Ilaina ve ny toaka Gasy?

1. a256011 ( 23/10/2003 15:28)
Ahoana ny hevitrareo momba ny Toaka Gasy (T.G)?
- Ny mpandala ny fomba fanao hatr'izay (fombandrazana)mankasitraka ny fampiasana azy io (famadihana, famorana sns...)
- Ny mpigoka koa torak'izany (mora sady ...)
- Saingy ny manampahaizana sy ny lalàna kosa mandrara ny famokarana azy io.

Ho an'ny Namana kosa ahoana ny hevitrareo?
2. dd ( 23/10/2003 15:59)
fa ahoana kay ? misy lalana mandrara ny fanamboarana T.G ngah zao?
3. rfanjav ( 23/10/2003 16:45)
f'angaha moa tsy efa ela be no nisy an'izany lalàna izany, raha tsy izay inona no isamborana an'ireny mpitondra toaka gasy eny @ taxi brousse ireny ohatra?
4. a256011 ( 23/10/2003 13:01)
Misy lalàna mandrara izany ka, nefa ihany koa tsy misy izay tsy mahalala fa ampiasaina @ fomba isan-karazany koa izy io. Ka eo indrindra no tsy azoko ihany koa???
5. fijo ( 14/11/2003 20:48)
manao ahoana daholo.
marina fa misy hatry ny ela io lalana io,saingy lalana miatsara ivelatsy fotsiny,satria mahafantatra daholo isika,fa ampiasain'ny olona izy io.ny minisitra aza dia mampiasa(oh Simon pierre).ny tokony hataon'ny gasy dia tsy ny mandrara azy io,fa mamaritra ny momba azy io ao anaty lalana.ny antony andraran'ny lalana azy io anie dia izy tsy hay ny degre e.ferana fotsiny io degre io dia avela izy ho libre.aty france any izany zavatra vokatry ny tany izany misy valeur be,fa isika manao tsinotsinona ny an-tsika.
6. jokely ( 17/11/2003 19:50)
Ny mahatonga ny lalànantsika mandràra ny tôka gasy nge de satria manao daholo ny bodo sy ny adala rehetra de mivadika poizina le izy ho an'ireo tsy mahay de mamosavy ny mpisotro e !
7. fijo ( 18/11/2003 20:43)
ka izay no ataoko hoe asiana (controle)fotsiny io dia tsy misy olana.ny roma vazaha misy hatramin'ny 52°koa nahoana isika no tsy tokony ahazo hanamboatra,sy hivarotra ny an-tsika?
8. a256011 ( 19/11/2003 09:22)
Salama daholo !
Ireto no isan’ny vokatra azo rehefa avy manao fermentation –na fary (manambotra toaka): Méthanol (Mé), Ethanol (Et), …
Ny Méthanol anefa dia tena poizina tokoa raha miohatra ny fatra tokony ho izy ao anatin’ny Toaka vita (20g/hl). Ny Ethanol izany no alcool azo sotroina ao @ Toaka.
Ny famokarana Toaka Gasy anefa, noho ny tsy maha ampy ny fitaovana dia tsy afaka manasaraka ireo fangaro (Rano+ Ethanol+ Méthanol…) ka izany ndrindra no tena antony andràna azy.
Na Toaka 42° aza no vita eo ka mihoatra io fatra (20g/hl) io ny Méthanol dia efa poizina izay.
Ankoatra izay, na dia mety tsy ahafaty ilay olona nisotro aza io toaka misy poizina io dia mety ahajamba sy/na ahalasa adala.
Maheno koa angamba ianareo hoe : ny T.G misy formol, ny tena marina angamba dia ny Méthanol oxydé no lasa formol. Raha tsy ampy oxygène izany ny rivotra fohan’ilay mpisotro T.G misy poizina dia ho lasa formol any anaty ràny ny méthanol. (Raha ampy moa ara-Théorie dia lasa Energie sy Gaz CO2 .)
Ny Mpamokatra alcool Sirama Namakia ohatra dia ampy fitaovana, ary afaka manao Alcool Ethanol (Toaka fisotro) 70°. Dia ara-dalana izany ny famokarany.
9. fijo ( 20/11/2003 09:24)
koa maninona raha ampian'ny fanjakana ny mpamokatra tg hanatsara ny vokany,dia mba hatsaraina hatrany ho lasa produit de terroire.Io no maha voa an-tsika;vita gasy dia ratsy.koa tsy hatsaraina tsinona fa tsaraina fotsiny ko.
10. a256011 ( 20/11/2003 18:53)
Ny amin'izay dia tsy haiko leroa; Fa izao: Any Namakia hoaho misy Orinasa Gasy lehibe sady mamokatra Siramamy, no mamokatra rhum (Toaka eh! Toaka Gasy Tsara ho an'ny mpihinana azy) ara-dàlana tsara, saingy noho iny Krizy nitranga t@ Firenena iny dia tsy mbola tafarina hatramin'izao. Tsy haiko aloha izay fiovana fa tsy nandray Karama nandritra ny volana maro ny mpiasan'ny Sirama. Izao @ Fifidianana izao no tsy haiko. Miandry an-dRafanjakana hanampy izany isika eh!
