FAMPIRAFESANA

1. rinakely1 ( 08/11/2003 09:29)
Mba tiako fantatra we inn no any mahatonga ny lehilahy na ny viavy mampirafy?
Ary inn kay ny tombotsoan' azonareo @ izany e?
novalian'i rinakely1 ny 25/06/2005 21:45
2. pisobe ( 09/11/2003 18:23)
Salut!
Viavy za mamaly anao.
Enao angaha mbola tsy nitia olona 2 in-1 mandeha. Marina fa mety tsy hoe nilaza fa tia ilay olona ianao fa ny eritreritrao ve dia mbola tsy nandalo t@ izany hoe "tiko iny olona iny zany..."
Apodiko amin'i Rinakely ny fanontaniana: inona kay no atao hoe "mampirafy e"?
A+
3. tia_ery ( 10/11/2003 12:20)
Tsy dia misy antony loatra fa fitia te hila vaniny fotsiny. Ilay te hanandroa de izay. Mazàna ny olona mampirafy dia miezaka hametraka antony fa tsy izy no diso fa ilay tena vadiny ara-dalàna dia foronina daholo zao antsanga rehetra izao.
4. ina ( 10/11/2003 13:21)
Tsy misy antony mazava fa dia samy tiana ilay olona dia miaraka sy mifankatia, tsy mbola tojo izany ve enao Rinakely a?
5. fijo ( 11/11/2003 09:09)
rinakely a tsara be io fa anadramo,izay tsy azo aty alaina ery,dia ho faly foana ny tena.
6. ds ( 11/11/2003 11:12)
Endrika iray isehoan'ny tsy fahatokisan-tena ny fampirafesana.
Rehefa tsy mahatoky tena, dia tsy an-tany tsy am-parafara fa mizarazara.
Tombotsoa : eo noho eo no mety ho azo saingy tsy maharitra velively. Mety ho very aza ny efa eo an-tànana
7. fijo ( 12/11/2003 20:37)
anontanio piso be.
8. moi ( 12/11/2003 17:35)
Ny lehilahy dia naturel Polygame, ary mahafinaritra ange izany tia izany e ! Saingy tsy izay mahafinaritra dia mahasoa !
9. isrine ( 12/11/2003 09:05)
Salut!
Zany ve ry Ds? Ny fiheverako azy indray dia hoe diso matoky tena aza. Ary ny tongotro 2 tena antany fa tsy any amparafara mitsy. Ary ny tombotsoa dia maharitra, raha hainao ny mandrindra ny fiarahana.
Ny zava-misy koa anie de zao e, ao ny fijerin'ny public, vao mahita lehilahy sy vehivavy miaraka de hoe, iny koa angaha no manao @ iny, na tsy misy inon'inona mihitsy aza. Za dia milaza aminao, fa trompé daholo ny olona raha izay no ilazana ny tenako. Tsy mba afaka ho mpinamana mihitsy zany ny lehilahy sy vehivavy raha tsy hoe misy firaisana, de avy eo lazaina fa mampirafy ny olona 1.
Marina ny tenin'i Moi, naturel @ lehilahy le izy. Ary izay no tokony ho fantarin'ny vehivavy: INONA MOA NO ATAO HOE LEHILAHY?
Indray2 zavatra tsisy fotony de ataon'ny vehivavy olana. De hanafohy andro iainana @ izay eo.
10. ds ( 12/11/2003 11:21)
Disoiko ilay hoe "Ny lehilahy dia naturel Polygame". Ary ny vehivavy ?
Ny mampirafy moa tsy hoe miaraka amin'olon-droa na maro ? Rehefa miaraka tsy voatery mifankatia ary rehefa mifankatia koa tsy voatery miaraka. Azo tiavina daholo izao taza-maso rehetra izao na izao anoratana rehetra izao. Fihetseham-po voajanahary izany kanefa raha hiarahana daholo izay rehetra manaitra ny fo ve hisy zavatra vanona.
11. hery ( 12/11/2003 17:09)
Iza indray izany manaratsy lehilahy izany? Lasa sexisme lé izy :)
Ekeko io nolazain'i ds io. Ny olona mampirafy dia efa azo atomboka sahady @ olona manomboka manana sentiment d'amour amin'ny olona anakiray na dia mbola tsy mifankatia (reciproque) aza izy ireo. Actes fotsiny sisa no tsy ao fa ny fampirafesana an'eritreritra efa ao tanteraka.
