Dia tena sarotra tokoa ve ny mitia olona iray raha vao tsy misy firaisana ara-nofo??

1. xxx ( 21/10/2003 18:28)
Betsaka no milaza fa hoe mitory tsy fitiavana ny tsy fanomezan'ireo vehivavy ny vatany nefa, misy maha-marina izany ihany @ lafiny sasany.
2. rfanjav ( 21/10/2003 18:42)
Marina izany @ lafiny sasany,
nefa izay olona rehetra misary adala aminao izao ve dia ekena anaovana firaisana ara-nofo? tsy ataon'ny olona bisikletan'ny commune eo ?
Ny firaisana ara-nofo no dingana ambony indrindra @ fitiavana,
sao dia mena-maso fotsiny hoe tsy lamaody intsony ny manambady virjiny fa mila mieritreritra tsara ihany!
3. cathy ( 21/10/2003 08:06)
marina ny an´i rfanjav, tsy zay rehetra milaza ho tia dia tena tia, ary tsy zay rehetra miaraka aminao dia anaovana firaisana ara-nofo daholo. Zava-dehibe zany firaisana ara-nofo zany, ary tokony olona tokana ihany no anaovana izany
4. cathy ( 21/10/2003 08:12)
marina ny an´i rfanjav, tsy zay rehetra milaza ho tia dia tena tia, ary tsy zay rehetra miaraka aminao dia anaovana firaisana ara-nofo daholo. Zava-dehibe zany firaisana ara-nofo zany, ary tokony olona tokana ihany no anaovana izany
5. mahaizamifidy ( 21/10/2003 09:48)
Ny mitia olona iray tsy misy firaisana angamba amiko tsy dia sarotra,fa tsy ataoko mitovy @ olona manao firaisana amiko kosa,samy tiako izy fa ny iray manatombo,ka izay ny olana,misy olona te ho tiana nefa tsy mety manao firaisana ara-nofo,nefa mety mifanoroka sy safosafoina,izy koa manao an izany a!,rehefa manomboka excité aminizay ianao tsy mety izy fa tsy te hanao an izany,hono,ny tena mahagaga koa dia na miaraka efa ho dimy volana aza tsy mety foana izy nefa ny olona efa mahalala fa miaraka,ianao tsy afaka mampirafy, izy tsy mety hanao,ianao anefa mba te hikembakemba,koa tsy aleo misaraka,efa hita fa io no mampiavaka ny fitiavako anao sy ny anabaviko koa mbola inona indray,raha avelanao mampirafy aho anie anao izany e!,fa tsy sady gejaina aho no tsy mety manao firaisana amiko ianao,izany kosa ve tsy mahasosotra be.Misy sipa izany tsy mety mikemba mihitsy dia avy eo ianao tratrany mampiaraka dia mitomany hono izy kanefa tsy nisy nokitiana akory ny entany.de inona no mahasaropiaro azy.
6. rfanjav ( 23/10/2003 17:10)
Saro-piaro izy satria tsy tena tia azy akory ianao matoa afaka miaraka @ olon-kafa,

dia maninona izao raha miandry an'izay hahavonona azy @ firaisana ara-nofo raha tena tia tokoa ka!

ho anareo lehilahy anie ohatra ny somary atao kilalao ihany io firaisana ara-nofo io
marina tokoa ilay fiteny hoe :"kapain-tsy hita fery ny lehilahy" "on le veut et on le fait" tsisy arakaraka fa mandeha ho azy e!

fa ho anay vehivavy misy dikany hafa mihitsy io ka! "romantique sy sentimentale e!"
7. mahaizamifidy ( 23/10/2003 13:23)
Aiza kosa no dia hoe:kampain-tsy hita fery,tsy mitovy ihany ve isika e!,ny firaisana izany amiko tsy tokony ho sarotra mihitsy,na aminay lehilahy koa aza ange mba misy dikany e! fa aiza ny dia hoe:kilalao nefa mety ho izay ihany no iafarany rehefa tsy hakana taranaka,tsy aiko aloha e!
8. xxx ( 24/10/2003 11:35)
Ny ahy iverenako ilay fanontaniana...
mety azo atao tokoa AMIN'NY VOALOHANY ny mitia olona iray na tsy misy aza firaisana ara-nofo, fa ho sarotra tokoa izany ATY AORIANA raha mitohy ny tantaram-pitiavana.

