Mitovy ve isika?

1. mahaizamifidy ( 26/09/2003 12:01)
Mitovy ve isika?,tsotra kely,ny zavatra hita no atao hoe misy,ka ny fiainana aloha izao no tena hita ka miezaka aho hanao izay hapetipety ny fiainako,miezaka hamita ny adidiko @olombelona mitovy amiko aho de vita(fahamarinana sy fitiavana no adidinao),za angaha hanenjika izay Paradisanareo any, lavitra loatra ko.... aleo izay akaiky aloha no vitaina sady ireo koa no hita.
2. tonny ( 28/09/2003 15:50)
Itovizantsika aloha raha iny hevitra iny satria raha amiko manokana di toa izany koa.
Kanefa anie na dia izany, dia mitovy ihany satria ny fikatsahanao ny soa, sy ny fanefanao ny adidy eo amin'ny maha samy olona dia mety ampy ahazoanao ny paradisa na dia lavitra aza izany.Ka amiko, raha manao soa sy manefa ny adidinao eto an'tany ianao dia voavaly any an'danitra, eny fa na dia tsy miandry izany valy soa izany ianao dia tsy maintsy avy ny andro iray tsy maintsy mbola hisian'ny olona iray hamaly izany aminao.
Misaotra Tompoko
Mila valiny
3. mahaizamifidy ( 01/10/2003 11:26)
Ny valiny homeko anao fotsiny angamba dia izao,hataovy izay hahitanao fahasambarana @fiainanao,izay ihany aloha raha mbola eto an-tany,raha tonga tokoa moa i Jesosy tsy samy hotsarainny nataony ve e!?,fanampiny dia ny Fitiavana sy ny Fahamarinana aza hadino, na dia tsy lavorary aza dia mba miezaka e!,fa ny zavatra tsy hitanao @ireo dia tsy ho hitanao intsony.
4. rfanjav ( 09/10/2003 13:46)
Tsy asiana resaka be fa azo fintinina @ izao fotsiny :
katsaho aloha ny fahamarinana ety an-tany dia hanaraka ho azy ny zava-drehetra!
Ary koa, aza atao @ olona ny zavatra tsy tianao atao aminao, raha samy mahavita an'io daholo angamba ny olona rehetra tsy hilamina ve ny eto an-tany?
Izao koa :
Manomboka ety antany e ny paradisa e!
Raha isika olombelona mifankatia, fitiavana ety an-tany, fitiavana tsisy fetra, nanolotra ny Fitiavany e, iainantsika zanany a! hozarazaraintsika amin'ny olombelona a!
Izay
5. jokely ( 21/10/2003 10:10)
Fanja a !
Ny tena mampalahelo amin'ity resantsika ity de zao :
Olona firy amin'ny olona miaina eto moa no mba misaina an'io ?
Tena mahalasa fisainana e !
Tsy mety nefa ny hiditra na hiteny an'ireny olona ireny (aza mitsara mba tsy ho tsaraina), ny manodidina anao sy ny manodidina ahy ihany ka azontsika resahina moramora sy tenenina moramora no azo resahina sy tenenina. Nefa firy moa ireo raha ampitahaina amin'ireo ondry nania be de be efa tsy ho voaisa intsony.
Mahalasa fisainana e !
Zay
6. rfanjav ( 24/10/2003 09:16)
"Tiavo ny namanao tahaka ny tenanao"
izay ihany arahina dia hitovy daholo isika,
satria tsy hisy intsony ny izaho sy ianao,
izaho manaja ny tenako, izaho manaja anao!
izaho mitia ny tenako, izaho koa mitia anao!
7. mtiana ( 25/10/2003 17:02)

Ho fintiniko kely ary ny resaka :
"Ireto telo ireto no mitoetra : Finoana, Fanantenana, Fitiavana ; fa ny fitiavana no lehibe indrindra amin'ireo".
