Mpihira evanjelika hono

1. rfanjav ( 10/10/2003 16:43)
Ary ahoana indray ireny mpanakanto amin'izao fotoana izao toa lasa nivadika nanao hira ara-pilazantsara ireny?
novalian'i mouvoka ny 18/01/2004 19:06
2. moi ( 13/10/2003 18:02)
Misy ny tena lasa kristiana,
fa ao koa no mitsapa sao any no misy làlana.
Fa amiko ny ahafantarana fa niova izy dia raha tsy avelany alefa eny amin'ny média isan-karazany intsony ny hirany taloha izay tsy mifanaraka amin'ny sitrapon'Andriamanitra !
3. dd ( 20/10/2003 18:24)
Sao misy mahafantatra an'i Rija Rasolondraibe ianareo? toa isan'ireo mpihira kalaza mifanahatahaka @ lazainareo izy mantsy ?
4. rfanjav ( 20/10/2003 18:41)
Mahafantatra azy ahoana moa, ohatra ny tena lasa nanao hiram-pivavahana aloha izy e,
tsy hoe voadona t@ fitiavana dia lasa nivadika?!
tsy haiko tsara aloha e!
5. rfanjav ( 27/10/2003 12:50)
Eh,
dia ahoana indray ny hevitrareo, fa lasa hiram-pivavahana hatramin'ny hard indray izao, efa henonareo ny t@ spectacle-n'ny Tselatra ohatra?
6. kally ( 19/11/2003 17:02)
Dia aiza ary hono ny olana?
7. moi ( 26/11/2003 12:53)
Ny mpihira sa ny hira aloha ve no ady hevitra e ?
8. rfanjav ( 28/11/2003 18:03)
ireny mpihira mihirahira foana ireny,

misy izao mpihira tsy mety malaza @ hira madinika dia manandrana any @ hira fivavahana indray,

f'angaha izy ity andrankandrana ohatra an'izany!
9. rinakely1 ( 29/11/2003 13:25)
Ataoko fa tsara ihany koa raha mba manokana hira ho an'A/tra e! Raha izay v no hitany fa mampihety tsy tsara ary v?
10. eli ( 07/12/2003 09:13)
Rija Rasolondraibe any suisse ary tena lasa kritsianina tsy mihira hafa tsy hira kristianina! Eric an'i Tselatra ihany koa dia kritsianina aty Paris ary tena tsy miseho azy ho kristianina fa tena niova fo! tsy ny apperence hivelany no hi-jugé-na azy fa ny ao am-pony! ary tsy vao maika ve tsara izany firoborobony mpihira kristianina izany surtt hoe mpihira an'izao tontolo izao taloha ka niova?
mba jereo ny mpihira kristianina erak'izao tontolo izao indrindra amerikana fa toy ny mpihira rehetra nefa dia midera an'ny Tompo ny hira ataony!
11. ravatorano ( 11/12/2003 15:46)
Marina tokoa .Zà tena mpakafy tselatra na taloha izany na izao izy mihira ny "evanjely" izao
Tsisy olana io fa lé hira kou né ka favy na ny tonony na ny feony é
Ny hard malagasy anie ny tonony tsisy manambany na manenjika fivavahana na ray aza.Tsisy resaka maloto fa mihira ny tontolon'ny fitiavana sy ny manodidina ary ny fiainana anadavan'andro.
12. jokely ( 16/12/2003 16:48)
Marina ny an'i ravatorano. Sady ny olona koa anie vatana sy fanahy ry rfanjav e ! aza tsaraina ety ivelany izy fa fiseho ivelany fotsiny iny. Ohatra i Eric Tselatra, raha mihira evangelika izy sady mampifangaro azy amin'ny mavesatra, gadonkira ohatran'ny gadonkira rehetra ny mavesatra fa ny tonony samy manana ny azy, mba manandratra ny Fanahy amin'ny maha-Fanahy ambony azy izy na de ao anaty mavesatra ihany aza, na mpihira madinika na mpihira evangelika d tsarovy fa olombelona vatana sy Fanahy daholo fa aza tsaraina ohatran'izany. Ny mpihira evangelika ko v raha manao hira madinika ohatra de henjehina, mba mihira amin'ny maha-olona vatana azy izy. Sa ts'izay ?
13. adamilus3a ( 05/01/2004 09:06)
omeo any Kaisara zay azy, ary omeo any anAndriamanitra zay azy ko. donkyraha mihira hoan'zao tontolo zao ny artista ,rariny ko izy raha mihira ho an'Andriamanitra.
talo oe "midera anAndriamanitra @valiha sy lokanga fa zao kosa efa oe mibeba @Andriamanitra @alln'ny distorson,effets, gitara elektrik ary reo matos mavesatra be satria efa mavesatra lotra ny Otatsika hi hi hi
14. xxx ( 05/01/2004 12:37)
marina zany derao @ gitara bass sy ampoka maro anaka ary reo mety manenorehetra izy
15. fijo ( 08/01/2004 11:15)
ngaha henony ny hiranareo.
16. ikaretsaka ( 08/01/2004 18:15)
rehefa atatata mafy ve tsy ho henony ihany
17. fijo ( 09/01/2004 20:52)
avy dia lasa izy,fa mamaky sofina ko.
18. mouvoka ( 18/01/2004 19:06)
Tsy henony ahoana ry fijo sy ikaretsaka a ? Fa marina ilay hoe ny mpanao hira mavesatra eto antanana tsy mbola nisy niteny ratsy ny Anarany. Lalana mbola halehan'ny miaina rehetra ny mahatsiaro ny Anarany eny fa na ao antin'ny hira hard aza... Hitoriako teny eo an.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.836