Ny tiako lazaina : rehefa vao mifankahalala iny ianareo dia tsy voatery anie e! na dia ao aza ny fitiavana te- ... na ny lahy io na ny vavy, ary amafisiko eto fa io indrindra no mampitohy na tsia ny fiarahanareo, raha mbola te hihaona sy hampihetsika ilay fo tena tia, dia mitohy ny tantara, raha mbola te hifampitady fa tena mifankatia tokoa ... fa raha sanatria eo no mivilavila tsy mahatsapa fa misy fitiavana ihany na tsy nisy aza firaisana, dia mety ho rava hatreo.

Rehefa ATY AORIANA kely indray, dia tokony hisy @ zay ilay izy kosa e! raha tsy hoe angaha virtuel fotsiny ilay fitiavana teo iny, ...
amiko tokony hisy firaisana rehefa tena mifankahalala tsara sy mifankatia tsara amin'izay. Fitia tena marina, eny fa na diso aoriana aza ...
9. rfanjav ( 24/10/2003 16:42)
Tsy haiko aloha fa miankina @ tsirairay ihany io,

fa amiko kosa, matoa ilay lehilahy miala fa hoe tsy mety manao firaisana aminy ilay vehivavy dia mbola tsy tena tia izy izany ,

sady @ izao anie misy olona tena tsy mifadi-trovana mihitsy e, miseho ho tena tia ralehilahy dia manaiky ravehivavy, kanjo rehefa azony izay ilainy dia miala mora izy!
dia iza no voa mafy tsy ny vehivavy, indrindra ka hoe mbola virjiny!
10. fijo ( 29/10/2003 09:17)
mba kosa ianareo vehivavy mankeo amin'ny toeranay lehilahy e!roa taona ve ohatra miaraka,tsy mbola mivady dia hiaritra eny foana?tsy ho lasa inona ny tena.dimy volana angaha ça va,fa apres kosa,mba hanipazo ny akama e!
11. rfanjav ( 29/10/2003 12:04)
Fa iza no manakana anareo tsy hivady,
ary izany mihitsy angamba anie no andrasan'ny vehivavy sasany fa tsy te ho diso fanantenana @ fampanantenana poakaty ataonareo lehilahy izy e! hoe tiako a tiako nefa rehefa azo ny maminy dia atsipy,
naharitra roa taona ihany, ka maninona raha atao ny soratra, dia miditra am-piangonana raha mazoto, dia manomboka @ izay ny fianan'ny mpivady?!
sa tsy te ho voafatotra @ vehivavy iray?

(Tsy haiko na efa lasa ihany ity teo fa tapaka dia averiko indray e)
12. fijo ( 30/10/2003 09:59)
ka raha tsy mbola ampy kosa ve ny ho entina ao an-tokantrano,ahoana no avy dia hivady.misy anie pisipa hatrany amin'ny kilasy de 3eme e.dia hivady sahady?de ahoana.ary angaha koa io mety lany maminy izany.
13. rfanjav ( 30/10/2003 19:32)
miankina @ intention-ny tsirairay ihany io e!

manana ny antony ny vehivavy matoa tsy manaiky hanao an'izany!
ka tsy azo terana akory!

farafaharatsiny ataovy ny fomba e! ohatra fotsiny hoe fisehoana any an-tranony ka, ataoko fa tsy mandany vola be io!

