Toaka sy bizinesy

1. levondraky ( 22/10/2003 15:27)
Alohan'ny hiresahana bizinesy matetika de aroso aloha ny toaka, de 'zay lafo vidy sady mahery tsara . @ zay angamba fanimpanina ilay olona iresahana de mora resena lahatra. Na hiresaka @ tantsaha aza dia ilaina ny mitondra toaka, raha ts'izany tavela. Hita anefa izy io fa tsy dia mahasalama.
Misy azo asolo ny toaka ve sa avelao @ zao?
novalian'i six ny 03/03/2004 16:32
2. a256011 ( 23/10/2003 15:40)
Araka ny hevitro, ny saina ihany no mitondra anio. Ny fahaizanao mandresy lahatra ny olona iresahanao dia avy amin'ny fahalalana izay anananao ihany. Ny zavatra tsapako aloha ireo olona nisotrosotro no tena tsy azo ifandaharana, satria heveriny fa ho marina daholo ny heviny noho ny asan'ny toaka.
3. rfanjav ( 23/10/2003 16:48)
Ny antony androsoana toaka (lafo vidy) amiko aloha dia mba ampisehoana fa hoe manam-bola ilay hanao afera e, hanindriana an'izay miresaka aminy fotsiny!
"geste technique" e!
4. levondraky ( 28/10/2003 14:16)
Raha ny fahitako azy aloha dia ny hanamamoana izay mifampiraharaha aminao no tena hanomezana toaka azy. Raha tsy handray ohatra hafa tsy ny fanamamoana ny mpangady fasana (na @ fandevenana na @ famadihana); manome vola be eo ianao raha tsy mahafoy toaka. Etsy andaniny indray ny an'ny mpanaraka kolon-tsaina tandrefana, misy bar ao anaty efitra fandraisam-bahiny. Hitako kosa aloha fa 'cool' kokoa ny resaka rehefa midaozy e. Tsy atao tafahoatra fotsiny e
5. xxx ( 17/11/2003 19:54)
Amiko indray de arakarak'ilay olona 2 miresaka (afera) le izy. De raha tsy misotro le 1 de ahôna ary, ho terena mba ho resy lahatra ?
6. fijo ( 18/11/2003 20:49)
fomba fiteny rehefa anao afera ny hoe(discuter au tour d'un verre)tsy voatery ho toaka io,fa mba hampisy ambiansy fotsiny.raha anao afera koa ve ka hoe hisotro angamba tsy hanao mamo,fa ianao ihany no ho voa raha mamo eo.
7. ikaretsaka ( 09/01/2004 15:58)
ka io ilay gasy tsy zatra ry fijo an... mahita tavoahangina whiskey de lanyny iafaran'iny
8. six ( 03/03/2004 16:32)
d ts mivoaka ny afera avy eo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0905