Ny fandraisan'ny dokotera ny marary

1. xxx ( 01/11/2003 15:15)
Ahoana no fomba fijerinareo ny fandraisan'ireo personnel médical ny marary eny amin'ireny hôpitaly na dispensera ireny amin'izao fotoana izao?
novalian'i angie ny 01/04/2004 11:19
2. rfanjav ( 28/11/2003 19:44)
ny dokotera tsy dia maninona fa ireny aide na infirmier ireny no miseho ho kizitina mialoha,
3. xxx ( 29/11/2003 13:55)
any dago aloha d mbola tsara miofana @ fandraisana oln ny infirmière na ny secrétaire fa tena misy d manao tsintsinona ny marary mitsy!
4. rfanjav ( 02/12/2003 18:54)
misy tena mikitakita mahatsiravina mihitsy,

ohatra ny hoe dia mba inona ireny?!

5. xxx ( 11/12/2003 09:12)
Io toa arakarak'ilay marary anao no andraisan'ny dokotera anao kah!asa,raha tapaka ilay olona ohatra dia raisiny eo ambony brancard,arakaraka e! sa tsy izany moa???
6. ikaretsaka ( 07/01/2004 16:28)
dia ny inona no raisiny avy eny ambony brankara?
7. pitchou ( 10/01/2004 11:42)
izaho kosa aloha mahatsapa fa tena nisy fivoarana be mihitsy ny fandraisana olona @ biraom-panjakana rehetra e! na hopitaly na hafa! saingy kosa dia tsorina fa misy olona tena ahatsindrina fo mihitsy!
8. dom ( 13/01/2004 09:05)
Efa vrac be zao ny dokotera eto @ tanàna fa rehefa manamerde de ialao na alefaso ny fitarainana! izay koa ange ny problèmentsika e! raha himenomenona dia mahay fa raha hihetsika hampijanona izay mampimenomenona dia tsy sahy! alefaso any @ kidaona maraina r'ianona a!
9. solaloha ( 31/03/2004 19:24)
Ny fandraisan'ny dokotera ny marary dia miankina koa @ny toetran'ny marary na ny mpanaraka azy.Misy marary na ny mpanaraka azy mibaiko dokotera:Tsy fantany ve fa io dokotera io dia niofana an-taonany maro,nefa izay heverin'ilay dokotera hitsaboana azy dia laviny fa izay hevitra any an-dohany any ihany no tereny harahin'ilay dokotera.Eo noteraka ilay fikitakitana marary indraindray.
10. ikaretsaka ( 31/03/2004 20:15)
ka tsy voatery mahay izy raha niofana an-taonany maro aza. firy moa ny maty vokatry ny tsy fahaizan'ny dokotera?
11. angie ( 01/04/2004 11:19)
Tsy misy maty tsy @ androny hono e, fampiononan-tena fotsiny io e.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3386