona(tena biby mihitsy) saingy nitombo saina isanandro ka niafara t@ izao fanoratako eto izao ny fahaizany,(tsy ratsy izany)lazaivo fa efa ho tonga koa ny farany satria ambony loatra ny faharatsiany zanakolombelona,nareo mpino no mahita izany,fa izahay mahita sy midera hoe:tohizo fa mahafinaritra raha zato taona monja dia tonga @izao fiainana izao izaho sy ianao,1900 izany mbola taolo be t@ izany,ko maninona ianareo mpino no milaza ankehitriny fa miharatsy isika,ary hadinoy izany paradisa izany fa mbola nosoratany taolo taloha io baiboly io ho any olona malemy saina,sao ianao milaza fa bibidia aho fa izaho tsy mila izay ampitso akory ny anio no fantatro,zavatra nohitarina ny baiboly kanefa zavatra roa ihany no averimberiny ao dia ny tsara sy ny ratsy,ary ny fampanatenaina paradisa fa any tsy misy antitra sy maty fa mandeha ho azy ny fiainana sady mandrakizay ho any malemy saina izany,nareo mpino ve rehefa avy mivavaka tsy mahazo hery be hoe:tsy matahotra intsony aho fa efa niresaka t@ avo indrindra?,izay dia efa ohatra iray,nalemy saina ianao teo dia lasa nanana finiavana hiatrika ny zava-misy,fa raha tsy nasiana ny baiboly efa tsy aiko intsony ny nahazo na ny hadalana vitanny malemy saina,izany hoe:mivavaha ihany nareo fa tsy ratsy,fa ny ahy fitiavava ny ahy no andriamanitro(ao anatiko ao izy dia izay fotsiny tapitra.)
6. fijo ( 21/11/2003 20:25)
rfanjav a,adama sy eva dia tantara namboarina.ary izy io dia natao itantarana ny fiainana aminy fomba tsy mivantana.hazavaiko.i adama sy eva dia tsy iza fa isika,lahy sy vavy.raha mbola zaza isika dia miaina ao anaty fahamarinana sy filaminana.(ny zaza tsy mbola manana saina ratsy ary mbola eo dada sy neny)rehefa lehibe isika manomboka 13 ans eo dia manomboka ny fakam-panahy.fitiavana mitsiry,manomboka mandainga sns.dia mihinana ilay voankazo voarara avy eo.hainareo angamba hoe inona io voankazo voarara io.ilay raran'ny ray aman dreny tsy hatao raha mbola kely.rehefa avy mahazo an'io dia miova amin'izay.manomboka eo ny fahatsampan-tena ary dia miditra amin'ny tena fiainana.izay no tena izy momba io adama sy eva io ry rfanjav,fa namboarina ny fitantarana azy.
izahay sy mahaiza mifidy moa dia mitovy fisainana koa tsy misy ambarako momba izay voalazany.ny pivavaka anie dia ataon'ireo pitory izay tsy hivoarany sao miahiahy izay lazainy e;mahay>misaina>mametraka fanontaniana>miahihay.
7. rfanjav ( 21/11/2003 13:18)
fa le science lazainareo koa tsy namboarina o!

niainga t@ imagination daholo fa tsy nisy nahita izay tany @ taonjato fahafiry tany akory!

