Tezitra be!

1. mahaizamifidy ( 07/10/2003 18:44)
Tezitra be t@ maman-dry aho f izy angamba efa tena lasa adala,ilay sariko teo andohampandrinan-dry nosoloiny soratra hoe:Arovy aho Tompo,ireo boky feno taratasy tsiambaran-telontsika ireny,efa nafoiny sy nosoloiny Baiboly bediabe.


Sao mantsy ianao variana any an-danitra any,hanadino aho eto an-tany,fa misafidiana @nay roalahy Jehovah sa izaho,

F ireo mivavaka any ambony any ireo sahirana raha miaina

F izaho kosa eto an-tany izaho,tsy ampijaly anao izany,f izaho kosa eto an-tany izaho hamalifaly anao hatrany.Misaotranny tompony io Hira io izahay rehetra!.(Aleoko tsy mpino toy izay mpanota)
novalian'i rajaona ny 09/11/2003 15:05
2. lion ( 08/10/2003 09:49)
Fa maninona marina ny lanitra sy ny fivavahana no tsy maintsy miaraka?.vao miresaka mikasika an Andriamanitra dia tsy maintsy ao foana i lanitra sy i Paradisa,ity lohahevitra ity izao dia(fivavahana sy finoana)resa-danitra daholo no ato.ary ny tena mahagaga dia ity,lasa ohatranny hoe:zavatra entina hampilendalendaina ny olona mba hivavaka i lanitra sy i Paradisa.sa mazoto mivavaka ianareo raha tsy misy lanitra sy Paradisa???



3. lion ( 08/10/2003 09:50)
Fa maninona marina ny lanitra sy ny fivavahana no tsy maintsy miaraka?.vao miresaka mikasika an Andriamanitra dia tsy maintsy ao foana i lanitra sy i Paradisa,ity lohahevitra ity izao dia(fivavahana sy finoana)resa-danitra daholo no ato.ary ny tena mahagaga dia ity,lasa ohatranny hoe:zavatra entina hampilendalendaina ny olona mba hivavaka i lanitra sy i Paradisa.sa mazoto mivavaka ianareo raha tsy misy lanitra sy Paradisa???