"Izay tsy tia dia tsy mba mahalala an'Andriamanitra ; faAndriamanitra dia fitiavana ... raha izany no nitiavan'Andriamanitra antsika , dia mba tokony hifankatia kosa isika"
I Jaona 4 : 7-16.
ka izay ao amin'Andriamanitra no manana ny tena fitiavana satria manao ny sitrapony ary manahaka Azy. Tsara be ny tenin'Andriamanitra fa mahasoa ny mamaky sy mivelona aminy
8. lion ( 25/10/2003 16:52)
Izaho aloha tsy afaka hiteny hoe:tsy misy izany na misy satria raha tsy misy hoy aho anefa ny olona sasany miteny hoe:misy,raha hiteny aho hoe:misy(montre moi due ou paradise)tena sarotra hidirana be fa dia ny Finoana,Fanantenana,Fitiavana no ezahana hampitoerina,dia samy mba manao izay tratriny avy ve ny tsi-1-1 tsy efa mba dingana lehibe izany?
9. rfanjav ( 27/10/2003 19:40)
Izany indrindra mantsy,
samy manana ny finoany sy ny "conviction"-ny "personnelle" ny tsirairay, fa mahaiza fotsiny mifankatia e,
rehefa tia ny manodidina antsika isika dia tsy ho sahy ny hanao ratsy azy izany, dia hilamina ny tany,
dia izaho ihany no ianao @ izay.
10. kakalahy ( 31/10/2003 20:02)
Ka ilay tena "Fitiavana" moa inona marina ê! Voalaza mantsy fa misy izany hoe "eros,filia, agape" izany, ka iza amin'ireo no tena Izy sy resahina eto, ary aiza marina no misy ny tena loharanon'izy io ? Raha fantatra mantsy ny loharano dia azo antoka fa afaka hetaheta sy manakarena azy izay mitohoka ao ary dia ho afa-mizara maimaim-poana. Tsy izany ve ?
11. kally ( 19/11/2003 16:59)
Raha namaky ny voasoratra rehetra tato aho dia hitako fa betsaka no tsy mahay mampifandray ny fiainana andavanandro sy ny fivavahana,lava be raha hazavaina.Izao fotsiny e!Andriamanitra dia Fitiavana,Fitiavana izany ve iainanao eo an-tany sa any an-danitra?Raha manana an'Andriamanitra ianao,izany hoe manana Fitiavana dia sambatra,paradisa= fahasamabarana,Fitiavana =lalana mitondra any @ paradisa.Raha mandinika tsara ianao dia ho azonao ny tiako lazaina.
12. fijo ( 20/11/2003 10:03)
tsy misy azoko izay lazainareo.to tsy mazava.izaho ohatra tsy mino an'andriamanitra,nefa izaho kosa dia manaraka tsara ny fitiavanamana sy ny fifanajana eo amin'ny fiaraha monina.dia fitiavana inona izany ny ahy,satria izaho tsy mino?
13. rfanjav ( 20/11/2003 18:37)
fijo :
fitiava-namana = fitiavana an'Andriamanitra, fa ny sainao no tsy mety mino !

ny fiainana andavanandro dia efa hahatsapana ny fitiavan'Andriamanitra fa ianao mihitsy no miziriziry tsy mety hino ny fisiany, dia tsy ho tafiditra ao aminao ny finoana an'Andriamanitra!

ohatra ny zaza tsy tia "bonbon" ihany io, izy mihitsy no miziriziry tsy mety mihinana, dia tsy ho tsapany mihitsy hoe mamy anie izany "bonbon" izany!
14. kally ( 21/11/2003 20:27)
Averiko ary ilay fanazavana satria tsy dia azon'i Fijo hono(olona marani-tsaina be izy kanjo fa mody miseho tsy mahazo).
Mino ny Fitiavana ve ianao?Manana Fitiavana ve ianao?Dia hoy aho ny paradisa dia fahasambarana,ny lalana mankany amin'ny fahasambarana dia Fitiavana-manaiky ianao? Ka ny zava-dehibe tsy ny hamaritana hoe fitiavana inona ny anao,fa ny hoe mino ny fitiavana ve ianao?
Dia izaho koa mino an'Andriamanitra,ary Andriamanitra dia Fitiavana,ka noho izany mino ny Fitiavana aho,ary ny atao hoe mino dia mampihatra ny finoana,manantena fa mitondra soa izay atao.Ka raha mino ny fitiavana(izay Andriamanitra) aho,dia mampihatra ny Fitiavana,izany hoe Mitia aho,izay no lalana hahitako ny fahasambarana izay = Paradisa.