dia avy eo vao samy miezaka manaporofo ny eritreriny,

8. hery ( 21/11/2003 16:50)
Manahoana,

Zava-doza tokoa ny finoana an'Andriamanitra (hmmm aoka aloha)
Ny atao hoe zava-doza mantsy amiko dia risque. Koa raha tsy afaka mi-risque dia aza miditra mihitsy. Izay anefa no mahatonga ny mpino tsy ho malemy saina... satria izy mi-risque...
Ny finoana an'Andriamanitra amiko dia tahaka ny fihinanana sakafo. Matoa ianao mbola tsy mihinana dia mbola tsy mahatsiaro noana... ary tsy hisy hanery anao amin'izany. Ny ataon'ny mpitory sy ny sisa dia ny milaza aminao hoe sakafo anakiray io. Dia anjaranao ny sisa. Izay no tsy itiavako ny mpitory sasany miteny hoe hano ito sakafo ito. Rehefa tsy te hihinana izy dia avelao eo. Ampy fotsiny ny miteny hoe sakafo tsara sy mahavelona io sakafo io ary jereo AHO fa velona sy sambatra mihinana azy.
Ho an'izay mino kanefa tsy mba manana fotokevitra hanohanany ny finoany... rehefa hitanao fa mahavelona anao ilay sakafo dia tohizo ny fihinanana azy. Anjaranao (expérience) no mahita hoe tena manampy anao ve Andriamanitra. Ny olona tsy mahatsapa an'izany dia azy ny azy.
Ho an'izay tsy mino (na tsy mbola mino). Normale izany, mbola tsy nohaninao ilay sakafo ka tsy hitanao ny tsirony, na efa nihinana ianao fa nanao be ambosika fotsiny ka mety kenda, na efa feno zavatra hafa ny kibo ka tsy mahita ny tsiron'ny tena sakafo... dia tsy maninona, aza mihinana aloha. Rehefa noana ianao, na rehefa hitanao fa miha-botrabotra izay mihinana dia tongava miara-mihinana aminay indray.

Sakafo ny finoana.

Hery
9. mahaizamifidy ( 22/11/2003 13:27)
Finoana no base-ny,mitovy @ zavatra rehetra inoana ihany,(ohatra)mino ianao fa mamaly vavaka Andriamanitra,mino aho fa ho tonga neny,mety ho tonga tokoa ineny mety tsia,ary mety hamaly Andriamanitra mety tsia,mitovy tsy misy valaka akory fa ny mahasamihafa azy fotsiny ny iray,hono,tsy azo vazivaziana ka rehefa hirisika dia lasa tsy mamazivazy fa njary lany ny fotoana,fa ataonay lesona sy anatra fotsiny aloha nareo rehefa mibolila kely eo e!,dia izahay indray no hahazo tombony fa ianareo sady menatra no matahotra sady atotaonay ihany amin io ny sakafo matsiro,aminay indray mantsy ny fiainana no sakafo matsiro,dia izahay no malemy saina @ izany,ny anay indray dia ny anio ihany,ny ampitso ampitso izay farany farany,ny anio aloha no misy ka andeha hasiana menaka,fa tsy ny valala manidina no andeha asiana sira.Ohatranny zazakely hoe:andana misambo-balala fa izaho hibaba be,normal ihany izany ilay hoe:variana tany @valala ka tsy nahita ny tsiron-kanina,nefa ny sakafo tsara ery ka aiza izao izay valala azonao ka? fa izaho anefa vokybe.
10. hery ( 22/11/2003 09:52)
Hay ve efa samy mihinana ny sakafony sy mahita tsirony izany e. Raha izay indray dia efa tsara.

Raha ohatra ka ahitanao fiadanana ny tsy finoana an'Andriamanitra dia AZA manandrana mino akory.

Raha ohatra ka tsy ahitanao fiainana ny finoana an'Andriamanitra dia AZA mino ihany koa.

Izay hahitaNAO ny TENA fiainana ihany no ataovy. Raha misy malemy saina mino, na malemy saina tsy mino, ho inonao moa izany? Izy no malemy saina fa tsy ianao. Ny zava-dehibe dia IANAO.

Ny anjaran'ny mino (ohatra hoe izaho) dia ny mampiseho fotsiny hoe izay no finoako, mahita fiainana aho, mahita fiadanana, ary tsy fiadanana ho avy ihany fa efa iainako amin'izao fotoana izao. Averiko ihany ilay importance-n'ny conviction personnelle... kanefa eo dia eo ihany koa ny expérience collective satria hitako fa mahita fiainana (présent fa tsy futur fotsiny) ireo namako sy fianakaviako efa mino.

Mbola voa indray anefa izany ny tsy mino satria ny azy dia ny présent fotsiny, fa ny ahy mino dia présent sy futur efa samy ao daholo.

