...NOHO IO FITIAVANA IO!

1. ryana ( 17/09/2003 19:50)
… NOHO IO FITIAVANA IO!

Eritreritra tsy tàna fa lasana any lavitra any;
Sento tokana, mazàna, mahafehy ireo vinany;
Fanantenana f’isan’andro dia hoe hifankahita;
Haravoana sesilany rehefa tsinjo ery am-pita…
… Noho io fitiavana io!

Fo midoboka, mandroatra rehefa voatery miandry;
Feo te hiantso, te hitroatra, hila tsy ho tafandry mandry;
Tsiky iray izay milaza ny tena ao anaty fo;
Tsiky tsotra sy mazava: safonokoka tokoa…
… Noho io fitiavana io!

Fanadinoana ny fotoana, ny olana sy ny elanelana;
Izay jerena babangoana, izy no hany fanamperana;
Hasambarana ao anaty satria tsy irery intsony;
Paradisa no miranty, ireo ratra toa nitony!
… Noho io fitiavana io!

Fihaikena indray fa mety izay nolavina hatrizay;
Fihoarana ireo fefy sy fitsapana mahamay;
Finiavana hanadino fa misy anie ny voarara;
Manaiky sady mino fa misy ratsy lasa tsara…
… Noho io fitiavana io!

Ryana
(06/08/03)









novalian'i mamps ny 22/12/2003 11:26
2. kitjo ( 17/09/2003 18:25)
inspiration zany an,
Fa tena tsara be aloha le izy e
3. ryana ( 18/09/2003 18:06)
MIsaotra an'i Kitjo nitsidika!
Ryana
4. noromandresy ( 19/09/2003 15:52)
miainga ny santimaka an! aza alefa lavitra e! maka tslem de zay
5. ryana ( 20/09/2003 10:42)
MIsaotra an'i Noromandresy nitsidika!
TSy hita izy ity ê!
:-)
Ryana
6. hery ( 20/09/2003 14:01)
Hozy Nono hoe Io fitiavana io ihany no mahatonga izany...
Dia meloka foana izany aminareo ny fitiavana an.
7. mxr ( 20/09/2003 14:16)
Tena marina sady fatratra e ! Fehezan-teny 3 no tena ankafiziko :
- Fanantenana f’isan’andro dia hoe hifankahita (izay ilay maha-mamy ny fisian'ny ankilany)
- Hasambarana ao anaty satria tsy irery intsony (zava-dehibe eo @ fiainana... satria tsy tsara "hono" ny irery : na ny finoana na ny fiainana fotsiny dia miteny izany)
- Manaiky sady mino fa misy ratsy lasa tsara… (eny tokoa fa tsy misy intsony ny ratsy ao anaty fitiavana)
saingy toa misy fanenenana kely izany ilay lohateny sa diso ny hevitro ???
Mazotoa hatrany manoratra ho vakiana e !
8. ryana ( 22/09/2003 15:52)
Hery,
Tsy hoe meloka ny fitiavana ka! izy no hahavitàna zvtr maro, hahatsapàna zvtr (tsara) maro, ... manisy mamy @ fiainana ê! ka izany ve dia hoe meloka?

Mxr,
Tsy misy fanenenana kosa ê!
Ny tiako ho nambara dia hoe ny fitiavana no anton'ny zvtr maro @ fiainana!

MIsaotra anareo ê!
RYana
9. mampikanto ( 22/09/2003 10:14)
Misaotra e!
10. ryana ( 23/09/2003 17:44)
Mampikanto,
TSy misy fisaorana, anaka.
:-)
RYana
11. mitia ( 23/09/2003 08:24)
ekena ka!
12. ryana ( 23/09/2003 11:34)
Mitia,
:-)
Ryana
13. jm ( 25/11/2003 11:39)
Tena tafainga mintsy à namaky an'io zavatra nosoratanao io,tena tsara kà,azoko tohizana vé???
14. jm ( 25/11/2003 11:40)
Tena tafainga mintsy à namaky an'io zavatra nosoratanao io,tena tsara kà,azoko tohizana vé???
15. tequila ( 05/12/2003 11:27)
tsara be an !!

16. mamps ( 22/12/2003 11:26)
tsisy azoko mitsy
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1611