Fihaonan'ny namana 2003

21. lucienr ( 22/10/2003 14:34)
Bon, ny ora alouh an, tsara raha aroso aloulou kely satria tara lotr le @ 17h. Misy tokoa ny mody lavitra....
Resaka participation-n'tsi 1-1, dia samy mandinika zay mety aminy. Fa kosa aoka alouh ity tsy hisy zava-pisotro misy alikaola. Jus la Star, na Tiko. Na Rano managatsiaka aza mety.....okey
Le resaka fitaovana na fampitaovana: fakantsary, camera.....zay misy azo anaovana dia manaova e!
Tsara aza raha misy mpanao gazety akory fa zavaa-dehibe anie io e!

Misaotra.
22. mazoto03 ( 22/10/2003 16:36)
salut daholo! zay aloh de tsyafaka le 25 oct io fa raha mety dia amafisinay leresak hoe fiarahbana tratry ny taona vers le 4 janvier ohatra na faran'nytaona de reveillon ao tana ohatra de mba zamy any @ tanana eh!!! na excursion na zavatra hafa fa faran'nytaona fihaonambe!!
23. kent ( 23/10/2003 14:17)
salut jaibijiaby
tena hevitra mety tokoa io fihaonana io ary mankasitraka izany aho fa mba tokony atao @ andro tsy fianarana sy tsy fiasana ilay izy, dia tokony hampihomanina mialoha ny namana rehetra @ ny fotoana anaovana azy. Aza atao ambanin-javatra ry zalahy reto io fa ndao atao milay a! sady efa ho avy zao ny faran'taona sy ny reveillon ary ny taombaovao.
ciao jiabijiaby.
24. xxx ( 23/10/2003 18:14)
Tsy tsara ve raha atao matotra tsara ny fotoana fa tsy hirotorotoana.
Tokony hoe mitady fotoana iray dia @ io fotoana io no manapaka ny zavatra atao @ manaraka.
Tsy tianareo ve raha miaraka manao colonie de vacance ny mpikambana rehetra ?
Bye
25. rfanjav ( 23/10/2003 10:26)
Ny @ colonie de vacances ve moa tsy efa manomana e, jereo PROJET NAMANA 2004

Fa ny @ 25/10 ity fihaonana voalohany fotsiny, @ io indray manapaka izay mbola azo atao @ manaraka !

Izaho koa aloha mangataka ny handrosoana ny fotoana à 16 h farafahatarany e!
maninona raha atao safidy, samia milaza na 17h ihany na 16h.
dia ifanaraho tsara fa sao dia misy voapetrapetraka eo indray!
26. rh ( 23/10/2003 12:29)
Tena tsara aloha hampihaonana ny namana e! ka mba kendreo tsara ny fotona tsara e! @ alalan'ny fitsangatsanganana ny anaovana ny fampihaonana raha ny eritreritro
27. rsamfm ( 23/10/2003 15:49)
Rehefa aravona izay rehetra hitako androany dia izao no mba hevitro: Tsara raha mba omanina tsara mialoha ilay izy. Dia atao resaka Sortie kely mihitsy. Ny ahy ohatra, le 25/10 izany efa vita programme t@ 3 semaine passée. Dia problème be. Ka raha maro no toa ahy dia manjary malahelo ny namana sasany
28. rfanjav ( 24/10/2003 16:13)
Ka izany excursion izany anie mila fihaonana matotra aloha e!
dia @ io 25/10 io no ieritreretana izay mbola azo atao @ manaraka, fa tongava aloha @ io.
Efa rahampitso izany a!
29. rsamfm ( 24/10/2003 16:48)
dia efa izany fa any mihaona e!
Saingy aleo aroso kely ilay fotoana fa tena sao hariva loatra
30. hery ( 24/10/2003 17:06)
Manahoana