11. kally ( 20/11/2003 15:36)
Izaho aloha dioa hoy aho hoe tsy isalasalana fa ilaina ny toaka gasy,volan'ny gasy no miasa ao,manome asa ho an'ny gasy fa asiana fanarahamaso araky ny nolazain'ia256011 etsy ambony tokoa.Io fotsiny no lafy ratsiny angamba,ny mpisotro toaka anie hisotro foana na misy na tsy misy ny toaka gays ka raha samy hanome asa ihany nahoana raha ny gasy aloha no omena asa amin'ny fividianana ny vitatsika gasy?
12. fijo ( 21/11/2003 20:00)
kally,raha hoatra anao ny pitondra,efa nandroso isika.tsy ny fandrarana azy akory no tsy hisotroan'ny olona azy.koa satria te hisotro ny olona dia aleo hatsaraina ny zavatra homena azy.dia samy mahazo tombony amin'izay.ny fanjakana mahazo vola,ny vahoaka afaka mirevy,ny vokatry ny tany mba mahazo vahana,ary misy ny asa.
13. oupsyyy ( 21/11/2003 16:15)
Ny zavatra kou ange raha vao rarana vao maika manintona ny oul, tadidio isika fony faha kely, zay zavatra andrarana antsika vao maika ataontsika. Anjaran'ny tsirairay fotsiny ny mandalanja ny tokony ho zakan'ny vatany. Marina fa tsy de tena norme le TG fa misy mpitia le izy ka atao ahoana ary, aleo atao môlômôlô ihany ny fisotrana azy e
14. fijo ( 25/11/2003 09:16)
izaho manokana aloha dia tena tia azy io e.fa tsy manao goka alika akory rehefa misotro.ary mampalahelo ahy ny andrarana azy tsy ho azo amidy malalaka.
15. rindranavalona ( 26/11/2003 14:30)
Dia hono hoaho ry zareo, raha izany no izy maninona no tsy lazaina koa fa tokony avela malalaka koa ny rongony, satria samy dolmelina daholo io sy ny sigara. Misy koa anie ny tia anio e!
16. kally ( 26/11/2003 15:01)
Ny fisotroana toaka anie tsy midika ho fimamoana foana e!misy misotro fa tsy mamo,izay no tsy mampitovy azy @ zava-mahadomelina ka ahafahana mivarotra azy malalaka kokoa noho ny zava-mahadomelina,sady araky ny efa voalaza tery ambony,raha handrara ihany nahoana no ny toaka gasy ihany no raràna fa tsy ny toaka rehetra???Noho izany rehefa toaka dia toaka na raràna na avela malalaka ka ny efa navela malalaka no nisy hatramin'izay nahoana no horaràna nysasany?
17. fijo ( 26/11/2003 19:26)
sady fiatsaram belatsihy fotsiny io fandrarana io,fa na ny ministra aza rehefa manao fety any aminy any dia mampiasa io.
rindranavalona,fantatrao ve fa any pays bas dia libre ny varotra rongony,ary fantatrao ve araka ny fanadiadiana siantifika,fa ny sigara dia misy effet ratsy noho ny rongony ho an'ny pifoka azy betska.tsy mifoka io zavatra io aho,ary tsy mifoka sigara koa,ary amiko dia mitovy ny pifoka ireo ka samy ekeko ny fisianay.
18. rindranavalona ( 27/11/2003 20:22)
Marina anie ny voalazanareo e! Fa ny tiako ambara dia ity. Raha avela malalaka ny T.G izay tsy en norme, sahala @ izany koa ny Paraky Gasy. Mitovy fiatraikany @ rongony ny loza aterak'ireny ka. Firifiry moa izay matin'ny TG izay? Ny rongony koa anie misy mampiasa azy ho fanafody e! saingy rehefa tsy ara-dalàna dia tokony... Fa tsy ampitahainareo koa hoe ny sigara sy ny rongony. Izaho tsy miteny hoe tsara ny sigara, fa mba misy norme.
19. rindranavalona ( 27/11/2003 09:35)
Izaho kosa tsy mino izany hoe ratsy ny vokatry ny sigara noho ny rongony. Omeo porofo ara-tsiantsa aho ary Manampahaizana iza no nilaza izany? Marina fa mety nisy olona nahazo vokatsoa ara-pahasalamana t@ rongony, fa en général ratsy kokoa ny rongony. Ary ilay any Pays Bas koa tsy dia inoako loatra, mety misy lalàna mandrara ihany angamba, fa ohatra ny TG aty amin-tsika e!
20. fijo ( 28/11/2003 20:25)
rindranavalona,ilay any pays bas dia tena hoatra ireny fivarotana sigara ireny ny fivarotana rongony.aty europa ny sigara dia tsy amidy eran'ny mpivarotra,fa any amin'ny pivarotra voatokana misy soratra "tabac"dia toa izany koa ny rongony any pays bas.fa dia malalaka.
ilay hoe profo momba ny haratsin'ny sigara noho ny rongony,tsy ananako ny refn'ny ilay art,fa etude tany angletaire io,ary namarinina eran'ny europe sy usa.
ka izay anie no ilazako hoe tokony hatsaraina sy asiana fanaraha maso fotsiny ny TG dia avela amidy e.fa raha toa izao dia maty antoka ny fanjakana,moa ny olona tsy voaharo ny fahasalamany.
aleo arindra dia mivalona io resaka io e.sa tsy izay hoy ianao.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2698