Hafanao ny tana fa mampitehody e

1. xxx ( 26/09/2003 11:38)
Aiza daholo tsika ry gasy aty alavitra hasio resaka fa mangina loatra sa variana miady amin'ny fiainana v ?
novalian'i fijo ny 11/05/2004 23:19
2. kitjo ( 27/09/2003 10:15)
sli an, inona ary no horesahina e???
3. ratam ( 02/10/2003 13:29)
Ento ary ny resaka e,

Hono ho'a rey olona e ! Tena tamana tokoa ianareo any ivelany ireo sa ahoana ?

Misy fomba fiteny anefa manao hoe ny Jiosy tsy masina an-taniny ary ny na aiza ianao na aiza dia mpivahiny foana ianao rehefa tonga any an-tanin'olona hafa ny tanindrazanao any...

Ary tena marina ilay hoe GASY KA MANJA ANH !!! Amin'ny endriny rehetra io... Raha tsy isika anefa no mikolokolo azy dia ho reraka ihany izy amin'ny farany !

Raha tsy mazava anefa ny rafitra iainana dia ho sarotra ny hiverenana any. Sa ahoana hoy ianareo ?

Mirary soa ary e !
4. bonnie ( 10/11/2003 10:56)
Io ange no tena tanjona ny akamaron'ny ny gasy aty ivelany...ho heveriko angaha fa tena io...kanjo, indrisy betsaka ihany ireo mpirain-tanidrazana tsy maniry hiverina intsony (na mba hoe faniriana aza dia tsisy)...Izay no mahatonga an'ilay fitenenana hoe : tsy maintsy hiverina foana indray andro any...enga anie mba ho ato ato...Faniriana daholo izany, fa tsy maintsy tanterahina diny mbola hafaka...
Ho hita daholo ê. Ny Jiosy aloha izay efa tafaverina @ Israely mbola lavitra ezaka, ka ny gasy aty ivelany koa torak'izany, tsy vita mora mora io fa, rehefa misy ny herin-tsaina, dia mety vita iany ny ady...Ka anjaran-tsika no mieritreritra...
Tsy hazo omena tsiny ireo tsy tehy hiverina, satria mety sarotra ihany, raha dinihana...nefa kosa, dia amelona ny tanin-olonkafa foana ve ???
Samy mandray ny andraikiny dia samy mahita an'izay mahasoa azy, fa kosa aza adino ny Tany fihaviana....sa ahoana ?
Namana eto @ serasera
5. wawawa ( 19/11/2003 12:36)
Manao ahoana daholo ianareo. Aty Amerika, Tegizasy aho no manoratra ho anareo. Fianarana no nandehanako aty. Mahafinaritra ahy ity tranokala ity sa ahoana hoy ianareo??? Ny hevitro dia hoe, na tsara toy ny inona, na tsara toy ny inona aty, dia ivelany fotsiny. Hafa ihany mantsy izany hoe Dago izany. Lazaiko anareo fa tamin'ny izaho naheno hoe handeha aty dia faly, rehefa nandroso ny andro dia sahirana indray. Dago jerena mahantra sy sahirana fa rehefa mandinika dia aleko ihany ny taniko!!!!! Tsy maintsy mbola hiverina aho. Gasy ka manja e!!!!
6. xxx ( 20/11/2003 20:09)
Manaona daholo,
Marina zany e, hafa íhany Dago. Ny indro kely fotsiny dia ndraindray tsy mahay mifandray sika gasy rehefa tonga aty ivelany aty, toa ny efa ela nihetezana tsy te hifangaro @ vao tonga,asa inona ny antony?
Na tsy havanao aza nefa tadidio fa mpiray tanindrazana aminao.
Dia hatakalanao ny vahiny ve sanatria?
7. xxx ( 23/11/2003 19:33)
Mampalahelo tokoa aloha fa tsy tia mifandray isika gasy aty. Nefa aty no tokony mba hifakazahotsika.
Raha samy mba miezaka mifandray anefa zao mba mahavita zavatra betsaka ary tsy dia halahelo loatra ny any an-tanindrazana o !
Sa tsy marina zany ???
8. rinakely1 ( 29/11/2003 13:50)
ny gasy tonga aty manko d miseho milay daholo ka asa ahoana no atao mba hifaneraserana @zany?
9. wawawa ( 30/11/2003 19:41)
Isika gasy aloha rehefa tonga aty tsy tokony ho mora influencena @ materialisme e! Tsy izany manko fa rehefa manamanana isika dia manana tendance hanambany ny mpiray tanindrazana amintsika izay hitantsika hoe tsy mahatakatra ny azontsika. Tokony hoe raha misy olona iray mandeha aty ao @ fianakaviana dia tokony hanondrotra iny fa tsy sanatria hanitsaka. Ny toe-tsaina no mitondra an'io e!
10. xxx ( 03/12/2003 19:13)
Marina ny anao.Aza adino zalahy ny manampy ny havana any Dago rehefa mba manana mihoatra ianao na dia kely aza.Nymoba antsika samy aty indray dia mifankatiava leroa ary mba mifanoroa hevitra fa mahatsiaro irery anie aty an-tanin'olona aty saingy teren'ny fiainana fa tsisy lafatra noho ny any Dago ihanyé!
11. rfanjav ( 09/12/2003 19:10)
Mazotoa ry zareo fa aza mba kivikivy izany a!

