Governemanta sy Microsoft

1. hery ( 07/10/2003 17:54)
Hiara-miasa izany ny Governemanta sy ny Microsoft. Vaovao ratsy ho an'ny mpiondana Linux. Marina tokoa fa hiova indray ny fivoatry ny resaka ordinatera eto Madagasikara. Ho Windows daholo ny any amin'ny biraom-panjakana... vao kely ny ankizy dia windows no ampianarina azy... ho sarotra ny hampiditra zavatra vaovao sy ny sisa. Tafiditra izany ny monopolisation microsoft...
Marina fa misy zavatra mampalahelo ihany izany kanefa voalohany indrindra dia ela fikonokonona ny Linux... Mitabataba fotsiny fa tsy misy zavatra maty paika hidirana amin'ny administration any Dago.
Raha nampidirina tany Madagasikara ny Linux dia olana tokana izay tsy niova mihitsy hatramin'izay no nitranga. Sarotra installer-na ny linux. Sarotra ny miandraikitra (admin) azy. Tsy maintsy olona efa mahay tsara vao afaka mampiditra (installer) zavatra ao aminy... izany hoe tsy natao ho an'ny Malagasy rehetra...
Dia tsy te hiova tamin'izay resaka izay mihitsy ny linux ka aiza ny olona no tsy hitady zavatra mora ampiasaina? Mora ampiasain'ny ankizy 10 taona ohatra... tsy hiankin-doha foana amin'ny manam-pahaizana manokana rehefa hampiditra kilalao sy ny sisa.
Izay ihany e. Raha tianareo halaza ny Linux dia vokary tsara... fa aleon'ny olona mandoa vola be ho an'ny mora ampiasaina (izay no maha ordinatera ny ordinatera). Toa izay handoa vola kely kanefa mbola ho sahirana lavitra noho ny mampiasa tànana indray.
novalian'i picasso ny 29/12/2003 11:26
2. jahary ( 07/10/2003 11:58)
Salut daholo e!

Amiko dia misy ZAVATRA HAFAHAFA IO FIFANARAHANA IO!ny firenena manankarena aza mitady ny tsy andoavam-bola ka isika mahantra indray no miseho ho manana! Jereo fa ny commune sasany frantsa fotsiny no efa mandeha tsikelikely any @ Linux dia isika indray no miseho ho matanjaka!
Mbola averiko ihany FA HAFAHAFA IO FIFANARAHANA IO!! TENA MAMPISY DOUTES NGEZABE MIHITSY RAHA NY MINISTRIN4NY PAOSITRA SY TELMA NO MANAIKY VOAFATOPATOTRA NANAO INY SONIA INY! TENA MANAO ZAVATRA TSY AM-PIHEVERANA MIHITSY MANAIKY MONOPOLE TAHAKA IRENY!!
AOKA IZAY FA MAMPITENITENY FOANA!
SALAMA DAHOLO E!
3. faralah ( 09/10/2003 15:59)
salut daholo
raha amiko manokana aza miasa sain @ zany fa resaka politique io
fa izany de mino aho fa tsy ho tanteraka isiaka olona firenena mahantra kely ty kou ve .
mbola ho ela zany
4. sarobidy ( 09/10/2003 10:30)
mampieritreritra tokoa io fa tsy faly fotsiny isika
5. ram322 ( 09/10/2003 15:24)
hanao ahoana moa hoy nareo ny vahoaka fa de mifaly, na ho sosotra ngah miova tsony ny sonia e! araho mora eny ny onjany de ho hita eo na mandroso na mihemotra isika .
6. r4d0 ( 15/10/2003 10:16)
Marina ny voalazan'i Jahary fa resakla polotika io.

Efa mora be zao ry Hery ny mampiasa Linu. Ny mahagaga ahy dia tsy mbola nampiasa Linux akory Hery nefa milaza fa sarotra ny mampiasa sy mitantana azy. Tsy ohatran'ny misy "contradiction" be ve zany?
7. jahary ( 27/10/2003 19:45)
APARITAHO RY ZALAHY NY LINUX A§
8. fanalanaazy ( 05/12/2003 15:46)
misy milaza etsy ambony hoe aleon'ny olona miditra @ micro$oft fa mora ampiasaina io.

Ataoko fa tsy olana hoe linux sa tsy linux io resaka io, raha ny nahafantarana azy dia isan'ireo olona mpandala ny logiciels libres ireo olona eo amin'ny ministera ireo. Saingy ny fahitako azy dia:
mila vokatra haingana ry zareo eo amin'ny fitondrana, fantatra ny fisian'ilay safidy "logiciels libres" saingy ny tena olana dia tsy misy ny support eto an-toerana.

Lasan'i Micro$oft ny resaka administration eto Madagasikara: ny fanontaniana dia hoe: hatramin'ny oviana? inona no lesona azontsika tsoahina amin'izany? Hiditra amin'ny lafiny "professionnel" amin'izay ve ny resaka logiciel libre eto Dago, sa ihanona amin'ny kely?

Amiko tsy azo raisina an-tendrony io resaka io, mila zavatra maty paika izy io. Eo ampandinihana ny "politique nationale des TIC" ny fitondrana izao, izao no fotoana hampidirana io logiciels libres io

Hevitra ny ahy iny.

P.S marihina fa izaho dia anisan'ireo mpandala sy mba mampiasa ny logiciels libres
9. picasso ( 29/12/2003 11:26)
Ko maninona raha mba asiana tutorielle mihitsy aloha ato @ serasera hianarana linux fotsiny e! ny securité windows koa ange misy faille be de be e! ataovy windows ange ny admin dia ametraho zavatra secret ao anatiny de omeo olona ny IP nareo fa ho hita eo daholo ze nafenina e . ataovy tsara
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.342