15. moi ( 24/11/2003 11:00)
Tsy mitovy isika !
Toy izao indray no hitondrako ny resaka : Ny tanjon\'ny fitoriana ny Filazantsara dia ny hampahafantatra izay zavatra ankoatr\'izao misy hita izao. Sao mahazo tsiny ho tsy nampahafantatra an\'izany Andriamanitra. Izay ihany !
Ny mampahafantatra ny olona rehetra ny Filazantsara no tanjona, aleo angaha ataoko teny frantsay tsotra hoe ANNONCE de la Bonne Nouvelle, fa tsy hoe IMPOSER. Vita izany ny anjaranay ho anareo eto amin\'ny forum ; nampahalala izahay, fa tsy manery ; mety ho tsy mahay maneho an\'Andriamanitra izahay, nefa tsy ianareo izao no hiteny rahatrizay hoe tsy nisy nilaza izahay fa misy fiainana hafa ankoatr\'izao hita izao, tsy nisy nanoro làlana izahay, noheverinay fa rehefa hendry dia ampy ... !
16. fijo ( 25/11/2003 10:36)
ny olana anie ry rfanjav sy kally dia izao e:isika rehetra dia mino ny fitiavana."sentiment"fa ny tsy mampitovy an-tsika dia izao.aminareo ny fitiavana dia mira andriamanitra.amiko ny fitiavana dia zavatra amndeha irery.tsy mila izany andriamanitra izany.to izany koa ny fahalalana ny ratsy sy ny tsara.hafaka mahalala ny ratsy sy ny tsara ianao nadia tsy mino aza.ohatra.izaho dia tena tsy tia maizina ni kolikoly.ary dia mampiadya hy amin'ny fianakaviako mihintsy io toetrako io rehefa tonga aty aho.satria tsy mety manao izany aho.izy rehetra anefa dia manao izany daholo,fa izany hono ny aty.ao an-trano anefa izaho irery no tsy mino an'antra.dia iza izany no mano ny marina?ohatra iray hafa.ny havako aty rehefa misakafo dia ny piasa tsy miara mihinana aminy eo.hiainana ao an-trano izay fa tsy foroniko.izaho dia tsy manaiky izany mihintsy.fa amiko dia mahazo miray latabatra amiko ry zareo.indraindray aza dia miandry aho ary rehefa avy mihinana ny sasany vao miara mihinana amin-dry zalahy aho.tsy manambany ahy anefa izany amiko.ka izay no tsy hazoko amin'anreo pino.mino ianareo,fa tsy mahatoky.
17. fijo ( 25/11/2003 10:39)
hadinoko.rfanjav.tiavo ny namanao tahaka ny tenanao.dia tena mampiatra izany ve ianareo pivavaka?
18. kally ( 26/11/2003 10:07)
Ekeko fa trangan-javatra mateti-pitranga tokoa ireo tranga lazain'i Fijo ireo.Dia amafisiko eto ihany,ny Fitiavana no lehibe indrindra,izay vao manaraka ny finoana sy ny fanantenana.Ka ny tena ilaina dia Mitia aloha ianao,tsy misy dikany ny finoanao raha tsy manam-pitiavana ianao,hilaza ianao fa mino nefa ny rehetra ataonao tsy misy fitoriam-pitiavana na iray aza,Dia ahoana?io no tsy tsaroan'ny mpino matetika.Nefa io no lehibe indrindra,satria averiko ihany Atra dia Fitiavana,ny hoe Fitiavana dia fahelemem-panahy,fahari-po...ary ireo rehetra izay famaritana ny Fitiavana ireo Andriamanitra.
19. rfanjav ( 26/11/2003 20:22)
fijo : miezaka mampihatra, ary mianatra mitia,
20. fijo ( 27/11/2003 20:14)
izany hoe zavatra tsy ho vita mihintsy io asaina atao io.izay no tena blemn'ny pivavaka.tsy manao izay lazainy izy,ary tia izay tsy tiany resahina."les chrétiens aiment l'amour,mais ne parlent pas d'amour,ils detestent la guerre,mais parlent beaucoup de la guerre"izay ny toetra kristianina.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2701