efa any ihany dia ataovy izay mba hahatsara ny fiainana fa sao dia tanam-polo no entina miverina aty, nefa lasa lavitra !

(ny tiako tenenina dia izao : ho anareo miasa dia mba hahangona misimisy ho entina mody e, ho anareo mpianatra indray dia mba hahavita ny fianarana ratovina any fa sao ho very fotoana sy ho lany vola fotsiny !)

ary atsangano ny fikambanana ho an'ny gasy any ivelany any e, dia mba mifanerasera any ianareo rehefa mba manimanina !

Tsiky hono dia ampy !
Fanja
12. aly ( 03/01/2004 17:00)
Misy marina ihany ny volazanreo saingy isika gasy no sarotra entina.Llehiben'ny fikambanana gasy aty ivelany aho ka mila ho kivy mahita ny fombantsika. Misy dia miprofite fontsiny fa tsy mba manao izay iarahana maharitra. Mbola mila hovaina ny toetsaina sa ahoana?
13. titakely ( 03/05/2004 08:10)
Mahafinaritra ny ady hevitra ahafantarana hevitrabetsaka, tsara tokoa ny mitady aty ampita fa na izany na tsy izany dia hafa ihany ny tany niaviana e, na mahantra aza Dago dia zavatra azo notsoahiko dia tsy azo ampitoviana amin'ny hafa ny taninao, ary any ihany no tsy maintsy hiafarana e
14. fijo ( 03/05/2004 23:23)
marina izany.
15. beko ( 04/05/2004 16:53)
mitady ravin ahitra fotsiny daholo fa sarotra be izany hijanona aty mandrakizay izany,
16. fijo ( 04/05/2004 23:19)
eny wa,aleo maty any toa izay aty ka
17. kambana ( 06/05/2004 10:41)
Miarahaba anareo namana rehetra mitady ravinahitra any andafindriaka any. Saika hila fanampiana aminareo ny tenako satria hitako fa miray saina tokoa ny mpikambana rehetra ato @ namana.serasera. Manana cousine mipetraka any @ izany hoe "23;rue pasteur, any @ faritry ny haut-sur-seine" izany aho. Hatr@ izao tsy fantatra ny momba az fa henonay fotsiny hoe TOA nanambady vazaha hono. Ka inona ry namana ny torohevitrareo ahafahana mahafantatra (de manière indiscrète) ny momba azy?? na izay toeram-piasany na izay ataony sns... Dia misaotra anareo mialoha.
18. akamatiana ( 06/05/2004 16:23)
kambana , za alou tsy any amin'io toerana io , nefa mba misy tiako, ambara aminao ihany na de zany aza . Ra tiany ho fantatrareo ny momba azy ,de anjarany ny mampilaza anareo izany , misy antony angamba ao matoa izy tsy mivaky aminareo havany.Ka atao ahona zany ry kambana fa zay no9 fantany fa mety zany .Ka de anjaranareo zany no mandamin-tsina . sa tsy mety zany hevitro zany??
19. oully ( 06/05/2004 16:39)
Raha ny hevitro aloha ry kambana dia efa tsy manière indiscrète intsony ny nilazanao ilay adiresy eto, satria olona maro no mety ahavaky an'io, mety ho ilay cousine-nao mihitsy aza. Maninona moa raha hanoratana amin'io adiresy io izy eh?
20. fijo ( 07/05/2004 00:55)
izay no mety,ataovy lettre avec a de recep,dia hita raha voarainy ilay izy.mba sura aloha ianareo amin'izay hoe ao marina izy.
marina aloha ry akamatiana fa safidy ny azy,fa tandremo fa misy koa anie no sendra ny tsy fidiny e.tao avignon dia efa nisy sipa gasy nanaraka vazaha taty,kay nony tonga dia nalain'i lery ny pasipaoro dia nampiasainy tary amin'ny rampara.dia ny gasy tao no nanango mbola nodiany.aza avy dia jerena amin'ny hoe izay.na dia mety homarina koa aza izany.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1209