Iza no tsara kokoa

1. rfanjav ( 10/10/2003 13:12)
Miala @ Reny malala dia miditra @ Rainiboto.
Iza no tsara kokoa, dia iza no mampanankarena kokoa?
novalian'i kitjo ny 18/05/2004 07:40
2. xxx ( 21/10/2003 09:08)
Tsy miala 'zany eo e ! Hidirana daholo na rain'iza izy na rain'iza. Ny tiakolazaina dia izao : anjarantsika tsirairay no mandanjalanja ny mety ho vokatra azo amin'ny fiarahana amin'ny firenena anakiray, na amina orinasa izay. Ary tsy miandry ela fa rehefa hita fa tsy hety dia avela eo no eo, na dia mitady izay hanatsarana ny tombontsoa. Tsy tokony hanaiky lembenana fotsiny amin'izao fa mampiasa ati-doha mba ahitana izay lesoka rehetra na izay fandrika atolotr'ireny vahiny ireny amintsika gasy. Samy manana ny hanitra ho azy ary samy nosoran'ny reniny menake e ! Sa ahoana ?
3. rfanjav ( 23/10/2003 11:03)
Ka raha samy nosoran'ny reniny menaka maninona isika no mandadilady any @ firenen-kafa ka?
Ny vahiny indray no mifandrobaka maka ny fananan-dRamalagasy fa isika ity angamba tsy mahavita tena mihitsy!
Asa aloha na izaho no diso fijery fa mahagaga ihany!
4. pif ( 11/11/2003 20:08)
Amiko manokana samy tsy tsara na samy tsy ratsy satria miankina @ezaka ataon'ny tsirairay tokoa io . na izany aza aza manao horirika ambohimanabola misy koh anie iereo gasy mpandraharaha any ivelany any e
avelao halalaka ny fifaninanana dia miezaha fotsiny ihany e
5. rfanjav ( 11/11/2003 14:57)
Ka afaka ny hiezaka aiza moa ianao raha tsy misy fonds fotsiny aloha!

en plus ireo izay miseho ho mpampindram-bola : midangana izay tsy izy ny zana-bola,

@ izao koa ity maniry ohatra ny inona ny Zone franche (-mbazaha) manandevo gasy (na dia ireharehana aza fa hoe manome asa ny tanora malagasy)

dia tena tsy afaka miaina mihitsy izany isika malagasy raha tsy tantanan-dry zareo firenena matanjaka?!
6. fijo ( 13/11/2003 16:43)
rfanjav a,amin'ny maha malagasy dia rariny ny tsikera ataonao.saingy amin'ny fihariana(eco)dia mila hafetsena ny fandehanjavatra,ka tsy maintsy atao izay ahitana tombotsoa.isika tsy mbola manana ninoninona,tsy maintsy mila ny fahaizamanaon'ireo vahiny aloha.avy eo isika rehefa metimety ny toekaren-tsika,hafaka miady zavatra hafa indray isika.ny tokony hataon'ny fanjakana fotsiny dien'izao voalohany izao dia mametra tsara ny lalana hitsimbinana ny hatao amin'ny hoavy.jereo hoatra haiti sy rep dominicaine.tsy mbola manana orin'asa iray akory nefa dia nanilika be fahatany ny vahiny.vokany,isika malagasy aza manana noho ry zareo.
7. rfanjav ( 18/11/2003 14:20)
efa ela ny gasy no niana-mandeha, nefa mbola tsy mahazaka tena irery foana hatramin'izao fa raha tsy tantanan'itsy dia sarombahin'iry indray!
fa aiza ilay hoe "fahaleovantena" e?!
8. fijo ( 19/11/2003 09:36)
ny fahaleovan-tena ara politika dia efa azo.io anefa tsy hisy dikany raha tsy azo koa ny fahaleovan-tena ara economika.izay mifototra amin'ny ekonomia eran-tany(mondialisation) ary io dia mbola ady mafy,satria eo indray izao no hisehoan'ny fanjanahana amin'izao fotoana izao.
9. kally ( 23/11/2003 18:09)
Tsy misy mbola azo lazaina ho mahazaka tena tanteraka anie na iza na iza e!mila ny fiaraha-miasa @ firenena hafa daholo,jereo izao France ohatra,raha tsy misy ny vola avy @ Europe dia aiza no fandehany?jereo ny rosiana,niseho ho nahavita tena irery hatrizay nefa izao aiza?Tena ilaina dia ilaina ny fiaraha-miasa,ary irariana indrindra ny fitomboan'ny mampiasa vola eto amintsika,ka mahareta fa hanana ny soa e!
10. pitchou ( 03/12/2003 13:12)
ny fahitako azy manokana de mbola betsaka ny voazanaka ara-toe-tsaina eto amintsika! ianareo ve mba nahamarika fa raha vazaha no mangataka zavatra dia fanajana be no atao azy na de sanatrian'izany fatritran'olona aza izy? fa raha gasy kosa .... mino ve ianareo fa tsy misy gasy afaka mitantana ara-dalana orinasa iray? koa maninona ary no vazaha daholo no alain'ireo orinasa (gasy) maventy rehetra ireo hitazona ny toerana ambony ao aminy? resaka fahatokisana? ianareo mipetraka any ivelany, miasa miaraka @ vazaha angamba afaka milaza hoe manao ahoana ny tena fahaizan'ny gasy miohatra amin-drizareo!
amiko tsy resa-bola no mahatonga ny gasy tsy afaka mandray an-tanana ny sehatra ekonomika fa ao koa ny fifaninanana diso toerana (manilika gasy)! ie! jereo ange, rehefa hanao fusion @ entreprise iray ny entreprise gasy de ... tsy maintsy entreprise vazaha na misy gasy hafa aza eo! NA!
11. rfanjav ( 05/12/2003 12:33)
ka izany mihitsy no mahagaga, afarana daholo izao karazam-bazaha rehetra izao omena tombontsoa eto @ tanin'ny gasy

fa maninona raha ny gasy no mba omena faveur e?

ireny izao, inona ilay fampisehoana tany ivelany, ny vazaha no mampiranty ny asa-tanan'ny malagasy any ! non kosa e!
12. lohalaharana ( 10/12/2003 09:45)
miditra @ rain boto ka
13. kally ( 13/12/2003 11:55)
Io koa anie indraindray misy fahabangana avy amintsika ihany koa!Ekeko misy ny zavatra tsy rariny,fa misy koa zavatra ilàna olon-kafa.
14. shinshan ( 17/05/2004 10:39)
tsy misy afaka mahavita tena irery zany intsony eto an-tany, ny eropa aza efa nitambatra, isika indray ve no hisaraka asa aloha e
raha ny izy de izay miaraka @ voalohany ihany no afaka ho voalohany.
tsotra ny hevitro,miaraka @zay lehibe mba ho lehibe vetivety e
15. kitjo ( 18/05/2004 07:40)
Aiza no misy hahavita tena zany,
USA ary mbola mametraka fiahamiasa @ tany farak'izay madinika

AMiko d ampidiro zay te hiditra, iaraho miasa izay afaka fa ny tombotsoan firenena aloha no tandrovy, sao d ampidirina fts zareo handroaka ny zava-misy ao, oh ny misy h@zay moa e

Manin no rainiboto na frantsay iany?
Ny hitako anefa tokony hisokatra bebe kokoa @ teny miteny anglisy tsika, aza odiana tsy hita koa ny Kely maso, fa reo zao no ampiakarina ho anisan Grande Puissance,zay no dikan;io euro miakatra be eran-tany io.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1486