mino ny fisian'ny anjara sy ny lahatra ve ianao eo @ sehatry ny fitiavana

1. xxx ( 10/09/2003 19:51)
raha ny hevitro manko die ny safidy ihany no mitondra an'io zany hoe miankina @ safidin'ny tsirairay ihany e sa ahoana ny hevitrao io
novalian'i voafitaka ny 24/06/2011 13:13
2. xxx ( 10/09/2003 13:46)
Sarotra be ilay fanontaniana fa misy ny anjara tsy zo idifiana satria avy amin'Andriamanitra??? nefa ao koa ny safidy??
3. xxx ( 10/09/2003 13:47)
Sarotra be ilay fanontaniana fa misy ny anjara tsy zo idifiana satria avy amin'Andriamanitra??? nefa ao koa ny safidy??
4. hery ( 11/09/2003 13:28)
Hmmm.

Arakaraky ny olona ihany. Efa nahita an'ilay film hoe "Only you"? Iny misy resaka anjara fa ny anjara kou anefa azo forcer-na.

Mazotoa
5. xxx ( 23/09/2003 11:50)
misy afaka manao fanazavana ny atao hoe LAHATRA sy ANJARA ve aloha...? toa tadidiko nianatra izany aho teny an-tsekoly kanefa zao vao tena tonga amin'ilay fampiharana azy ka sahirana kely ny saina ...

misaotra e!
6. xxx ( 23/09/2003 11:50)
misy afaka manao fanazavana ny atao hoe LAHATRA sy ANJARA ve aloha...? toa tadidiko nianatra izany aho teny an-tsekoly kanefa zao vao tena tonga amin'ilay fampiharana azy ka sahirana kely ny saina ...

misaotra e!
7. panodina ( 08/10/2003 19:25)
araka ny hevitro aloha dia misy ny lahatra sy ny anjara raha mivavaka ianao ka mino fa ny ray no mandahatra ny anjaranao izany hoe ny zamisy sy ny zavatra ihainanao dia voalahatra avokoa ka tsy ;misy azo idivirana avokoa otrany film ihany io ee ! ianao no role eto dia ny sisa mpanaraka avokoa sy panaingo ny tantara ary izay voasoratra eo no ataonao sy arahina dia izay ilay hoe anjara voalahatra hoanao
8. lion ( 08/10/2003 08:03)
Amiko tonga dia tsy misy izany.Raha misy mantsy izany mety nandahatra ny anjarako aho,efa nandahatra ihany aho saingy tsy mitovy @ilay noheveriko,natao hanan-jo hifidy isika noho izany miankina @safidin-tsika ihany ny fiainana rehetra na dia voalahatra ho faty azy isika dia afaka misafidy ny tsy hamonon-tena,noho izany amiko ny fahafatesana ihany no efa lahatra sy anjara tsy azo hidifiana fa ra mbola velona dia ianao no tompon-teny farany @izay rehetra hataonao.raha voalahatr Andriamanitra mantsy isika dia voalahatra koa i Adama sy Eva hihinana ilay voankazo voarara.
9. xxx ( 08/10/2003 18:00)
ny lahatra tsy mino aho na ny anjara fa safidin\'ny tsirairay ihany io
10. xxx ( 15/10/2003 12:04)
raha sehatry ny fitiavana no jerena, azo lazaina nefa fa mety misy ihany lahatra sy anjara ...

iny olona miaraka aminao iny, nosafidianao izy hiaraka aminao kanefa izao ... mety iny tokoa anie ilay anjaranao e! ??? ny contraire koa mety ho izy nefa :( mety tsy iny no anjaranao ...

izay safidinao izay ihany, mety efa lahatra koa anie zay e! fa ianao no tsy nahalala foana hatr'izay hatr'izay, fa raha nahafantatra mialoha ianao, tsy lahatra iny fa nijanona ho safidinao olombelona, fa ny lahatra, he izany izy hoe lahatra, tsy an'olombelona fa ... (izay ilazanao azy)

sa ahoana?
11. rfanjav ( 15/10/2003 16:25)
"l'homme propose et Dieu dispose"
na inona ataonao eo rehefa tsy nalahatr'Andriamanitra ho anao iny dia tsy ho tanteraka mihitsy,

