SERASERA

1. mampikanto ( 29/09/2003 16:19)
SERASERA

Soa fa nisy serasera, ahafahana mampita
Ny fiainana, ny faniriana, eny hatramin’ny tsy hita
Io no hany mahalala izay fihetseham-poko
Na ny tsiky n any faly na koa ny toloko

Soa fa nisy serasera nahafahako nahatsapa
Fa ny fitia mora maty raha tsy mbola lalim-paka
Fiezahana nitia, nakafy irony hafatra
Hay moa eritreritra ihany fa tsy misy ny tonga lafatra

Soa fa nisy serasera, hitafako aminao
Ahafahako mandray izay mba ho kinasanao
Ao no andrandraiko, ilay tsikitsiky tambitamby
Nefa toa noraisinao fitia mitady tamby!

Soa fa nisy serasera, ahitana sedram-piainana
Ka ny hevitry ny hafa mety hampiova foto-pisainana
Ao koa no mety hanovana ny famindra
Ka ny tontolo izay jinery no ataoko tsara rindra

Soa fa nisy serasera
Tsy ahatsiarovana ny lera!

Mampikanto
26/09/03 à 11h35

2. mahaizamifidy ( 29/09/2003 16:56)
Ianao izany kosa manana aingam-panahy a!,Misaotra betsaka,izany anie no ilaina ny namana e!
3. mampikanto ( 29/09/2003 18:11)
Mahaizamifidy!
Misaotra e!

Kanto
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0861