4. lion ( 09/10/2003 18:58)
Nanoratra an io aho satria nisy an ilay mpitety trano ireny dia nampandrosoko izy(mpitorinteny),fa ny firesany amiko dia ohatranny hoe:ny Paradisa sy ny Lanitra anie no valin-kasasaranao raha mivavaka na manaraka anay ianao e!,na koa mandeha any am-piangonana,ka izay no mba tiako anontaniana anareo hoe:lanitra sy paradisa ve no mahan-tonga anareo hivavaka?,marihiko eto aloha fa izaho tsy mpiditra am-piangonana fa mety hiova aho raha hazavainareo amiko ny mahasamy hafa ny miezaka ny hanao ny tsara sy ny marina @ mpiditra am-piangonana.
5. hery ( 09/10/2003 19:11)
Mivavaka aho satria :)
Voatery hiandrandra lanitra ve vao hivavaka? Ary raha ohatra moa Andriamanitra miseho aminao dia miteny hoe Tsy homeko lanitra ianao... dia mbola hivavaka ihany ve? Euh oui :)
Raha toa ka vavaka = resaka amin'Andriamanitra, fitiavana azy dia tokony tsy hiandry valiny... hmmm
asa...
6. xxx ( 10/10/2003 18:53)
Ny anarako tsy lazaina intsony fa Izany resaka sy fitiavana an Andriamanitra izany amiko dia resaka fotsiny no bobaka,aminao angamba Andriamanitra maka saina any @tsy hita maso any fa amiko izay tianao no TOAVINA donc vonjeo fa miandry anao any @ Banky mondial izy.
7. xxx ( 10/10/2003 19:05)
Ny vavaka amiko dia izao;efa nanolatra ny ditrany hatrizay ozizy aminao re ry ray ka mila anao hitondra fanampiana fefa FAY foana IZY FAY FAY foana izy oooh!! .
8. xxx ( 10/10/2003 19:09)
Izy tsy hanambara rahoviana hoe:tianao uzany,izay maharaka manohy de mazava ny aminio.
9. rfanjav ( 10/10/2003 11:22)
Tsy tokony ho "comparer"na mihitsy Andriamanitra sy ny olona amiko,
tiavo ny namanao tahaka ny tenanao, hoy Izy, izay no didy lehibe indrindra, ka inona indray!
Adala io hira io raha mifaninana @ Andriamanitra
hoy koa Izy hoe : omeo an'i Kasara izay an'i Kasara, ary omeo an'Andriamanitra izay an'Andriamanitra!
10. xxx ( 13/10/2003 12:14)
Io rangahy tsy asiana resaka bobaka na kafara lava fa azon areo hatao ny mampitahy ny fitiavana an Andriamanitra sy ny fitiavam-bola ohatra dia hita foana ny toavina fa Andriamanitra dia fitiavana fa tsy voatery vola ihany anefa.
11. rfanjav ( 13/10/2003 12:26)
Raha tena te hampitahy an'Andriamanitra sy ny vola marina ianao dia tsarovy fa hanjaka ny vola eto, ary sambatra tokoa izay manana azy!
Tsarovy anefa fa mandalo ity fiainana ity, ary tsy azonao ho entina mankaiza akory ny vola raha toa ka ho avy ilay andro ialanao ety,
izaho tsy hiteny hoe ho any an-danitra fa fantatro fa betsaka no tsy mankasitraka ny fisiany, fa aleo atao fotsiny hoe rehefa ho faty e!
12. xxx ( 14/10/2003 09:24)
Ny ampitso izay tsy fantatra ozizy
izany aloha dia tsy haiko intsony
fa rehefa kodiny no misy
def izay no alaina rony.
13. xxx ( 14/10/2003 09:55)
Amiko manokana aloha,izaho akory tsy hoe:tsy mankasitraka ilay any an-danitra,satria raha vola marina ve no hahasambatra ahy eto antany tsy hitady vola aho,inona ary no mety hahasambatra ahy akoatry ny vola e! izaho anefa eto an-tany fa tsy hoe:any an-danitra,ny fanantenako ve fa hoe: ho any an-danitra aho kanefa izany koa ary mbola tsy azo antoka,rehefa fantatro fotsiny ny ratsy sy ny tsara dia ampy ahy izay.iza ny olona mahasahy milaza fa azo antoka ny azy any an-danitra na ataoko hoe:natokany @izany aza ny androntokom-piainany rehetra,tsy mbola niteny anefa aho hoe:ratsy izany,fa hozy fotsiny aho hoe:mivava ka aza mitsahatrahatra fa manjary misavorovoro ny saina.
14. rfanjav ( 14/10/2003 10:35)
Eny ho'aho, raha ampiasainao @ rariny ve moa ny volanao, inona no maharatsy an'izany,
fa raha ho entinao hanimbana ny manodidina anao kosa, na anaovana kely tsy mba mamindro, anaovana ratsy koa aza e, dia na ny akaiky anao indrindra aza (eto an-tany no tiako hotenenina) hanakiana anao @ izany!
Izaho akory tsy manizingizina hoe misy ny lanitra, na koa hoe tokony hotompoina fatratra ny hanao izay ahatongavana any, (tsy azo ifanerena akory io)
fa fotsiny hoe tiavo ny namano dia ho ela velona ianao e!
sady hoy koa anie ny gasy hoe : "aleo very tsikalakalam-bola toy izay very tsikalakalam-pihavanana"
valable io ohabolana io na @ iza na @ iza, ary na ho an'iza na ho an'iza
15. xxx ( 21/10/2003 17:47)
Valable mihitsy io taloha fa ankehitriny io efa niova tsy afaka hitsara ny tenako aho fa aleo ianao ihany no mitsara ny vitanao t@ io ohabolana io.
16. rfanjav ( 21/10/2003 18:50)
Izany hoe tena efa manary ny maha-gasy antsika mihitsy izany isika?
Marina fa eo ny hoe manaraka ny toetrandro, fa na zavatra hita fa tsara koa ve dia ho ariana ho soloina na hanarahana fomba fiainana vahiny e!
Aza ny lohasaha mangina hono no jerena fa Andriamanitra ao an-tampon'ny loha!
Eny e! safidin'ny tsirairay izany ka tsy azo ifanerena akory fa mba milaza ny hevitro fotsiny aho!
17. rfanjav ( 24/10/2003 09:31)
Ny vola fitady,
Marina fa ny vola no maha-Rangahy, ary tsy ho velona eto izay tsy manam-bola, kanefa tsy ilaina ny fitiavan-tena sy ny fitiavana azy loatra! satria manapotika ny fianakaviana, sy ny manodidina ,
ary eo @ fotoana andevenana ny mpanankarena ihany no ahafantaran'ny olona azy farany fa manam-bola izy , dia mijanona ho an'ny velona iny fa tsy afaka ho entina aiza akory (na ho any an-danitra izany na ho levona any ambany rangolahy, izay tianareo) fa tsy hanaraka an'izay maty velively akory!
ka asakasaky ny tsirairay raha hanankina ny fiainany @ vola izy!
18. mahaizamifidy ( 26/10/2003 20:40)
Zany ve?,mino aho fa samy mahalala ny hataony daholo isika fa fantatro tsy mety fotsiny ny mangalatra.
19. rfanjav ( 27/10/2003 19:44)
Tsy haiko aloha fa izaho mahita fa ny olona raha vao tia vola tafahoatra dia manana "tendance" hamitaka na hanararaotra ny sasany,
20. lion ( 27/10/2003 09:48)
Fa ny ahy no tena tsy tantiko dia na 25000fmg ary no omenao azy hoe:vonoy ho faty iny olona iny dia manao izy.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 1.1405