Ny fihaonana amin'ny asabotsy dia tsy voatery ho fihaonan'ny namana rehetra akory fa fihaonana voalohany ho an'ireo izay afaka. Dia izay tonga eo amin'izay no mifampidinika amin'ny hikarakarana fihaonana lehibebe kokoa (excursion, sorties, alim-pandihizana etsetra).
Ilaina mantsy ny fisian'ny mpitarika ka io fihaonana amin'ny asabotsy io no hivondronan'ireo izay te handray anjara amin'ilay fikarakarana ny amin'ny manaraka.
Tongava daholo aloha izay afaka fa tsy haharitra adin'ny iray ny tena resaka.
31. vitagasy ( 24/10/2003 19:09)
Salama daholo,

tongava daholo izay afaka e, zay tonga aloha miandry zay tara, de efa afaka miresadresaka ao aloha mandrapahatongan ny namana hafa somary tarailky vao tonga e
de eo no mandinika izay volavolankevitra sy ny fotoana manaraka, io no santatra amabavarano,
mirary antsika ny soa sy ny kanto ary ny lafatra e
eny @ gara mihaona @ 25
32. rdilan ( 24/10/2003 15:40)
salut daholo an!...etc
oki izany e! rahampitso an .
Hono hoa i Mr Hery ve ho avy eo sa ...?
Dia manantena ny fahatongavantsika rehetra jiaby ho tonga soa aman-tsara eo @ devant ny gara Soarano e!Aza adino ny mitondra akanjo mafana sy elo ....
v.n.s.o @+
33. njatanata ( 26/10/2003 16:06)
voaray e!
ny olana de toa toa aloha loatra reto ilay 25 na izahay no tara nahita ilay annonce nefa mety tena milay izany izao an!
34. rdilan ( 27/10/2003 15:19)
Nahafinaritra aloha ilay izy e!
Misaotra ny namana izay rehetra izay tonga teny @ gara soarano e!
Fa ny zavatra tapaka tao indray dia ny rencontre manaraka @ 29/11/03 @14h30 satria mantsy aloha be loatra ilay @ 01/ izao .
Dia mbola manantena antsika rehetra mba hoih avy @ io fotoana io e
35. rfanjav ( 27/10/2003 19:27)
Tsy aleo atao lohahevitra vaovao
indray ny @ 29/11, dia any indray no anaovana ny fanentanana!

Isaorana manokana izay tonga, dia mbola miandry ny fahavononantsika rehetra izay mbola malaindaina na matoritory koa e!

Tsy aleo ve miaraka e!
36. rfanjav ( 29/10/2003 18:36)
EFA TANTERAKA ITY FIHAONANA ITY,

FA JEREO INDRAY ANY @ FIHAONANA MANARAKA 29/11/03

MISAOTRA ANAREO
37. rfanjav ( 31/10/2003 17:21)
Ary ohatra ny nahita ho'aho izaho tery aloha tery hoe nisy koa fihaonan'ny namana tany Paris t@ 25/10/03 teo,
tontosa ihany ve ilay izy?
mba ilazao vaovao e!

38. rjmahel ( 01/11/2003 20:31)
Ny ahy ndray Ra Hery dia hevitra mitsimoka . Asa ho antsika izay eto Roma. Marina fa misy ny fihaonan'ny Malagasy sasany amin'ny Lamesa ho an'ny Malagasy, satria moa tsy katolika daholo ny malagasy rehetra aty. Azo eritreretina ve ny hihaonantsika izay ao anatin'ny namana. Mifankahita isika fa tsy mifankafanatra akory kanefa samy mpikambana ato amin'ny serasera.Atsipy ihany kalongany ny hevitra.
39. docteur ( 01/11/2003 15:21)
Te hanatrika io fihaonana amin'ny 29 novembre io ny tenanay nefa tsy fantatro mazava hoe ahoana ilai programme. Asa raha azo lazaina fohifohy. Toa tena nahafinaritra be hono mantsy ilay fihaonanareo farany teo ka tena voa mafy izahay tsy tonga.
40. hery ( 01/11/2003 14:30)
Salut Docteur.

Jereo amin'ny forum eto ambany ilay momba ny 29 novembre.

http://forum.serasera.org/index.php?rub=viewthread&msgid=m3f9ee05eafc93
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2791