Misy tery.

1. lion ( 27/10/2003 11:20)
Izao e!Misy lohandohany ao @fiangonana maromaro samy hafa miady hevitra, ny iray milaza fa ny ahy no marina,ny atsy koa manizingizina, ny etsy moa tsy laitra akisoka,tsy mitonona ny ambiny.Misy olona maromaro koa miresaka,tsy mpino nefa koa tsy jiolahy,fa miditra @ resaky ry Pasitera sy ry Mopera fotsiny,ny etsy milaza fa \"efa nahita loandohany fiangonana tsy manankialofana ve nareo?\",ny atsy mamaly \"ary mpiambina tanana efa nahita ve nareo?\",mamaly koa ny hafa\"ireny tsy maintsy mba mety mety ny farim-piainana fa manjary mampihomehy ny fiangonana iray raha vao hoe:ny lohandohany ao @io fiangonana io,hono,aide chaufeur,mamaly koa ny sasany\"t@ izaho 17 dia dadatoanay loandohany tao @fiangonana iray dia nolazainy fa izaho tsy mety mivavaka,hono,no mahatonga ny fiainako mitotongana ohatr izao,nefa izy tsy mitovy amiko mihitsy,izy olona efa tsara karama.
novalian'i fijo ny 28/01/2004 11:07
2. rfanjav ( 27/10/2003 12:35)
Tena tsy azoko mihitsy hoe aiza marina no tianao ahatongavana @ ilay lohahevitra,
soso-kevitra, sa fanontaniana, sa fanakianana, sa ...
3. xxx ( 31/10/2003 11:08)
samy miezaka ny milaza ny marina ny tirairay io ry zareo ; ka izay mandresy lahatra anareo no aoka hidirana . fa ny fanompoana an'Andriamanitra rey olona dia fiainana fa tsy andrak'andrana ; fa raha toa ka tsy resy lahatra ianao @ anakiray dia tsy maintsy misy kosa anefa ny handresy lahatra anao @ anakiray
4. kally ( 19/11/2003 16:51)
Amiko ny fifandraisana amin'Andriamanitra dia anao sy Atra manokana,tsy hijerenao an-dRabe na Rakoto,fa ianao no jerenao.Satria ve mandeha an-kavia Rabe izay milaza ho mpivavaka dia handeha hiankavia koa ianao nefa fantatrao fa ny mandeha miankavanana no araka an'Atra?
5. fijo ( 20/11/2003 09:53)
mifanaraha aloha ianareo pivavaka,vao miresaka minay.ianareo smy ianareo aza tsy mitovy fomba fihevitra momba azy,koa ataonay inona
6. rfanjav ( 20/11/2003 18:31)
Tsy ny olona mpitondra no tokony hojerenao fa ny hanamafisana ny finoanao!

Ny fihevitro tsy fihevitrareo hoy ny teny!

ka sao ny fahitana mpitondra fiangonana manao an'izao na izao no hampihemotra anao!
7. fijo ( 21/11/2003 09:01)
koa ny pitarika aza manao ko inona indray.
8. hery ( 22/11/2003 10:07)
Tsy logique (convenient) ange izany lazain'i fijo izany sy ny fotokeviny e.
D'un côté i fijo milaza fa tsy mino (plus individuel, tsy miankina @ fiangonana sy ny sisa), de l'autre côté anefa toa manaiky mpitarika indray, hiérarchie (ou plus précisément Eglise).

Ny ahy manokana dia io nolazain'i rfanjav io. Tsy hoe raha sanatria mpisotro toaka ny papako dia voatery hisotro toaka koa aho kanefa fantatro tsara ny voka-dratsiny... toa izany koa na inona na inona toetran'ny mpitarika dia tsy ny toetrany no arahiko fa izay lazainy... izay tsy izy no milaza azy fa efa nolazain'ny olona talohany. Accident eo amin'ilay événement fotsiny ny maha ratsy ilay mpitarika fa ny événement (ilay finoana io) dia efa nitohy hatramin'izay ka hatramin'izao.

