Possible v manorina fitiavana à distance?

1. xxx ( 04/09/2003 18:29)
Misy olona miaraka @ko efa ela ihany zay!! zay nefa zara fa mifanena satria mifanalavitra b ny toerana misy anay!! fa nefa tél sy mail sisa no hifanamborahanay fitia!fa nosarahany elanelantany izahay!! izy nefa tia anahako ary za tia azy!!
Ka izao ny fanontaniko hoe:possible v manorona fitiavana na dia mifanalavitra aza ny olona anakiroa?
novalian'i valie ny 27/09/2005 09:59
2. xxx ( 04/09/2003 11:32)
Amiko azo atao tokoa, saingy aza atao ela loatra ny fotoana tsy ifankahitanareo... sao mantsy voa ohatranay, tsy nahazaka ny iray fa lasa nitady fitady tany amin'ny toerana nisy azy, atao ahoana fa olombelona ny tena !!! ... amin'izay vao mety ho sarotra ny raharaha... fa raha azo atao foana no mifankahita na 1 isan-kerinandro aza, na 1 isam-bolana, farafaharatsiny 1 isaky ny 3 volana e! sao tara loatra na dia miresaka amin'ny mailaka sy ny telefona aza ianaoreo ... mazotoa!
3. xxx ( 04/09/2003 15:09)
ouais ca ce peut mais t\'as oublié que loin des yeux loin de coeur
si tu ne veux pas le perdre vas le rejoindre ou je ne sais pas moi
et l\'e mail et le tel ca ne veux rien dire car ce n\'est que des mots et deriere l\'ecran on peut dire tout ce qu\'on veux meme si ca ne vien pas de coeur elle peut te dire qu\'elle t\'aimes encore mais on meme temps elle sort avec une autre personne bonne chance j\'ai oublié tiens moi aucourant si elle te plaque un jour lol!!!!!!! je rigole
bon corage et bonne chance pour toi
ciao
4. andrilalaina ( 06/09/2003 19:50)
miankina aminareo ihany io e arakarakareo ihany io rehefa hifankatia ianareo roa tsy mahasaraka anareo ny elanelantany seo koa no tena tokony hanjaka ny fifampitokisana fa raha tsy misy iio de tsy ho tanteraka ny fitiavana misy eo @ nareo roa
5. stacy ( 16/09/2003 08:43)
tena possible ny manorina fitiavana à distance ary amizay aza tena mamy ny fitiavana ary tsy atahorana ny accident( bevoka !!!) ary ny tenako zao dia tena miaina izany mihitsy nadritra ny 4 ans fa tena cool rehefa fidèle ianao
6. rinakely1 ( 08/11/2003 20:59)
Mitovy ihany izany ny olantsika nefa zahako mino fa rehefa anjaranao iny oln niaraka t@nao ela b iny d hain'Andriamanitra foana ny sahaza anao.
Na ny elanelan-tany aza tsy atao mampifezaka, na mafy ny tsy mifankahita toa ny teo aloha, na mankarary ny fo ny mandre fa mampirafy ny oln tianao rehafa tena tia enao d mora zakaina daholo zany olana maro manpijaly izany.
7. pisobe ( 10/11/2003 10:48)
Salut!
Inona moa no tsy ho possible e?
Fa raha toa ka ny vola no tena ampanjakaina de iaretana zany ny elanelantany. Fa raha ny fitiavana no ampanjakaina de mety ho ny vola no mandefitra, de @ izay miara-mipetraka nareo. De rehefa milaza nareo hoe: hiaraka h@ farany de alao tao antsaina ny hasarotampiaro. Fa raha ny elanelantany, sarotra ny hilazana aminao fa fidele ny lehilahy (miala tsiny @ nareo lehilahy an! ) , ary izay tsy hanomezana tsiny ny lehilahy mintsy.
Bye
8. kanty ( 19/11/2003 15:14)
Tena talanjona @ fahendren'ireto namana malagasy ireto mihitsy aho.
