Ben'ny tanana

1. xxx ( 17/11/2003 16:50)
Tsara ve ny hisian'ny karazan'antoko ao anatin'ny manolotsain'ny tanana.Sa avela hanjaka tokana
novalian'i xxx ny 05/01/2004 12:41
2. fijo ( 19/11/2003 09:46)
izany manjaka tokana izany dia midika diktatiora.ka asa raha tianao.
3. miora8 ( 19/11/2003 19:02)
Ny hevitra hita raha maro no mikohan-doha, mazava ho azy izany fa raha antoko tokana no manjaka dia izay fantany fa mety no ataony dia ny fiafarany tsy hisy ny fandrosoana satria ny antoko iray manana ny soro-dalàany ka iny ihany no hifantohany ary tsy hihaino na ny izay fangatahana na fitarainan'y hafa akory izy
4. hery ( 19/11/2003 18:16)
Arakaraka kah,
Raha antoko tokana ohatra dia hanaraka izay napetrany tamin'ny fampielezan-kevitra. Ny ataon'ny hafa anefa dia mijery tsara raha manaraka ny ara-dalàna io antoko tokana io na tsia. RAha antoko maro dia mety hifamiingana fotsiny fa tsy hahay hiara-miasa akory. Io no olana amin'ny atao hoe cohabitation.
5. moi ( 25/11/2003 19:17)
Amiko dia misy mahatsara ny hisian'ny antoko mifangaro ao anatin'ny mpanolotsaina, sady misy maharatsy azy koa !
Ny tsapa dia misy olona tena te hamingana hanaratsy ny fitondrana mihitsy !
Ary indrisy, hoy ny gazety iray izay hoe tafiditra ao amin'ny Tiako i Madagasikara hatramin'ireo fantatra fa nanohitra mafy an-dRa8 tamin'ny 2002.
Raha ny mpanolotsaina TIM, nahoana hoy ianareo no tsy nisy lisitra nivoaka ? Enga anie ho diso ny teniko ; Satria nanolotra olona ny TIKO, nanolotra havana koa Ra8 ; mba meteza ho eo amin'ny toeran-dRamiaramanana ianareo, atao ahoana no tsy hampiditra an'ireo, nefa i TIKO no anisan'ny spons be tamin'ny propagandy, i Ra8 no nahateo an-dRamiaramanana ...
Mba eo amin'ny toerany fa tsy mitsara maika fotsiny hoe toa ny teo ihany no teo !
Ho hita eo anefa ny fahamarinan'izany !
Ny olana angamba dia raha tsy compétent akory ireny olona alatsadatsaka ireny, fa raha compétent moa maninona na dia ry zareo mianakavy aza no ao e !
6. rfanjav ( 25/11/2003 15:38)
@ lafiny iray, tsara raha mitovy antoko no miara-miasa, @ izay mirindra tsara ny asa,

sady azo atao koa ny mi"critique" ny asa e!

sady raha antoko roa no eo, mifanilika fotsiny ny andaniny sy ankilany fa tsy misy zavatra mitsangana!

7. jokely ( 04/12/2003 20:26)
Io de miankina amin'ny fironankevitry ny antoko tsirairay e ! raha tena hiara-hiasa no atao de tsara raha misy antoko maromaro fa raha hifamingana fotsiny de aleo ihany antoko tokana.
8. xxx ( 05/01/2004 09:18)
tsara letsy ny manjaka tokana raha mahasoa ,any ny fanontaniana no mipetraka ohatra manjaka tokana an'Andriamanitra eo @fianany oulnefa mahasoa izy donky tsy koi zany sa ...tsy mitovy dray ve satria Andriamanitra sy oulnefa hoy izy"mianara ohatr'ahy..."
9. xxx ( 05/01/2004 12:41)
marina zany tsika marina tô faly hanohatra foana na de mety zao ary ny zvt ataon'ny oul iray
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1566