sady iza koa moa no miteny hoe rehefa hitokantrano dia tsy maintsy ampy no ho entina, ao ry fijo vao manangona tsikelikely a!
sady angaha rehefa hoe hanao raharaha dia tsy maintsy mandany vola be koa!
rehefa vonona hampiakatra dia mahavita foana e!
vitan'ny hafa ve tsy ho vita!

fa mbola fitiavana te hilalao vehivavy matoa tsy sahy miditra @ izany

Izany aloha no fijeriko azy, fa tsy voatery ho marina!
14. jo1211 ( 30/10/2003 09:24)
Amiko manokana dia ilaina ny firaisana eo @ couple rehefa dila ny telo volana niarahana. Ny mahatonga ny sipa tsy mety manao izany dia mety ho menatra izy satria tsy vierge intsony na koa tsy tena tia. Rehefa tia ny sipa tokony tsy hiasa saina be hoe haka vady na tsia ilay bandy. Ny fanaovana firaisana koa anie vao maika manamafy ny fitiavana e!. Rehefa fantatra fa tokony hatao ilay izy dia atao fa tsy hisainana be.
Rehefa tianao ila bandy dia omeo izy tsy handehanany any @ toeran-kafa. Na tsy vierge aza, aza menatra izany fa tiany foana.OK?
15. rfanjav ( 30/10/2003 12:16)
Manaiky aho fa ilaina ny firaisana eo @ couple, fa tsy azo ifanerena kosa raha tsy manaiky ny anankiray!

Fa na izany aza, ny tsy fanomezako izay tadiavin'ny lehilahy ve no andehanany any @ toeran-kafa, mbola tsy tena tia ahy izy izany!
16. fijo ( 31/10/2003 09:18)
o rarfanjav a;ny tokantrano raha ratsy fototra mora rava.mila fiomanana io.fa tsy hoe tiako ianao dia ndao isika hivady fa ao isika miezaka.lasa ady lava no ao.ary izany fisehoana izany tsy misy diakany anie izany e.tsy mitazona inona io fisehoana io.ary raha tsy mahazo ny zatovo,dia ialana tsiny,fa miodina ny lohany,ary mety ho lasa koa ny fitiavany.fa omeo izy.Io no ody fitia tsara indrindra.marina e.
17. jo1211 ( 31/10/2003 18:18)
ö ry rfanjav ô. Ianao kosa ve dia tsy hahafantatra hoe tia na tsy tia ilay bandy ?. Mety misy ihany aloha ny fitaka teknika e!. Fa raha ianao kosa mahita hoe ianao tia azy na fotsiny hoe mahafinaritra anao, maninona moa no tsy homena izy?.Tsy voatery hoe efa mifankatia koa anie vao manao firaisana fa mety hoe après ny firaisana vao mifankatia e!. Manamafy ny fitiavana ny firaisana na koe mampisy ny fitiavana eo amin'ny olon-droa...Mba andramo ihany e!
18. rfanjav ( 31/10/2003 19:27)
jo1211> efa vita, tsy mila manandrana intsony, izaho efa manambady, niteraka vavy iray

fijo> ka raha tena io marina no ody fitia tsara indrindra, maninona no tsy manan-kery akory ilay ody?
(ho an'ireny mpifankatia misaraka ireny)
19. lion ( 01/11/2003 09:00)
Tsy ilay ody no tsy manan-kery fa ny hambom-po no manjaka.
20. fijo ( 04/11/2003 11:10)
marina ny an'i lion.tsy ny ody fitia no malemy,fa zavatra hafa no mampisaraka azy ireo.na koa mety tsy dia tena mahavoa ny iray dia tsy mety izany ilay ody fitia.
ary ahoana aloha ilay hoe efa vita,efa miteraka vavy iray,fangaha mitady anandrana ny sasany?koa raha tsy ampy ody fitia kosa moa,maninona raha mitady hafa?ah,ah,ah
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0946