Dia iza no tena polygames raha izany? Tsy ny vehivavy? Ny an'ny lehilahy mantsy matetika tonga dia tanterahiny ka vitsy no vita... (raha misy) fa ny an'ny vehivavy platonique dia mahavita be dia be ao antsaina ao :)
12. fijo ( 13/11/2003 20:04)
dia samy manao izany ka.inona no olana.
13. isrine ( 14/11/2003 14:47)
FA ny lehilahy no hitan'ny olona matetika e.
KA mbo valio ary ny fanontaniana e, inona no atao hoe "mampirafy"?
14. diamondra27 ( 14/11/2003 09:52)
ny tena izy aloha dia mampirafy ny olona satria ny olona miaraka aminy @izao fotoana tsy manome fahafahampo azy. Na ihany koa ny caractère n'izy 2 lahy opposés na complémentaire.Na koa mba aventure fotsiny izao. Na besoin n'i Kala koa ilay izy (aretina= nymphomane) Ny plaisir dia arakaraka. Valio io aloha dia lazaiko ny antony @ manaraka
15. fijo ( 15/11/2003 15:24)
mampirafy satria tsy ampy e.
16. rinakely1 ( 17/11/2003 19:55)
Inn kay ry fijo no tsy ampy @nao ?
17. rija ( 17/11/2003 20:09)
mampirafy? Rehefa miaraka @olona mihoatra ny 1.
18. mity ( 17/11/2003 20:37)

Amiko alou fialàna bala fotsiny le hoe satria ny iray tsy manome fahafahampo de tanisaina eo dol ze toetra ratsin'le ray, fa rehefa te hampirafy izy de mampirafy un point c'est tout fa resaka fotsiny ny ankoatr'zay.
Manarak'zany, ny zavatra hitako de matetika ny lehilahy no tena mampirafy, matou ny vehivavy no mampirafy de mbola tsy tena tia izy zay fa ny an'ny lehilahy tompoko de tena efa naturel aminy tkou angambany zany hoe mampirafy zany. Betsaka ny lehilahy fantatro na namako mampirafy dol, ny sasany zany efa manambady zao kanefany de mbola miaraka @ olon-kafa ihany rizalahy e!! ka izao e! mankarary andoha fotsiny ny mamaly an'io fanontaniana io fa antanjao ny tsara ny saina rehefa miaraka ao an-trano ihany no anao izy fa ny ankoatr'zay de efa hitambarana @ olona.
19. felana6 ( 17/11/2003 09:18)
Amiko indray ilay fampirafesana dia tsy tokony hatao satria voalohany aloha sady mampijaly ny tenanao ianao no mampijaly ny hafa koa, manaraka izany koa dia fahotana eo anatrehan'Atra anie zany e! aleo rehefa tsy tiana ny iray dia tsorina aminy fotsiny dia misaraka afaka miaraka amin'ny hafa indray ianao satria ny fampirafesana dia efa mariky ny tsy fitiavana angamba. Marina fa misy tsy feno ao matoa manao izany ny iray nefa izao koa no tsarovy fa na hampirafy 10 aza ianao mety hisy tsy ampy foana eo fa hitady hafa foana ianao. Ny zava-dehibe angamba dia ny fahaizana mionona amin'izay iray nosafidiana dia miezaka ny mba hifameno koa fa tsy vitan'ny iray fotsiny anie zany e! Dia entina ambavaka ny fiarahana fa milamina foana io sady ho hitanao fa na izany fampirafesana izany aza lasa tsy ho tianao akory rehefa tena apetrakao amin'Atra ilay fiarahana.
Zay ny hevitro kely fa amin'ny manaraka indray e! bonne chance daholo
20. xxx ( 17/11/2003 11:32)
Bogy no manoratra.
Raha ny bandy no mampirafy de matetika revy fotsiny ihany izany, fa raha ny sipa kosa de tena misy tsy ampy @ ilay bandy miaraka aminy dia mitady famenony e!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2502