sary alefa eto

1. fijo ( 12/11/2003 09:04)
manao ahoana daholo.misy zavatra tsy azoko mihintsy ato.toe-tsaina,efa ele izy io tany mada,nefa dia mbola hita eto ihany.rehefa mandefa sary ato ny namana sasany,dia tsy maintsy sary mampiseho fananana no aseho.asa na ny sariny no tena tiany haseho,na,ny fananany,fa dia hita matetika io zavatra io.io ilay toe-tsaina manindry hita matetika aty mada.rehefa misy zavatra kely dia asehoseho be hoe izaho manana.asa aloha fa tsy dia voako loatra io toejavatra io.
novalian'i tess ny 06/10/2010 15:42
2. hery ( 12/11/2003 09:54)
Ny fahitako azy hatramin'izay (hatramin'izaho mbola kely) dia hoe rehefa maka sary dia manao metimety. Izay angamba no tena fototra fa tsy hoe hampiseho fananana.
Na sary hapetraka aiza io na sary hapetraka aiza. Ary tsy vao izao ihany fa efa nolovaina taona maro. Taloha ange izany haka sary izany sarobidy mihitsy e. Voatery misolo akanjo mihitsy... ary hatramin'izao mbola misy an'io.
Raha haka sary any antranon'olona ianao dia mbola mangataka izy hisolo ankanjo sy hanao metimety aloha. Tsy hoe hampiseho fananana fa hampiseho ny faran'izay kanto azo aseho... mazava ho azy fa misy fananana miaraka aminy.
Ary i fijo izany tsy nametraka sary? Saika hijery aho hoe sary toa inona no ao anaty album-n'i fijo. :)
Tsiky dia ampy
3. moi ( 12/11/2003 18:28)
Maninona moa no mampiditra sary eto ? Mba hanintonana olona.
Ka hitady namana eto kosa ve dia endrika ratsy no aranty ?

Dia naleoko mihitsy tsy nametraka sary eto, fa misy fiantraikany foana io : raha tsara tarehy ianao na taratra toa aleham-pananana dia mahasarika, nefa tsy miantoka ny tena fahatsaranao izany ; mety ho tsara toetra, tsara fanahy, mahatoky sns anefa ny olona tsy dia manan-javatra aranty, eny fa na sary atao eto aza mety tsy ananany.

Ny ahy dia efa mifandray amiko vao handefasako sary raha mila izy.

Fa tsy fidiny ho an-dry zareo kosa ange ny ho manja sy manankarena e ! hi hi hi
4. isrine ( 12/11/2003 19:26)
Salut!
Misy karazany 2 le fananana, ka ny inona zany no tinao ho lazaina @ hoe fananana? Ka ny fananana 1 dia ny harena, de ilay 1 ilay maha-izy ny tena. Ka ahona ary no anehoana ny maha-izy ny tena koa raha tsy @ sary?
Asa na mety ny fanazavako na tsia? Fa na izany aza, inona moa kay " ny maha-izy ny tena"?
5. oupsyyy ( 12/11/2003 09:02)
Fa nanin tany ndray ela ry fijo a, tsy azoko kou alou ny tin la tenenina e, mba hazavao tsara lesy fa zahay manko ange intelizan ihany fa ela be vo mahazo resaka e. Azafady lesy ry akama a
6. fijo ( 13/11/2003 20:23)
izao e,manaiky aho fa rehefa haka sary tsy sary ratsy akory no andeha aseho olona eto.fa ny tiako ambara dia ilay "image" tiana aseho ao amin'ilay sary.ohatra.maka sary eo akaikin'ny 4x4.tsy hitako mihintsy hoe atao inona ilay fisian'ilay 4x4.ianao no tianay jerena fa tsy ny fiaranao.na koa hoe eo akaikin'ny maneno be no maka sary.amin'izay dia hita hoe manana maneno tsara izahay.amiko tsy itako izay tokony hampisehoana ireo raha tsy hoe te "hanindry ny sasany" angaha ny tena.ary ilay hoe tsy misy sariko ato,ny antony dia tsy manana scan aho ampidirako azy,fatsy hoe tsy te hanome.
7. hery ( 13/11/2003 19:56)
Re daholo,

