Fahasambarana ...

1. xxx ( 14/10/2003 09:28)
tena mety tonga amin'ny atao hoe fahasambarana ve ny mpifankatia ?

ny tiako lazaina, tsy ilay firaisan'ny nofo fotsiny fa tena fahatsiarovana fa sambatra eo anilan'ilay tiana? ...
novalian'i xxx ny 13/04/2004 01:42
2. xxx ( 14/10/2003 10:41)
miankina @ roa tonta ihany io,
nefa koa mety hitarika aretin'andoha sy ranomaso lava koa izy io, ho an'ny vehivavy moa indrindra indrindra!
3. xxx ( 15/10/2003 11:41)
fahasambarana ve dia hitarika aretin'andoha sy ranomaso ???
aza atao an'izany kosa e! rehefa tena sambatra, TENA SAMBATRA ve ianao sy ny tianao dia mbola hitomany ?
4. rfanjav ( 15/10/2003 16:12)
faly sahirana ohatra ny mpanan-karena ihany io e: faly fa manam-bola tapitrohatra fa sahirana kosa @ fampirimana sy fiarovana ny fananany fotsiny ohatra!

ny mpifankatia tsy maintsy miady, na ho aiza ianao na ho aiza! fa mila mahay mifanaraka fotsiny
5. lion ( 20/10/2003 09:03)
sambatra ny mpifankatia saingy tsy maharitra ela @olon-droa ny fahatsampana fa tena sambatra,nefa mety miverimberina matetika izany raha tena mifankatia tokoa izy roa.
6. xxx ( 24/10/2003 12:31)
Mahatsiaro sambatra aho izany! ny tiako koa sambatra eto anilako eto! ... mifampitazana izahay, mifampitazona, mifankatia ... mifanakalo fitiavana tena marina ...
isaorako ilay nanao ahy sy anao ka nahatonga antsika amin'izao fahasambarana izao !

Sambatra aho ry olontiako fa eto anilako ianao, tiako hijanona eto ny ora sy ny fotoana fa fahasambarana tsy hay tononina izao!
O ry tany sy lanitra, hianareo no ataonay vavolombelona fa niainanay izany fahasambarana izany e!


7. rfanjav ( 24/10/2003 17:00)
Ntsoooo!
Mahareta hatramin'ny farany e,

dia mba tantarao ahy rehefa misy fotoana any aoriana any hoe tsy hitanao intsony ilay fahasambarana ireharehanao!
8. xxx ( 24/10/2003 11:14)
Izaho indray matoky fa io fahasambarako io dia tsy haiko adinoina, ...

lazainao fa ireharehako nefa mety tsy hohitako intsony!! ... eto anilan'ny tiana lalandava aho ve dia ho very aiza izy? raha sanatria misy fisarahana angaha, ka ny fahafatesana no hampisaraka anay dia ho be tokoa ny alahelo. Fa ny fahasambaranay efa niainanay dia tsy ho adino mandrakizay.
9. rfanjav ( 24/10/2003 11:22)
mahafinaritra izany,
ka dia tano mafy ary izay anananao!
(sao dia tsy fifankatiavan'olon-droa lahy sy vavy ary no resahanao eto aloha, raha izay indray mantsy dia tsy miady hevitra aho)
10. xxx ( 25/10/2003 11:44)
rfanjav! tena fifankatiavan'olondroa lahy sy vavy mihitsy fa aza matahotra ianao!

hiezaka tokoa hitana sy tsy manadino ireo fotoana rehetra iainana ho tena soa eo amin'izay rehetra atao.
Mino izahay fa misy mpiahy sy mpitantana anay hiaina lalandava izany fahasambarana izany.

(Efa renao ilay hira hoe 'Soa fa nisy ianao nanova ny fiainana' ? )
11. mahaizamifidy ( 26/10/2003 20:15)
Izay ange ilay izy e!,rehefa mahay mampiadan-tena sabatra foana na ho an ireo tsy eo anilany tiany aza.
12. rfanjav ( 27/10/2003 12:10)
Mahareta hatr@ farany e,

dia ho anao izay nametraka ity lohahevitra ity izany, mahereza mitady fa : "tena mety tonga amin'ny atao hoe fahasambarana izany ny mpifankatia"
13. xxx ( 28/10/2003 18:15)
Amiko alou tena tsy feno fiainako ary tsy ho sambatra mihintsiny aho raha toa ka tsy eo anilan'ny tiako e!
Tsy any @ vola na materiel akory no mampiadana fa any @ fo

M.
14. rfanjav ( 28/10/2003 11:59)
Izay izany fa tsy idirako lalina intsony!
15. fijo ( 29/10/2003 09:05)
ianao io anie ka hitako foana e!aty indray izao.ary mody tsy miditra nefa...aleo aho ihiditra ary e!
16. rfanjav ( 29/10/2003 11:42)
Akory kabarinao?!
tsy arako tsara!
17. fijo ( 30/10/2003 10:09)
mila kabary moa anao ty,zaka volaniko aminao io simple.izy koa anao tsy hiditra,zao hiditra amin'ny placenao.ah;ah;ah
misy miaina amin'ny revirevy hoa ato ry rfanjav;izao izy mbola eo dada sy neny dia hoe izahay no tena sambatra.koa raha tsy hoe vitan'ny eo akaikin'ny olon-tiana ity fiainana ity.
ahoana ilay kabary mamango .izaho anie lehibe tany majunga e!
18. xxx ( 30/10/2003 16:15)

fijo> ka mba lazao ary ny anao hoe inona no fahasambarana e!!!
De mba ataovy @ malagasy ofisialy zafad fa tsy mahazo ze soratrareo mihinty ny tenanay.

M.
19. rfanjav ( 30/10/2003 19:41)
izany, bedy! ha ha ha

manamafy ilay fanontanian'i M. koa aho, inona ary aminao ny atao hoe fahasambarana?
sady fahasambarana eo @ mpifankatia koa no resahintsika eto, fa tsy miady hevitra dada sy neny!
20. fijo ( 31/10/2003 09:27)
ny fahasambarana tsy misy.raha tsy hoe tsy misy ady mihintsy angamba eo aminareo roa.ny fahafahampo no mitranga matetika eo amin'ny pifankatia.tsy hoe rehefa eo fijo dia ho sambatra foana ianao.raha tsy eo izy dia mitaintaina hoe lasa aiza?izany fahasambarana izany dia tsy misy pentina mihintsy.koa tsy possible.eo amin'ny fiarahan'olon-droa dia fahafahmpo natsia no misy.raha hafapo,dia mety ho lasa +,raha tsy hafapo,dia vita.izay no misy araka ny fandinihako azy.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3077