ity fiainantsika ity anie asa na efa henonareo fa ohatra ny mpilalao tantara fotsiny isika fa efa voavola mialoha ny fiainantsika olombelona, sy izay ihafarantsika tsirairay avy, tsy afaka ny midify @ izany isika tsy maintsy manaraka ny onjany eto!
12. hery ( 15/10/2003 18:57)
:)
Taiza indray no nahitan'i rfanjav an'izany?
Dia lazaina fa hoe tian'Andriamanitra ny olombelona kay tsy avelany mifidy fa noforoniny tahaka ny famoronana jeux amin'ny ordinateur fotsiny? Efa fantatra hoe izao no fiafarany?
Hmm "Dieu propose mais l'homme dispose"
Impiry Andriamanitra no maniry ny hanaovantsika tsara (proposer) fa isika manao ratsy foana (disposer). Omeny fahalalahana isika vokatry ny fitiavana kanefa misy ny mitia misy ny tsy mitia.
Oups, sao dia tsy eto intsony no tokony hilazana an'izany..
13. rfanjav ( 16/10/2003 12:23)
fa aiza indray no tokony hilazana an'izany
tsy marina ve izany hoy Hery, tsy efa samy manana ny toerana voatokana ho azy ny tsirairay avy?

efa misy sila-panahy koa mandehandeha any nalahatr'Andriamanitra ho anao, ka raha hitanao izy dia izay no anjaranao! sa tsy izany?!
14. mahaizamifidy ( 20/10/2003 09:38)
Fa inona kay no tena hataon Andriamanitra,mandahatra silam-panahy sa manamboatra trano hitoerana,de manninona izy no mbola tsy miverina foana,mbola tsy vita ve ilay fandaharana sa ilay trano no tsy mety vita?,sa resaka fotsiny no bobaka?
15. rfanjav ( 20/10/2003 09:48)
oay, hafa indray izany fanontanianao izany ry mahaizamifidy,
efa niverina Andriamanitra matoa efa nisy ny olona nalainy ho any aminy, (aleo atao hoe maty izany raha izay no tianao), ary samy manana ny androny ny olona tsirairay.
"Handeha aho, hoy Izy, hanamboatra toerana ho anareo"
16. mahaizamifidy ( 20/10/2003 12:24)
Ny fitiavako ve ho faty,tsy hadino mandrakizay,eo ianao vao mahita tsara hoe:Andriamanitra no nandahatra ahy sa izaho no nisafidy,fa raha ratsy dia omeo tsiny ny fitiavana dia hitanao hoe:iza no mibaiko sy mitondra.
17. rfanjav ( 21/10/2003 18:35)
Afaka misafidy tokoa ianao, fa rehefa tsy anjaranao iny na inona ataonao na inona tsy ho tanteraka ny fanirianao,
na koa hoe, na misy olondroa voarara tsy hiaraka, na inona fanakanana ataon'ny olona, rehefa anjaran'izy ireo ny hiaraka dia tafaraka foana izy ireo e!
Izay ilay fitiavana (mandahatra sila-panahy araka ny nosoratanao), fa ny @ ilay "manamboatra toerana" no voalazako tetsy aloha, fa aza afangaro.
18. lion ( 21/10/2003 19:33)
Ianao anie tsarovy fa tsy afaka hiteny na oviana na oviana hoe:ity no anjarako e!,raha misarak izy rahampitso dia ahoana,hiteny indray ianao hoe:tsy lahatr Andriamanitra?,anjara zavatra natokana ho anao ary tsy ho alaina intsony,ny lahatra zavatra efa lasa tsy azon-tsika hatao na inona na inona intsony toy ny hoe:nianatra aho omaly,tsy misy azo atao fa dia mijanona ho tantara mandrakizay izany izay vao mipetraka ny fanontaniana hoe:iza no nandahatra an iny tantara iny?dia raha fantatra fa ratsy dia omeo tsiny ny fitiavana dia hita hoe:iza no mpibaiko hoe:Rfanjav midira ao @ namana serasera tsy ny fitiavana ve no maha-tonga izany?.
19. xxx ( 21/10/2003 19:42)
Sady Andriamanitra fitiavana,mety marina ihany ny voalazan i Rfanjav fa ny azy ny Andriamanitra any @ tsy taza-maso ny an i Lion indray fitiavana ao anaty ny ahy kosa fitiavana miaina.
20. rfanjav ( 23/10/2003 17:05)
Izay mihitsy no saika ho anontaniako hoe : fitiavana @ lafiny inona aloha no iadiana hevitra eto e, tsy fifankatiavan'olon-droa?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2802