Maty hantoka ve za mino? (I Blaise Pascal, filôzofa frantsay, namaly an'io ihany koa)
11. moi ( 24/11/2003 19:28)
Ny fisian'Andriamanitra ve no ady hevitra, sa ny toetran'ny olona mino e ?
Ho ahy dia tsy misy ady hevitra fa inoako ny fisiany. Ny mpitsangatsangana nandalo tany amin'ireny tany manan-tantara tao amin'ny Baiboly ireny no manamarina ny fisian'ireny tantara tany Egypta, tany Jerosalema, tany Roma... Be dia be ny anaran-tany hita ao amin'ny baiboly, ary maro amin'ireny no mbola tsy niova ny anarany amin'izao fotoana izao ; ka ianao tsy mino, efa tany ve, sa noforonina daholo koa ireny toerany ireny aminareo ? Sao mba tsy ampy documentation aza ianareo ireny ?
Ireny fahagagana rehefa misy campagne d'évangélisation ireny (eto Madagasikara efa nisy imbetsaka), aminareo mandainga daholo izany ireo milaza ho sitrana, sa sitrana amin'ny ahoana ary izy ireny ?
Koa tsy aleo ve mino, fa ny mandrakizay anie no en jeu amin'ity tsy finoana ity e !
Raha tahiny mantsy ka tsy misy izany, tsy ho eo intsony ange ianareo haneso anay e, ary izahay koa tsy ho eo hoesoinareo ! Fa raha misy tokoa Andriamanitra, dia hisy ny mandrakizay, ary eo izahay hahita anareo tsy nino, saingy tsy afaka hanao na inona na inona intsony !
Adala daholo ve ny maritiora, efa ambava fahafatesana izao, fahafahana lehibe anefa no miandry raha lavina ny finoana ? Sa tsy nisy an'izany koa ? Farafaharatsiny ahay tokony ho mody lavina eo ny finoana raha ohatry ny niveau-nareo ny hafetsana ?
Fa mi-comprendre kosa aho aloha hoe maninona ianareo no tsy mino ! Mbola tsy nandramanareo ilay karazan-tsakafo, hoy ny namana teo aloha ; mety hotely iray na roa ihany no mba nandramanareo, na tsarainareo amin'ny fijery ivelany izy ireny dia tsy nidirana, nefa misy ny spécialiste amin'ny entrée, ao ny mahay résistance, misy ny tsara dessert ; mety hotely samihafa vao mahavoky tsara anao.
Ny ahy aloha dia Hitako ny làlana ka izorako...
12. fijo ( 25/11/2003 09:48)
ho an\\\'i moi.ianao milaza hoe tsy ampy documentation izahay.sao dia tokony havadika ny ohatra.satria hatramin\\\'izao anie ka tsy mbola nisy voaporofo ny fahamarina\\\'ireo voalaza ao anaty baiboly e.ny anaran-tany,io tsy hiova izany fa dia iny ihany.tsy porofo izany.ilay hoe fahagagana rehefa misy campagne d\\\'evangélisation indray dia ,asa raha efa hitana ilay fandaharana momba ny secte any bresil.dia ho gaga ianao.ny martiora,ireny anie efa jamba e.Izay ilay lazaiko hoe toa ny rongony ny fivavahana,rehefa ao dia tsy mahita zavatra hafa intsony.jereo ny musulman integriste fa ireo ohatra mivantana.
ho an\\\'i hery,ny ankamaroan\\\'ny pino anie ka dia manery ny tena hino e.raha manaja ny tsy finoana izy tsy misy olana,fa ny azy dia hoe tsy mino>devoly.tsy mahay mandefitra izay finoan\\\'ny sasany.
rfanjav,taiza indray ianao no nahita fa noforonina ny siansa?ny siansa anie ka fianarana zavatra iray e.tsy misy zavatra foronina ao,fa fandinihana no ao.oh,mandinika ny taovam-pananahana.tsy mamorina fitaovana akory,fa mandinika ny fomba fiasany sns.
ny maha zava doza ny finoana,dia ny fahajambana aterany.ny olona mino be dia tsy mahita zavatra hafatsy io finoana io.hany ka izay zava mitranga dia vokatry ny finona daholo.dia lasa tsy misy fivoarana intsony.ary ilay hoe ny androany sy ny ampitso dia efa ao ny an\\\'ny pino,io dia resabe,fa tsy misy mahay izay hitranga,ka tokony izay eo aloha no atao tsara.
13. rfanjav ( 26/11/2003 18:41)
Marina ilay hoe mandinika ny fomba fiasany, toy ny mpino mandinika baiboly koa io,

niainga t@ supposition sy fandikana izay hitan'ny maso ho'aho io,
fa taiza indray ary aloha no niandohan'ny fitaovam-pananahana araka ny nolazainao, tsy tao @ olombelona, izay zava-boahary voalohany namboarin' Andriamanitra,

