Fihaonana manaraka 29 novambra

41. xxx ( 26/11/2003 13:09)
raha azoko tsara zany ry rfanjav dia zay efa nifanoratra aloha no manao zay ifankahitany @ io andro io?
42. fijo ( 27/11/2003 20:27)
tsy izy ireo ihany fa izay namana rehetra angambany ka,na mifanoratra na tsia.fifankalala ho an'izay tsy mbola mifankafantatra.dia tongava ary.
43. rfanjav ( 27/11/2003 19:50)
an an an, fifankafantaran'ny namana rehetra io ka,

fa ny tiako tenenina @ ilay hoe : "azo anitarana ny fifaneraserana an-tsoratra teo aloha" dia mety mba hanita-kevitra ny namana, ka tsy hijanona @ fifanoratana ato @ namana fotsiny fa hiroso lalindalina kokoa hanatsarana an'i M/kara ohatra (ohatra an'ilay vinavina napetrak'i Hery Projet 2004 )

Asa na azonareo ny tiako ho tenenina,
tongava daholo @ sabotsy dia ho hitantsika ao e!
44. fijo ( 28/11/2003 20:53)
naika taitra aho nahita ilay hoe"hiroso lalindalina kokoa"kay moa ho an'ny madagasikara.ah,ah,ah.
45. rfanjav ( 28/11/2003 12:20)
Ity Fijo ity a,

fa izao ilay hoe : manao lanonana fahavaratra e!

asa hanao ahoana ihany izy ity,

fa dia manantena antsika rehetra izany rahampitso !
46. rjmahel ( 30/11/2003 20:34)
Ka nanao ahoana izy tao. Nisy namana nilaza fa nikija be ny orana, ka asa na nanao ahoana?. Mba ampitampitao ny zava-nisy e.
47. rfanjav ( 02/12/2003 19:06)
Ho avy tsy ho ela ny tatitra ka,

tsisy orana zany taty, (taloha angaha fa nijanona ihany ny orana ka!)

zara raha nisy olona firy fotsiny no tany, nefa tsy efa misy an-jatony ny eto TanĂ  fotsiny!!!

mampalahelo ihany!
48. hery ( 02/12/2003 18:47)
Izay tonga dia ifaliana fa tsy mampalahelo izany...

Samy manana ny tanjony eto amin'ny namana. Ireo tonga tany ireo angamba no vonona ny hivondrona bebe kokoa. Dia misaotra anareo rehetra izay tany. Efa nalefako email any amin'ny fandraisana vaovao momba ny namana ny tatitra azoko tamin'i djiul.
Misaotra betsaka.
49. fijo ( 03/12/2003 20:55)
misaotra betsaka an'izay tonga e,rehefa mandeha tsara io dia hoavy eo ihany ny sasany.
50. djiulambout ( 11/12/2003 12:55)
sao de lany andro amin resaka mihodikodina eto isika e, ny tena votoatiny de ity ary ity no tokony ho valin ny olona rehetra aloha zay vao manao dissertation nefa ny sujet tsy mbola fantatra akory,

rehefa tafajoro soa amantsara izy de tsy olana izay resaka atao fa mba miangavy anareo oe ity mila valiny:

- Ny fanontaniana apetraka amin ny namana ato @ site namana.serasera.org izay te hiditra ho mpikambana namana

1- solonarana ( tsy mahazo manao anonyme )
2- Mazoto ny hiditra ho mpikambana ve ianao raha eny vao manohy ny eo ambany
3- Raha eny afaka manome ny sosokevitra ve ianao hanatsarana sy hanitarana ny fikambanana
4- Azo fantarina ve hoe : inona no andrasanao na irinao ato @ fikambanana
5- soskevitra hafa raha misy


ka de manantena anareo hamaly,

ny tohiny tokony ho hitako eto zany dia

1- solon anarana
2 - na tsia de tsy misy tohiny intsony , na milaza ny antony de izay
- na eny de misy tohiny : 3 - 4 - 5


Manantena anareo handray anjara mavitrika satria izay no votoatin ity lohahevitra ato ity
TETIK ASA SY VINAVINA.

TSIKY ARAHAN ASA NO ILAINA

Djiul
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2164