Rehefa tsy bôgôsy (ohatra anay) dia tsy maintsy haingoana amin'ny fond ny sary. Fomba fakana sary daholo izany e. Iza ohatra no haka sary eo anoloan'ny ranomaimbon'i behoririka? Ao ny maka sary alohan'ny voninkazo tsara be, ao ny maka sary eo alohan'ny tômôbila tsara be izay tsy voatery hoe anazy akory, eo alohan'ny sipa tsara be sns... Zà aloha dia ato amin'ny biraoko no maka sary ka mazava ho azy fa misy ordinatera sy ny sisa.
Fa aiza ho'a ny sarin'i Fijo e. Tianay hojerena ange hoe aiza ianao no maka sary e... angamba eo akaikin'ny Tour eiffel = manindry hoe aty andafy ve?
8. isrine ( 13/11/2003 10:43)
Salut!
Za koa anie ry Fijo ka tsy manana scan , fa nanararaotra ny operation sary no nampisy sary teto e.
Nefa ry Hery dia voatery niova ps za fa mahakamo be ny filazan'ny sasany à le sary, fa tsy i Fijo alou no nilaza azy an!
F'angaha ry Hery heno @ sary le ranomaimbon'i Behoririka?
Raha ny tokony ho izy alou tokony asiana sary mba ahalalana ny olona tsirairay e, ohatra sary tapaka, @ izay tsy ahitana ny fananana.
I Fijo hono tsy hametraka sary eto zany mihitsy ry Hery fa raha te-hahalala azy i Hery de alefako poste fa za efa nandefasany.
9. hery ( 13/11/2003 16:42)
Aleo i Fijo ihany no mandefa ry Isrine kah... (hi hi hi) tsy te hampiady anareo mi...-namana tsara io aho. Faniriana ny hoe hametrahan'ny rehetra sary eto saingy betsaka ihany koa anefa ny namana tsy manana sary mihitsy (ankoatr'ireo izay efa tsy vonona). Hasiana opération sary tahaka ilay tamin'ny voalohan'ny taona indray angamba ato ho ato.
Misaotra
10. fijo ( 14/11/2003 09:02)
akory aby e,
marina fa aty an-dafy aho no mipetraka,fa toe-tsain'ny olona tena anisan'ny halako dia io voatenin'i hery io hoe manindry fa avy aty na-dafy.tsy midika inona akory ny hoe aty an-dafy.13 taona aho izao no taty,ary tsoroko fa tena efa LEO TANTERAKA.ary dia efa mitady hevitra ny hody.
Ny maka sary any am-piasana tsy hita amin'io ilay hendrika fanindriana.satria any ampiasana,mazava hoazy fa misy ordi any.tsy voatery ho fananana perso io.rehefa manao opération sary ianareo dia mandefa aho,satria izaho koa dia anisan'ny misaina hoe tokony hisy ny sarin-tsika rehetra ato hifankalalana.fa tandremo ny sariko ry piso an.anao irery inyah,ah,ah.(jereo any amin'ilay resaka vehivavy any liban)
Izay aliha fa a+ e.
11. isrine ( 14/11/2003 12:32)
Salut!
Zany ve ry Hery dia zavatra azo lazaina fa marina, tsy hanana ve na sary tapaka ny olona 1. FA rehefa hoe tys hanome izy dia tsy manome fotsiny zao. Mety hoe tsy tiny ho fantatry ny olona angamba hoe: izy no izy.
12. fijo ( 15/11/2003 15:38)
fa angaha moa hoe tsy manana sary e,fa tsy manana scan handefasana azy.raha manao ilay operation ianareo dia mandefa aho.
13. hery ( 16/11/2003 09:56)
Alefaso aty amiko ny sarin'in Fijo (na sary anaky dimy aza) dia scanner-ko dia poster-ko miverina.
Raha misy te hanao an'izany ihany koa dia afaka manoratra message amiko eto.
Manorata amin'ny hery ao amin'ny namana dia omeko ny adiresy paositra...
Mbola tsy operation sary officielle io an :)

Ok
14. fijo ( 18/11/2003 20:37)
ok misaotra ny amin'izay.dia handefa ary aho ka.ilaina io hifankafantarana.ary ireo manao xxxx ireo dia tokony mba hanisy ps fa mahakamo be ny mamaly azy.izy fa dia handefa sary aho izany e.
15. ronaldo09 ( 18/11/2003 20:57)
Ny ahy indray tsy olana miko na inona ny endrik'ilay sary fa mba tokony hajaina fotsiny ny fitsipika momba ny fandefasana sary.Misy ny sasany mndefa sary nefa tsy azy akory fa an'iNelly ville mpihira amerikanina
Koa tsy dia misy dikany loatra ny endriky ny sary alefa
16. rfanjav ( 18/11/2003 14:00)
Misy kosa anie raha mandefa sary eto dia misy mitsara tsotra izao e!

fa ny @ ilay hoe maka sary akaiky fananana indray, izaho aloha dia anisan'ny tia manao an'io ,

TSY RESAKA FAMPIDERANA FANANANA AKORY ry Fijo,

fa MIPETRAKA HO FAHATSIAROVANA NY SARY,

ka mba ho tadidy any aoriana any ohatra hoe, t@ ity sary ity izahay mbola vao nahazo an'izao, ...
na koa hoe t@ izaho niasa tany @ ... ity,
na koa hoe mba afaka nitaingina 4x4 izahay t@ io sary io!

aza dia maika ny hitsikera ho'aho,

17. rfanjav ( 18/11/2003 14:02)
mbola ampiako, ny sary alefa eto anie tsy voasoratra t@ voalohany hoe alefa ato @serasera , fa mety efa sary nananana tany e,
ka tsy mipetraka ilay hoe natao hampiderana fananana ato @ namana!
18. hery ( 18/11/2003 15:50)
ronaldo099

- Misaotra niteny. Izahay izay mpanao sivana an'ilay sary tsy dia mahalala loatra hoe iza no iza fa raha lazainao anay ny pseudo misy sary tsy izy dia esorinay tsotra izao ilay sary.

- I ronaldo09 kou nametraka sarin'i carlos (io indray mba arakay) koa dia efa nesorina ilay izy araka ny fitsipika nolazainao ihany.

Misaotra
19. fijo ( 19/11/2003 20:39)
rfanjav,mety ianao no mihevitra toa izany fa tsy ny rehetra.matoa misy mandefa sary tsy azy dia misy izany io fisainana io.
20. rfanjav ( 19/11/2003 19:34)
fijo : efa roa arivo mahery isika eto, ka samy manana ny fisainany daholo ny tsirairay fa tsy voatery hitovy @ ny anao avokoa,

mahaiza fotsiny mifidy izay ho namanao ! (izay tsy mampidera fananana @ sary izany)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1346