momba an-dratsiraka

1. fijo ( 14/11/2003 09:20)
manao ahoana daholo.
Mba fantatrareo ve,fa ny zanaky raveloson (neveun'i radidy)anie ka vice consul aty marseille?dia tsy hisy fifandraisana ve ao hoy ianareo?
novalian'i fijo ny 06/02/2004 20:49
2. hery ( 14/11/2003 10:21)
Salut Fijo

1. Rolland Ratsiraka maire tao, ary toa mbola maire ao Toamasina.
2. Thierry Raveloson (miala tsiny raha diso) neveu an'i Ratsiraka ihany koa napetrak'i Ravalo ho PDS Toliara tamin'ny fotoan'androny.
...
Betsaka ny fianakavian-dRatsiraka manana ny maha izy azy satria manam-pahaizana sy ny sisa. Fa tsy ny fitondrany ny anarana hoe Ratsiraka akory no maharatsy azy.
Misy kosa anefa ireo fianakaviana na tsy fianakaviana akory aza izay mety nanao ny tsy mety... dia tokony ho arak'izay ihany koa no hanarahana azy aty aoriana.
3. gmahefa ( 15/11/2003 20:13)
Tsy marina fa rehefa Ratsiraka de ho ratsy daholo.Zaho de pro Ravalo,@ zao fotoana izao aho toa mia kivy @ fitondrany sy ny didy jadona ataony.Ny firenena tsy TIKO akory.Ary i
MADAGASIKARA an'i malagasy fa tsy an'i mpitondra.Ka ny fitondrana no mila jerena tsara.HAHONGANA REHEFA RATSY
4. xxx ( 15/11/2003 11:09)
Hi hi hi
pro- Ravalo hono.
Mbola tsy pro Ravalo matoa tsy maharaka ny fikan-dRavalo. Ary tsy maharaka ny fikan-dRavalo matoa miteny ohatra an'io.
5. xxx ( 16/11/2003 20:23)
fa inona no tena fika ataony Ravalo ao fa ny tenanay tsy maharaka???
6. xxx ( 17/11/2003 11:57)
Jereo Fontsiny ny tsenan'ny panao asatanana eny @ coum 67ha ehhhh aiza ireo mpivarotra amin'izao nefa reherehan'ny gasy ny asa tanana amin'izay tena ireo mpitrandraka no betsaka eny zao vonoina ny tsena de eny amorondalana no alefa ny mpivarotra de enjehina de najoro moramora ny eny @ magro ankorondrano zany ve no tena mitsinjo? raha tena mijery ny olona izy tsy hamono ny mpanao asa tanana toa izany jereo tsara ny eny @ Magro ankorondrano fa vao nisy olana ny teny @ coum de teny no nijoro avy hatrany , mampalahelo ny madinika ehhh
tsy ilaina na i Ratsiraka na i Ravalo fa samy faha - vaolo+ratsy
jereo ny manodidina ny tananany any imerikiasinina betsaka ny lalana efa vakina nefa moa mba inona no tena mampiavaka an'io tanana io fa maninona ny rova na ny hotel de ville no amboarina na miala ao ambohitsirohitra ny fivondronana de mankany iavoloha izy sa matahotra ny eny iavoloha koa de manao resaka adala fontsiny eo
zay ehhh betsaka ny azo anenjehana an'i ravalo sy ratsiraka fa minia mikipy ze tsy mahita izany
7. xxx ( 18/11/2003 15:52)
toako mbola misy ny tsenan'ny coum ehefa alakamisy ehhh, dia ery amin'ny digue koa misy, dia ao amin'ny posara sy andravohangy koa misy...... ilay taloha kosa anie razoky tao anaty kianja fanaovan'ny zatovo fanatanjahambatana ny tsena eh
8. xxx ( 18/11/2003 20:57)
aza lany andro @ zany ry zalahy a!
izay mahasoa ny fiainana any antrano atao de vita e!!!!
9. xxx ( 18/11/2003 18:44)
mampalahelo sy mampihomehy ahy
daholo ianareo ireo.Tsy manja mi-
hitsy ny toe-tsaintsika raha toy izao
Izay tonga eo toa haratsiana foana
fa iza no tadiavinareo ho eo sa ha-
verina indray ilay iraika lahy taloha iny ? na
ninona ary isika no nanao rotaka
raha toy izany. Izaho tsy momba
n'iza n'iza ; sa tsy tantintsika ny
discipline tsy nisy hatramin'izay fa
samy manao ny baranahiny daholo?
ka nony tonga ny olona tokony ha-
molaka antsika dia lazaina fa mpa-
nao didy jadona?Toa tsy nisy sahy
nikofoka daholo anefa nandritry ny
roapolo taona mahery?Aza marivo
salosana isika ary avelao hitondra
aloha ny eo fa vao 1 taona monja
fa tsy 23 taona akory.Izay no tena
mahavoa antsika Malagasy, tsy mi-
jery sy afaka mandinika kely akory.
Esory amintsika malagasy ny toe-
tra tsy mendrika maro fa mahame-
natra e ! sao tonga amintsika tokoa
ny hoe : mal-gache ka mampalahe-
lo.Efa maro ny zava-bita tsy fahita
teo aloha tao anatin'ny 1 taona ma-
hery kely monja.Mandiniha tena
isika !!!!.....
10. fijo ( 19/11/2003 09:59)
izaho anie ry hery tsy miteny hoe rehefa mitondra ny anaran hoe ratsiraka dia rasty e,fa jereo ny zava misy.roland ratsiraka,nahantona nohon'ny fitantanana tsynazava tao tamatave.thierry,vao nafindra toerana dia lasa inona.(niara nianatra tamiko tao amin'ny lycée andohalo iny,ary fantatro tsara ny momba azy)
ilay aty marseille.tsaroako ihany izay zavatra nolazainy izay,tamin'ny fifidianana nampiverina an-dratsiraka teo farany:"raha vao lany eo i baininatoa(dadatoa,fa io no filazany azy) dia tsy maintsy izaho no vice consul aty.tanteraka ilay izy.de tsy mampiahiahy ve?asa aloha.
11. miora8 ( 19/11/2003 18:52)
Ny ataon'i Ra8 anie tsara fa ny manodidina azy no tena ratsy satrai maro tokoa ny olona efa teo tamin'ny andron'i Ratsi ka tsy miova fa manao ny fanaony ihany... tsy ny fianakavian'i Ratsi ihany izany fa jereo kely fotsiny ny ataon'ireo Rajemison mianakavy ... raha mahfantatra an'ilay Guy Randrianarison ianareo 'neuveu-ny) dia mba malina fa tsy manao hoe izaho pro-Ra8 dia tsy mailo... Enga anie ka diso ny fihevitro fa ny ho avy no hilaza amin-tsika
12. sepultribe ( 22/11/2003 19:06)
Ze mahasoa anareo atao fa lany andro mitsikera eo fotsiny nareo e !
Ze eo de avelao aloha hanao fa any @ fifidianana ihany no ahitana ny marina fa tsy mitovy hevitra aminareo daholo akory ny olona na rehefa be resaka sy mahita atsy sy ary de we manana ny marina. Makà tsirony alou fa aza ilaozana miferinaina eo... Mba mahaiza mankasitraka fa tsy mimenomenona mandava-taona sady raha manana atao ianareo de miezaha mba manao zavatra sy manasoa ny tanindrazana raha misy ny tsy mety hitanareo fa tsy mandany fotoana manalava resaka aty @ forum aty. tsy hiandrasana olona izay tsy mety hitanao fa ianao ihany de afaka mba manao intervention e...