:)
9. fijo ( 25/11/2003 10:23)
ny tiako lazaina rahery dia izao.raha manao ny pitondra,ahoana moa no andrarany izay olona tarihany.izy anie no ohatra ho an'ilay olona e.izay no maha pitondra azy.amiko izy tsy misy dikany.ho an'nireo izay pino tarihany no nilazako an'io.ny reniko dekonina protestanta.izaho tsy mino ny fisian'andriamanitra.
10. rfanjav ( 26/11/2003 20:13)
tsy tokony hijery olona ianao,
ary aza mitsara koa mba tsy ho tsarain'ny manodidina anao!

"aza ny ataoko no atao fa izay lazaiko tanteraho"

satria ve ianao nahita mpitondra fivavahana solafaka @ lalandratsy dia izay koa no anamafisanao ny fonao?!
asakasakao ihany io,

na raisina @ fiainana andavanandro aza, hoe nanitsakitsaka ny reninao ve ny rainao (ohatra ity a), dia hanao izany @ vadinao koa ianao, na hanamafy fo tsy hanambady!


11. rfanjav ( 26/11/2003 20:15)
dekonina hoe ny reninao, nefa ianao tsy mino?!

na ny ray amandreninao izay no tsy nahay nitarika anao any @ lalana narahany, na ianao mihitsy no nanamafy ny fonao tsy hanaraka azy!
12. fijo ( 27/11/2003 20:05)
ilay hoe aza mitsara mba tsy ho tsaraina,dia tenin'ny olona tsy tia mandray andraikitra.mataotra ny hotsaraina amin'ny andraikiny.izay no tsy itiavako io teny io.izany akory tsy midika koa hoe mitsaratsara be fahatany,fa mba mila antony.izaho dia panao sekoly alahady taloha.ary dia pino toa ny gasy rehetra.saingy tsy nanaiky fotsiny izay nolazaina ahy aho,fa manontany foana ny anton ny zavatra lazaina ahy.ary izay no nahitako fa tsy misy io zavatra lazaina amiko fa misy io.
13. rfanjav ( 28/11/2003 10:16)
Any @ "catégorie"-n'ny "rebelle", na "hors la lois" ianao izany, (resaka fivavahana sy finoana an'Andriamanitra no tiako tenenina eto) ka normal raha mandà sy mitsipaka ny lalàna nentina nanabe anao hatr@ fony kely!

Ilay "aza mitsara mba tsy ho tsaraina" dia teny entina ilazana hoe : jereo aloha ny toetranao sy izay ataonao, vao mitsara ny an'olona ianao.
14. fijo ( 02/12/2003 12:01)
ka ilay izy koa anie tsy hoe fitsarana,fa filazana ny zavatra tsapa e.
15. manantsoa ( 16/01/2004 19:12)
marina ny teninareo fa tsy ijerena ny olon- kafa ny fifandraisana @ Atra . Tsy mety ary tsy ekeko kosa ny hamonjy fotoam- pivavahana ao @ fiangonana iray raha fantatra hananako porofo fa olon- dratsy tsy mendrika ny pasitera ao ( mpampirafy, mpangalatra ...... ).
Izany dia ataoko aorian' ny fitenenako azy ny tsy mety nataony.

Ny fihatsaram- belatsihy mantsy mazàna no mahavoa ny fiaraha- monina kristianina . Efa hita izao fa misy tsy mety ataon' ireo mpitondra manana andraikitra ao @ fiangonana dia tsy misy sahy miteny mba hanitsiny ny toetra tsy mety ataony.
Ankoatry ny finoana anie dia misy resaka fanabeazana atao iarahana amin' ireny mpitondra fivavahana ireny e !
16. mahaizamifidy ( 17/01/2004 14:14)
Manantsoa>>Aza mitsara mba tsy hotsaraina,dia inona izany no atao?
17. ikaretsaka ( 22/01/2004 14:30)
ka tsy i pasitera ange ny andehanana any fa i Andriamanitra e?
18. fijo ( 28/01/2004 11:07)
ngaha mbola nisy nahita an'andriamanitra tao.koa aninona andany andro any aho.pasitera mpanenjika sipa no miandry rakitra ao.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1465