IFONAKO, MALALA

1. ryana ( 09/09/2003 19:42)
IFONAKO, MALALA

Ireo teny tsy voahevitra, nandratra ny atifonao,
Ireo fanapahan-kevitra nokasaiko ho natao,
Ireo eritreritro nivoana, niampanga, niahiahy,
Toa didy ts’isy hoe nahoana… nandrotidrotika fanahy…
Ifonako aminao, malala :
Tia aho, ka toa adala…

Iny ranomasoko iny nirotsaka satria tsy tana;
Iny tebitebiko iny, tsy mba haiko noraràna;
Ireo teny nankarary nosoratako ho anao,
Fihantsiana niharihary, filàna ady tsotr’izao…
Ifonako aminao, ry aiko,
Ny mitia angaha no tsy haiko…

Ny tsy mba niheverako izay mety hoe nanjo anao,
Fa nentin’ity fitiavan-tenako, tsy nisaina afa-tsy ny izaho;
Ny tsy fahaizako nitia sy nankamamy ny anjarako,
Ity fahazarako ninia te hanova ny tantarako…
Malalako, mifona aho,
Miangavy, mitalaho!

Fikasàko manombok’eto ny hanova fomba fisainana,
Izay anjarako ho ekeko, ho lavitra ahy ny fitarainana;
Hasambarana, hafaliana, ireo no inoako hiainantsika,
Salanitra fa tia ka tiana… paradisa ny antsika…
Raha sendra misy hadisoana,
Mba iantrao rehefa mifona…

Ryana
(30/07/03)


novalian'i mxr ny 23/09/2003 14:50
2. jahary ( 09/09/2003 12:11)
Tononkira ve io sa noforinina ry ryana? Tena tsara miitsy!
3. tsotra ( 09/09/2003 13:40)
Ryana , tsotra ny teniko anananao ilay zavatra !!! Tohizo fa tena .....
(tsy voalaza @ soratra) .
4. ramalagasy2003 ( 09/09/2003 17:58)
SAMBATRA ny firenena manana
tanora manandratra ny tenin-drazany toa anao ry Ryana,koa tohizo,indrindra moa fa raha aingam-panahy mipololotra avy ao anatinao lay izy.
5. toubib ( 10/09/2003 16:58)
Hafa ihany ho aho ny forum ato@n'ny namana! tsy hoatry ny ao @ wanadoo!
6. ryana ( 10/09/2003 17:08)
>Jahary
Ramalagasy2003,
Tsy tonon-kira akory io fa mba \"feeling\" sendra nandalo ê!
Misaotra anareo nandalo tato.

>Tsotra,
Misaotra!

Ryana
7. nanoue ( 10/09/2003 08:01)
mahafinaritra be fa tohizo de mba andefaso matetika ny eto @ forum e! misaotra
8. andry14 ( 10/09/2003 08:32)
de mahay raha re ianaory ryana koa
9. ryana ( 10/09/2003 08:41)
Misaotra an'i Nanoue sy Andry14.
Misaotra an'i Toubib koa!
Tsarà daholo!
Ryana
10. klepp ( 10/09/2003 10:36)
Manana talenta ianao. Mahafinaritra
11. mampikanto ( 10/09/2003 12:01)
tohizo Ryana fa mafinaritra a!
Mankasitraka indrindra a!

Mampikanto ihany e!
12. lavitraakama ( 10/09/2003 13:30)
hafa ihany ny teny Gasy fa mahay mandrindra teny sy mody miolan-kolaka izany nefa vao mamaky azy amin'ny voalohany dia azo ny tiany lazaina fa mbola tia
13. clarys ( 10/09/2003 14:21)
Riana angaha tena efa mpanoratra matetika. Mba andefaso ohatran'io aho fa izaho koa mba tia manoratra tonokalo. Manja le izy kah !
14. ryana ( 11/09/2003 14:18)
Kleep,
Mampikanto,
Lavitraakama,
Clarys,
Ianareo no isaorana mankasitraka izay mba andranandrana ataoko.
Ryana
15. moi ( 15/09/2003 09:07)
Manaiky ny fifonanao mihitsy kosa aloha aho amin'izao e !
Mba hianarako koa ny mifona hoatr'izao !
16. ryana ( 15/09/2003 09:59)
Moi,
Misaotra ê!
Tena nitsiky aho namaky ny voalazanao.
Ryana
17. mxr ( 17/09/2003 15:43)
Dia asa aloha ry Ryana fa nampihetsim-po ilay izy ... saingy nifanohitra amin'ny an'i moi.
Ito ny valiny hatrizao (mety hisy hafa angamba e !). Sa tsy tokony ho nataoko tato @ loha-hevitra fitiavana ???

MISAOTRA KA VELOMA

Nanandrana aho nitia, niezaka hanatona
Kanefa rindrim-by, varavarana nikatona
No tratrako ombieny. Izay no sitrakao
Ka tsy nasiako teny. Vita ny lalao.

Nijaly aho na dia sambatra, niezaka nikiry
Nifidy ho tafatambatra. Kanefa tsy nitsiry
Fa lo, tena maty, ilay voa izay nafafiko.
Nangaina ny ao anaty. Nibahana ny rafiko.

Ka aza izaho no ifonana,
Fa ny fitia niombonana.

MXR
17/09/03
18. mxr ( 17/09/2003 18:56)
Ny andro nangatsiaka omaly sy androany angamba no nampangatsiaka ilay teo. Aleo soloina an'ito ny valiny.

NY TIA DIA TIA

Tsy tsaroako akory
Izay mety ho alahelo
Na hoe ny sorisory
Angamba re avelo ?

Tsy tsaroako marina
Izay mety ho hadisoana.
Na mandry aho na tafarina
Fitia no nimamoana.

Tsy tsaroako izany
Ny nisy dia ity :
Ny tsikinao mavany,
Angamba diso tia !?

MXR
17/09/03

Mahereza e !
19. ryana ( 17/09/2003 19:47)
>MXR,
Mahery ianao ê! na ho raisina na tsia ilay fifonana, hainao daholo ny valiny.
TSy aleo ve ataonao sujet hafa mihitsy ny tononkalonao? manjary voasaron'ny andranandrana ataoko ny chef d'oeuvre-nao!
mankasitraka!
Ryana
20. mxr ( 17/09/2003 09:14)
Aza mahasosotra Ryana a ! Tsy dia mety loatra hono ny manetry tena loatra. Ireo lazainao ho "andranandranao" izay nampihetsi-po anie no nahatonga ahy hanoratra e ! Fa raha tsy tianao dia aleo valiako mora aty amiko dia ataontsika recueil any aoriana (style SAFOSAFO ... fantatrao ve io boky io ???).
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5033