tapitra
13. rfanjav ( 25/11/2003 15:41)
avelao any ratsiraka sy ny fianakaviany!

fa izay ataon-dravalo izao jerena fa mitady hanararaotra fahefana e,

14. lohalaharana ( 03/12/2003 18:55)
azafady ..............
15. fijo ( 04/12/2003 10:02)
toa marina io voalazan'i rfanjav io.mapatahotra.loza be.
16. lohalaharana ( 04/12/2003 20:11)
fijo>rfanjav>mba porofoy ary hoe inn no mba nataon' i ratsiraka t@ izy teo @ fitondrana. de inn no efa natao' i Ravalo .
tsy diso hevitra angamba nareo ? lazao hoe inona ny fahefana mitady araraotiny?
17. kitjo ( 04/12/2003 20:35)
misy mitady hiantso an Dago ho pays des moramora foana fa tsy mahazaka discipline e
18. xxx ( 04/12/2003 20:35)
mampihomehy koa i rfanjav e ! mba lazao tokoa hoe inn le fahefana tadiavin-dra8 araraotina.
Lasa adala eto isika mianakavy raha handinika ny toetra'ny mpitondra tsiray2 eo fa io no tonga amin'ilay fitenenana hoe : "ataovy milay fotsiny ny vahôka de ataovy ze ataonareo menakavy ao na hifamaky loha ao ary fa tsy raharahanay é"
de zay fotsiny fa zahay tsy mivadikatido amin'izay fahefananareo zany !
ny fantatray zao de efa mba misy ezaka satria vanimpotoanan'ny MAINTSO AHITRA (periode de soudure) isika izao nefa tsy mbola misondrora 200 ariary ohatran'ny tamin'n y adron'i deba ny kapoakan'ny vary. mbola mahita 135 na 140 na 150 zahay zao, satria io no hitanay amin'ny fiainanay andavanandro fa tsy fahefana.
19. lohalaharana ( 04/12/2003 20:51)
zao fotsiny hoa:
AZA ZATRA NY LALAN-DRIRININA
*******************pub******************

(tsotra,mora,ary mety hazahoana vola-be)

********************fin*******************
20. jimta ( 06/01/2004 11:50)
tena manao resakiny kely taona koa nareo zany indrindra fa rfanjav,tena tsy zakany atin-dohanareo mihintsy 'lay fanovana sy discipline e! sa mbola tianareo ny anaovany deba expositions ny fangoronan-karena nataony teto ireny de ny vahoka mitanatana vava fontsiny eo , mba jereony an'nyolona (U.S,FRS , sns) manankarena vao mitondra firenena fa tsy mitondra de mangorona dia avy eo terroriste be loalika ka ny ao an-trano ihny no aripaka fa zao e! :mangalà aloha nareo saina dans 3ans fa tena mbola fanina sy jejina tao anaty tunnel-ny deba nadritra ny 23ans ka mirediredy de mibedibedy sady zaokoa e! tsy foyé de famille anie io hoenti-ndRa-8 io fa état e!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0992