mety hiteny ianao hoe fivoaran'ny gidro ny olombelona, dia niforona avy aiza koa ny gidro, zava-boaharin' Andriamanitra daholo ireny, fa ny science no miezaka mandika azy azo tsapain-tanana,
raha ny fahitako azy aloha,
14. fijo ( 26/11/2003 19:46)
ka io voalazanao io indrindra ilay evolution lazain'i darwin.tsy hoe namboarin'antra,fa miova arakaraky ny zavatra hiainany ny zavatra rehetra.tadidio ry rfanjav fa efa misy anie izao ny clonnage e.dia aiza ilay antra?i antra io anie ry rfanjav asa raha fantatrao ny tantarany,fa io dia vokatry ny tsy fahalalana e.tamin'ny voalohany,tsy nahalala ninoninona ny olom belona dia nolazainy fa namboarin'antra daholo ny zava misy rehetra.ary dia samy nanana ny antrany ny zavatra rehetra.antry ny fitiavan,antry ny ady,antry ny asa,antry ny vola,antry ny sns.fa tamin'ny andron'i Abraham no niandohan'ny finoana andriamanitra tokana.dia ny andriamanitry ny jiosy.ary i jesoa dia namorona secte tany israel ary nitonona hoe izy no krista izay andrasan'ny jiosy.tadidio anefa fa io jesoa io dia mbola nino ary tsy nanda fa ny andriamanitra tokana dia ny antr'i abraham.ny nanamelohana an'i jesoa anie,tsy inona fa izy nisoratena hoe krista e.ny jiosy hatramin'izao dia mbola miandry io krista io.izay no nahatonga ny hoe jesoa kristy.saingy nisorstena izy.ary secte no niandohany.ary dia nino ny judaisme foana anefa izy.
izany hoe,ianareo kristianina dia mino olona izay mino zavatra hafa noho ilay lazainy anareo.ka izay no ratsy.
15. rinakely1 ( 29/11/2003 14:11)
Tsara A/TRA ary tokony hino azy izay mino ny fisihany sy ny zava-bitany
16. fijo ( 02/12/2003 11:51)
inona anefa no mba efa vitany?
17. moi ( 02/12/2003 12:54)
fijo >
Dia nahatonga ahy hamerina ihany hoe Ny fisian'Andriamanitra ve no ady hevitra sa ny fisian'ny olona mino e ?
Satria raha tsy misy Andriamanitra aminao, mahagaga tokoa ny hanoheranao izay zavatra tsy misy, satria miady amin'ny tsy misy izany ianao ?
Raha ny fisian'ny olona mino indray ? Tsy any ny ady hevitra satria na izaho irery aza no mino, dia efa misy izay ! fa virtuel aloha za eto e !
Vavolombelona nofo sy ra aho ary sahy miseho eto fa tsy resaka siansa sy baiboly, koa Raha mahay manazava ny anton'ny fahagagana niseho mivantana tamiko ianao, ka tsy misy Andriamanitra, dia mipoa-tsatroka aho ! Saingy tsy misy ho lazaiko eto izany, satria tsy vita tantaraina eto, sady ny soratra masina koa efa nanamafy fa na dia hisy faty hitsangana aza dia tsy hino ianareo !
Lazao koa mamorona aho fa tsy misy an'io teny io ao amin'ny Testamenta Vaovao !
18. isrine ( 02/12/2003 15:17)
Salut!
Raha misy Atra de efa navotany i Palestine, de darohany i Israely, de efa voasambotra i Ben Laden sy Sadam, de miadana ny vahoaka erantany! Ary tsy hisy intsony ny kamikaze!
19. fijo ( 03/12/2003 20:43)
marina izany voalazan'isrine izany.ny fisian'atra sy ny fisian'ny olona mino no hiadiana hevitra ka.tsy manohitra zavatra tsy misy aho,fa tsy mitovy hevitra amin'ireo izay milaza azy hoe misy.
20. rfanjav ( 04/12/2003 18:00)
"Ny fihevitro tsy fihevitrareo"

misy Andriamanitra, nefa matanjaka koa ny fahavalony, ka tsy maintsy miady mafy ny mpino, na ny tsy mino koa aza, handresena ny herin'ny ratsy sy ny fitiavam-bola be loatra,
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5103