ANY IANAO

1. mampikanto ( 29/09/2003 16:18)
ANY IANAO !

Any ianao ry tiako!
Hianoka hasambarana ho ampoka fitia
Ny fonao sy ny azy mifandray tendro no hany fifaliako
Miondana eo an-tratrany, tsy mahatsiaro ho mania
Izay no hasambarako ary koa faniriako

Any ianao ry lala!
Ho safononoky ny mamy, ho lavitry ny jaly
Ilay foko tia anao, hevero ho “fo” adala!
Ireo teny ankafiziko, teny mamy toy ny omaly
Omeo azy ry ilay sarobidiko, foiko ho azy ry malala

Any ianao ry ilay safidy!
Tsy hahatsiaro ny irery fa difotry ny mamy
Ny tananao sy ny azy hifampitantana sahady
Hitety irony havoana sy habakabaka any ho any
Hahita fahafinaretana , tsy safidy fa ilay didy!

Ary ianao ry ilay nomeko azy
Iangaviako, italahoako, aza ampijaliana re ny fony
Avelao izy hitia an-kalalahana, ho lavitry ny sazy
Tsy hahita fijaliana, fahoriana izany intsony
Fa mba ho ampoka fitia, fitia tena izy.

Mampikanto
27/09/03 à 1h05
2. xxx ( 29/09/2003 12:53)
Miandry valiny mahafapo
3. xxx ( 30/09/2003 15:25)
toa mampanjonitra b lay izy ...
toa mampalahelo ihany raha sanatria tokoa ka tena fitiavana ilay nahatonga anao ho hiteny hoe 'any ianao', fa toa tsy tena izy ny anao fa ny andry zareo no tianao ho tena izy ...

anjara ve sa lahatra? mba mila fanazavana ny aty e! misaotra
4. mampikanto ( 30/09/2003 17:03)
ho an'i XXXXXXXXXX
NY fitiavana mahafaoka zava-dehibe, raha tena tia ianao dia mahavita manolotra ny ainao hamonjenao ny sakaizanao ka izay mba fahasambarany ary eo anilan'ny tiany ne izy dia izay no fahafinaretana e! Faly aho raha sambatra izy izay dia ampy entiko miady ho @fianana nge e!
Fa io asa soratra toy ny asa soratra rehetra ihany io tsy voatery hoe izaho akory no mpandray anjara fototra ao anatiny.
Mankasitraka anao nitsidika e!

Mampikanto
5. voninkazo.fotsy ( 23/11/2003 11:26)
Manahoana Mampikanto,
Mahafinaritra be ilay tononkalonao, tena tafapaka tato am-poko mihitsy! Marina tokoa fa rehefa tena tia ianao dia mahavita ny zavatra rehetra ho an'ilay sakaizanao, eny fa na dia hatramin'ny hasambarany eo anilan'ny olon-tiany aza..misy tononkalo iray tiako hozaraina ho anareo koa ity :

JE LE COMPRENDRAI


Si toi, tu l'aimes et lui accorde ton amour
si toi, tu l'aimes…et lui chéris pour toujours
si c'est ainsi ton choix, je l'accepterai
je ne vais pas t'en vouloir, je le comprendrai

Si vous êtes heureux et nagiez dans le bonheur,
si dieu d'en haut a unit votre cœur,
c'est que, tous les deux, vous êtes faits pour la vie
je le comprendrai, je n'aurai plus de soucis.

Si un jour vous vous décidez à faire la vie à deux…
de ne plus se quittez, et seriez toujours amoureux!
C'est que, c'est le destin, et qu'il en soit ainsi,
je ne vais plus pleurer, je le comprendrai aussi!

Mais toi la personne à qui je dédie ce poème
toi, qui a fait de moi une bohème
toi, qui ignore encore la vie,
sauras-tu un jour me comprendre aussi?

Je suppose que non! Personne ne comprendra
ce sentiment si fort que j'ai eu pour toi
ces joies qui m'emplissent quand j'ai été près de toi…
ces larmes et ces pleurs…quand je ne te voyais pas.

Mais celui qui aime songe au bonheur de l'être aimé :
en acceptant son choix, ses sentiments et ses souhaits,
en acceptant son droit d'agir et d'aimer
et en lui accordant la liberté!

C'est pourquoi, même difficile, je devrais te laisser
c'est pourquoi, je t'ai souhaité le bonheur et la prospérité
c'est pourquoi j'ai prié dieu pour qu'il vous accorde le succès
même si, jamais! Au fond de moi…rien ne pourra t'effacer!

Lueur du matin
(02 avril 2002)
..fahatsiarovana..fahatsiarovana..
-Voninkazo.Fotsy-
6. mampikanto ( 25/11/2003 16:23)
Mankasitraka an'i voninkazo fotsy e!

Kanto.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2604