REHEFA TSY EO IANAO

1. ryana ( 04/09/2003 08:53)
REHEFA TSY EO IANAO

Rehefa tsy eo ianao,
Zary babangoana izay rehetra jereko;
Rehefa tsy eo ianao,
Ny fiainako misaona, tsy misy intsony ekeko;
Rehefa tsy eo ianao,
Ny foko zary maona, miantso fa tsy reko!

Rehefa tsy eo ianao,
Tsy misy zava-bitako, toa very remby aho;
Rehefa tsy eo ianao,
Izay nofaritako, toa zavona mandao;
Rehefa tsy eo ianao,
Ity fangitangitako, tsy mba ho takatrao!

Rehefa tsy eo ianao,
Izaho miandrandra hatrany ny fihavihanao,
Rehefa tsy eo ianao,
Ny saiko maminany, lasa aiza re ianao?
Rehefa tsy eo ianao,
Ny foko mitomany, maratra anaty ao!

Rehefa tsy eo ianao,
Ity fisiako mihitsy no tsapako tsy ilaina;
Rehefa tsy eo ianao,
Ireo fahavalo tsy mitsitsy, mikendry hanala aina;
Ka raha mba azo hatao,
Ataovy ora vitsy… Faingàna sombinaina!

Ryana
(04/09/03)

novalian'i ryana ny 17/09/2003 15:25
2. perla ( 04/09/2003 09:21)
Mahafinaritra tokoa izany manana namana izany fa izao Ryana a! ovay indray ny fandehany hoe : rehefa tsy misy mail avy any aminao dia ahoana indray. Ataovy conclusion ny hoe : soa fa nisy mail.
Misaotra
3. ryana ( 04/09/2003 11:05)
>Perla,
Marina izany!
Saingy ny mail anie tsy mahasolo ny tena vatana ê!
Sa diso aho?
Ryana
4. nata ( 08/09/2003 19:16)
Marina mitsy lazainao ry Ryana!!tahaka ilay hira ny ZAY ilay Ianao!iny!refa eo akaiky izy dia na ny mainty aza lasa fotsy!fa refa lavitra izy! d anjary mieritreritra hoe nakaiza aza izy!

Fa na zany aza d marina ihany koa ny any Perla satria! refa bola misy ny mail d tokony zay aloha atao ba hahampy fa refaveo mandinika hafa injay!!

Fa na zany aza! c'est bien que la personne soit à côté!fa ra mifanalavitra indray! d ny mail ihany kou misy fona!!
5. ryana ( 08/09/2003 09:13)
Misaotra an'i Nata nandalo tato!
Ryana
6. hery ( 09/09/2003 08:43)
Tiako le aingam-panahin'i Ryana kah. Raha manokatra site tononkalo ve aho dia handray anjara mavitrika ianao?
Ho avy tsy ho ela ary e.
hery
7. ryana ( 09/09/2003 14:13)
Misaotra ny Tompon'andrikitra ambony amin'izao serasera izao nitsidika ny redirediko tato amin'ny ora fivoahan'ny mpamosavy :-)
Handray anjara aloha, raha mbola azo atao ê!
Dia miandry izany izahay mpisera.
Ryana
8. hery ( 09/09/2003 12:11)
:D
Tsss izy kou hoa tsss.
"Tsiky dia ampy" e
Hisokatra ao anatin'ny roa volana farafaha elany ny tononkalo. Somary tsy manam-potoana aho amin'izao fa efa nisy namporisika ka dia tsy maintsy hatao. Enao sy i Mampikanto izany no mpanoratra fantabahoaka... fa misy tsy fantatra fa ato ihany an... ho hitanao mou.
:)
9. ryana ( 10/09/2003 17:13)
hahahhaha
MIsoatra ê!
Ryana
10. mxr ( 16/09/2003 17:14)
Ryana, nahafinaritra ahy ny nataonao sy mampikanto dia nomeko valiny avy.

ANILANAO HATRANY

Lala a !

Voaraiko teo ilay hafatra nalefanao ho ahy
Nandrotika fanahy
Tsy fidy fa adidy iny anton-diako iny
Ka aoka tsy ho tsiny.

Ny hary izay ataoko dia ho antsika roa
Ka tonio ny fo
Ka na niverina aza ny ngolin’ny maraina
Herezo sombinaina.

Niampita an’eritreritra, nihodidina ny tany,
Reko ilay tomany
Kanefa matokia, ry Lala ô, hatrizao
Ny saiko anilanao.

Na izaho na ianao dia dodona ho iray
Ho mandrakizay
Kanefa misy dingana tiako ho ezahina
Ka aza mahimahina.

Ka aoka ianao hahery, aoka ianao hijoro
Andry tsy mikoro
Dia ho minitra vitsy ny andro-pisarahana,
Izay no hivavahana.

Ny fitiavantsika mandresy sesilany
Ny elanelan-tany
Na mailaka aza ny hafatro, minoa fa ho tsapanao
F’izaho anilanao.

MXR
16/09/03
11. ryana ( 17/09/2003 15:25)
Mankasitraka an'i MXR!
Misaotra ihany koa nitsidika.
Ryana
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2565