Tena possible tokoa ny fiarahana à distance. Araka izany dia tsy moramora ilay izy. Fa ny tenako izao koa dia miaina izany. Tsy maintsy misy ny hakiviana indraindray rehefa irery iny ianao fa aza esorina ao am-ponao fotsiny ny fanantenana. Marina mihitsy ilay hoe : tena cool rehefa fidèle ianao. Mamy io fiarahana io. Indd rehefa mihaona any aoriana ka tsy hisara-toerana intsony.
Dia ny tandremana koa dia aza manaiky hakivian'ny olona @ hoe : ianao ve dia miandry azy nefa izy any lavitra any tsy hay izay ataony any. Fa matokia ny fanantenanao. Dia mbola manaiky ihany koa aho hoe : rehefa iny no anjaranao natokan'Andriamanitra dia manampy anao koa izy @ fizakana ny ady rehetra.
9. fijo ( 20/11/2003 09:18)
an,an,tsy mitovy fijery isika amin'io.ny ahy dia izay eo ihany aloha,tsy mahalala izay tsy hitako any aho.aleoko mandiso fanatenana toa izay diso fanantenana.
10. xxx ( 21/11/2003 10:31)
Mba manana finoana ry fijo, matoa enao tsy manantena d efa enao mitsy no tsy tia azy intsony ary efa namitaka azy voalohany!
11. rpisokely ( 05/12/2003 09:31)
manaôna nareo!
zao ry zareo tena ao @ io cas io @ zao fotona zao a, ary zay ary tena ranomasimbe ny elanelanay, fa ny ahy de zao fotsiny, na dia ny ony maro aza tsy ahavono ny afon'ny fitiavanay, tsy nisy nisafidy ny isara toerana zay fa zay no tendrin'andriamanitra, de mametraka ny fifakatiavanay aminy tateraka zay, ary refa miôna sômatsara de misoro ny dingana lebe, fa mnaja azy za aty lavitra aty ary izy kou, de zay mande io, ny fitiavnaa tsy vôtery oue vatana fotsiny, fa ny firaisan'ny fonao sy ny azy, de ny fanajanao azy sy izy kou, de tsy misy olana mitsy, marina fa misy ny ady ndraindray fa ra tsy miady ony tsy mifakatia, de ekena ny fiainana sy izay fitondrany, fa ra kolokoloinao tsara io fitiavana io tsy alazo mitsy, ôtrany vonikazo iany, mila tondrahana isan'andro ra tsy zany tsy mamou voa tsara ary miafara @ fahafatesany ny fakany,
12. eli ( 07/12/2003 10:06)
tena impératif aho miteny hoe tsy possible mihintsy ny amour à distance! ninona na inona ataonao dia misy foana maatonga azy tsy possible refa ela lotra nisarahana! betsaka nyolona akakiky ilay olon-tinao ary mety lasa manana affinités approfondies aminy izay tsy mba nafahanareo natao! izany manko amiko tsy possible ra tsy mifanakaiky! betsaka ny zavatra mampiorina nyfitiavana hiarahana atao nefa ra mifanalavitra ahona moa no afahana hanaovana izany? indray² tsy vitany ny fifankatiavana be fotsiny ny relation fa mila ihany koa fahaizana mifanampy sy mifanohana ary mifampizara!!
ka ataovy aingana izay hafahanareo tsy mifanalavitra intsony fa manimba ny fiarahana sy ny fifankatiavana ny distance!!
13. xxx ( 08/12/2003 20:24)
fa ny ol samy ao @toerana iray aza anie na tena mifankatia na mifampilavinina fotsiny!!
sady ny fitiavana anie tahaka lazain'i rpisokely dia tahaka ny vonikkazo!na eo antoerana enao na tsy eo akaikiny tsy ampiova mitsy!ra hainao mikolokolo azy tsara!!
Maninn aza ny olona mpifankatia sasany zay mifanakaiky maka distance aza ra mitombona io lazainao io?
14. riana ( 09/12/2003 09:40)
Io xxxxxx dia miankina aminareo roa a. Fa izao fotsiny no teneniko anao, rehefa mbola misy espoir ao anatinao, sy raha sur ianao (izay zavatra hitako @ soratanao) dia avelao hizotra amizay. Fa ho avantage hoanao amin'ny farany, sady tsy dia harary fo ianao miandry, moa raha sanatria sanatria zavatra hafa no mitranga, dia afaka mionona ianao satria nanao ny mety.

