Projet Namana 2004

21. fijo ( 04/12/2003 09:54)
aoka mba tsy hisy hiditra ao ,na ny politika na ny fivavahana,fa raha vao misy ireo roa ireo dia mampisy fisamatsamahana.
22. hery ( 05/12/2003 19:57)
Manahoana daholo,

Efa mijoro izao ny fikambanana Namana izay tohanan'ny site namana.Serasera.org tanteraka.

Tsindrio fotsiny ny rohy eto ambany

http://forum.serasera.org/index.php?rub=viewthread&msgid=m3fcef68107544

Irariana fa io Fivondronan'ny namana io no handray an-tanana ny Projet Namana 2004 izay atao any Toliara.
23. oupsyyy ( 08/12/2003 10:37)
Miarahaba antsika rehetra!!!!
Tsara de tsara toko lay hevitra ary tsara raha manana initiative an zany isika eto fa tsy de resaka virtuel sy hifanala azy foana no atao. Fa tsara raha masahana mialoha lay izy mba ho tena matotra tokoa, entanina zany isika rehetra zany. Fa ao aorian ilay fihaonana manaraka angamba vao tsara asian teny ity projet ty fa tsy de tsara manko ny manenjika bitro roa miaraka. Aleo alou vita ny projet iray vao miompanana any amin ny hafa indray isika.
Mirary soa ho antsika rehetra!!!
24. rasese ( 13/12/2003 19:45)
manohana ilay projet fa dia miandry antsika rehetra hanatanteraka an'izany ary raha azo atao dia mba ho fantatra mialoha ilay daty @ izahay mba afaka maka conge sady fialamboly no asa.
Mirary soa e!
25. jimta ( 02/01/2004 09:42)
Salama daholo e!
tena milay aloha ilay projet ,fa izao mianga avy aty amintsika tsirairay no mahamatotra an'io sady izao koa aza hadino fa ny Namana dia manerana an'i M/car fa tsy @ toerana iray akory ka kivikivy raha vao lavi-davitra kely , mankalaza zany e!
26. mumu ( 13/05/2004 12:09)
toa tsy nisy suite tsony ilay projet, efa akaiky ane ny mois d'aôut e
27. mumu ( 14/05/2004 08:10)
indrisy kousa snif, snif ....
28. yonikafopl ( 16/05/2004 17:09)
mba lazalazao ihanny re ny momba ilay projet sao dia mba ahazahoanay manao programa @ fandehanana any Dago e!, sady tena mba te hahita izany Tulear izany ny tenanay kou., eo moa Hery a! ahoana ihany ilay izy e!, sa dia lasa resa-be fotsiny?
29. hery ( 17/05/2004 00:37)
Projet actif tsara io... fa aza matahotra.
Miandry ny confirmation farany aho na any Ejeda no anaovana azy na any Anakao.
Samy misy zavatra atao io. Ao Ejeda dia misy sekoly, saingy maina be ny tany... ka izany no nahatonga ny hevitra hoe any Anakao.

Miandry kely fa ato ho ato ny valiny.

Hery
30. fijo ( 06/07/2004 23:59)
rahoviana marina ilay izy ry hery?fa za mandeha amin'ny alatsinainy izao dia miverina 12 aout,sao mba tratrako
31. kitjo ( 22/07/2004 23:20)
Aiza ho aiza ny faran'o resaka io izao ry Hery?
sa misy hafa vaovao?
32. ikaretsaka ( 31/10/2004 22:24)
aiza tokotrany ny niafarany e?
33. hery ( 01/11/2004 07:52)
Fa sao dia heverinareo fa izay manolotra projet ary no tompon\'ny projet :-) efa natao daholo ny contacts rehetra ka ny assomptionnistes no nanankinana an\'io ka tsy fantatra izay niafarany ao fa misy frera assomptionnistes maromaro ato azo anontaniana.
Izaho mamporisika sy manome hoe izao tokony ho possibles dia anjaran\'ny olona tena concernés no mandray andraikitra. Izany no nanaovana ireny fihaonan\'ny namana maro tany Dago ireny. Misy miteny hoe ahoana raha mihaona dia hozy zah hoe ataovy sns fa izaho ve moa ho afaka ho any?
Mahafinaritra daholo fa misy ny tanteraka ary misy ny tsy tanteraka e. Fa mbola ho tonga any Tulear na Majunga ihany ny olona kah.
Hery
34. hery ( 01/11/2004 17:31)
Euh... nosoratako tsara ao kah
>
- Tanora roa eto amin\'ny namana no hitarika amin\'izany sy hifandray amin\'ireo tompon\'andraikitra.

Ireo tanora roa ireo (frera roalahy ato amin\'ny namana samy mipetraka any Dago) no nampitana ny dossier rehetra. Aleo hanontaniako ry zalahy fa toa nisy ihany ny hetsika natao tamin\'ny Aogositra 2004 tany Ejeda.
35. hery ( 01/11/2004 17:34)
Sady zah anie initiateur fotsiny e... no-lancer-ko ny fihaonan\'ny namana dia any sy any tsy fantatro izay niafarany. Manana droit ry zareo hanao na tsy hanao compte-rendu. Ohatran\'ny hoe raha misy mahazo vady eto dia tsy voatery hiteny aty amiko hoe \"Nahazo izahay\" sns... Avy eto no mivoaka ny hevitra dia izay mazoto dia manohy amin\'ny dinidinika any ambadika any rehefa mihaona.
Sarotra amiko kosa alou :-) ny hiverifier an\'izao projet rehetra mivoaka eto izao e... zah zao tsy mahalala hoe iza avy no ho any Bira... dia iza avy no hotafaverina avy any. Sa tokony ho izaho?
Zay angè le hoe tsy zah tsy zah e :-)
36. iriniaina ( 25/11/2004 11:55)
:-D :-D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3425