Fa raha efa tsy sur intsony ianao, na ny aminy any alavitra any, na ny aminao. Dia miresaka tsotra fa tsy misy ohatran'ny carte sur table, sy ny arrangements ihany.

Ny hitako fa mety dia ny manao projets fa tsy miandry fotsiny amizao hoe mifankatia dia eo. Satria ianareo samy lavitra, asa ohatra manaova trano (na kely aza, na omany ny fanambadianareo, zavatra iraisanareo sy ifotoranareo miaraka dia ho vonona eo rehefa mifankahita ianareo. Miara-miasa na tsy mifankahita aza.
15. linlin ( 11/12/2003 20:08)
marina zany riana, rpisokely iany za fa ndraindray linlin, de zay mitsy satry mbola samy miantra zay, ary manomna projet mitsy mba apitombona ny fifakatiavana, marina fa mafy, fa ra ananana fanatenana de ekenay le izy, ny projetnay bdbdb efa en cours, etina amafisana le fifakatiavana, fa io refa ekena de vita fôna, ny fiainanan tsy hary oue zay tinao fôna no miseho, de zay ry eli a, possible izy @ nay, satry naôna vitanay le izy? efa ho 2 ans zao zay no nisaraka, zany oue nisy teo @ 3 mois teo zay niôna, ary nefa zay efa vita fisehona, de mande tsra ny fiainanay, na samy lavitra ary, fa za nge tsy oue ijanona ela be aty fa refa vita ny fenarana de mody, de manao ny projet efa nomaninay, de zay, tsy aiko fa de vitanay izy zao, ny fiainana kou nge experience a, ary refa samy mazaka anizay zay rou, de mino zay fa na mbola mafy tahaka izany aza no asetriny fiainanay ,de zakanay fôna, fa ny anay tsy oue vatana fotsiny no atao oue fifakativana fa ny fikolokoloinao azy, na lavitra aza, lavitra izahay, fa akaiky kosa @ resaka internet sy telefone, de efa aitany fifalina, de manantena fôna ny but objectf zay, bye ô
16. xxx ( 11/12/2003 11:42)
L'amour est comme une fleur! même si t loin et l'autre ailleurs! ny important fotsiny d ce que tu éprouve pour lui ou elle!
Tant que l'amour innondera re vos coeurs! zay no milay indrindra!!
17. fijo ( 12/12/2003 20:26)
tsy lasa izany,fa tsy maintsy misy ihany ny ambadika.izy kosa ve dia hiandry anao fotsiny eo.
18. mamps ( 17/12/2003 11:28)
raha ny marina ny marina de tena impossible le izy nefa iza moa no malala anzany. sady zao koa le kozy e : ny fitiavana zany sarotra be ny mamaritra azy sy ny limiteny ,..... sady lany ny voambolana malagasy ra izy io no ezahina faritana. fa ra ampiditra ny resaka distance zany de manahirana be ihany ny hilaza hoe possible le izy afatsy hoe .............
19. nata ( 17/12/2003 13:24)
hafa tsy hoe inn kou!! fanga moa ny fitiavana d zay eo akaiky ihany!! ra atao hoe injay andro any!tsy maintsy misar-toerana azaianareo! d anao inn!tsy andé v!sa hijanona!sa hoe aleo andé fa ny fitiavana misy limite!fa ny tena fitiavana marina v misy fetrany e??ary inn marina tena atao hoe fitiavana ra zany?! fanga ny tena fitiavana moa ry fijo!d miandry!ilaina ny confiance! anao ahonn re ny ol retra tafasaraka nohony @ toerana ra limité ny fitiavana ary ra tsy mahatoky ny ilany! inn tena fitiavana??
20. mamps ( 17/12/2003 13:46)
possible tsara ka. tiko izy de izy koa ti ahy de mifankatia zay. no comment hatreo iany nenareo fa ny tohiny anay. zany ry nata ny valinio anao farany io. iza moa enao e azo akana sary?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1208