Projet Namana 2004

1. hery ( 03/09/2003 10:14)
Manana Projet (Projet Namana 2004) izahay amin'ny volana Aogositra 2004. Mbola vao vinavina ilay izy fa izay manana hevitra dia afaka mamosaka izany eto amin'ity forum ity. Ka toa izao ary no eritreretina hatao.
- Toerana: Ejeda - Toliara (Fivondronana Ampanihy Ouest)
- Fotoana: amin'ny volana Aogositra 2004. Arakaraka ny habetsaky ny olona. Raha toa ka maromaro ny olona dia atao 2 herinandro ka mizara groupes roa.
- Zavatra atao: Miasa manampy amin'ny fanamboarana Sekoly, na izay asa mety hisy amin'izay fotoana izay.
- Tanora roa eto amin'ny namana no hitarika amin'izany sy hifandray amin'ireo tompon'andraikitra.
- Iaraha miasa amina fikambanana iray any Toliara.
Miankina amin'izay dinika hivoaka eto no ahafahana mandamina ny resaka fifandaminana sy ny ara-bola ary ny zavatra hafa mety ilaina.
Rehefa tena raikitra ny dinika dia aroso amin'ireo tompon'andraikitra isan-tokony izay efa zatra mikarakara tetikasan'ny tanora toa izao. Efa nisy ireo tanora nanao toa izao taloha.
Lazao eto ary ny sosokevitra sy ny olana sns.

Misaotra betsaka.
Heriniaina
novalian'i iriniaina ny 25/11/2004 11:55
2. ombalahy ( 03/09/2003 11:06)
Tena tsara mihitsy io vinavinan-kevitr'ise io ry Hery fa dia tanteraho ho fampandrosoana an'i Madagasikara.
3. mampikanto ( 03/09/2003 12:02)
Hery a! tena mankasitraka tokoa an'o hevitra io raha izaho manokana fa ny tiako ho fantarina fostiny hoe efa matotra tsara ve aloha ny zavatra ho atao ary misy antony manokana ve nisafidianana ny faritra atsimo sa ahoana?Hery a! mba ahafahanay mpiasa mandeha koa aloha dia tsara raha dia efa fantarintsika mialoha tsara ny fotoana handehanana @zay dia mahafinaritra b e! afaka maka congé aty am-piasana .
Izay fa dia miandry vao2 hatrany r'ise a!
Dia efa mankasitraka sy mankahery hatrany a!

Kanto
4. hery ( 03/09/2003 12:20)
Misaotra an'izay efa namaly.

Marihako kely fotsiny fa sady fialamboly le izy (izay no antony hanaovana azy amin'ny fotoan'ny vacances)... ka tsy asa fotsiny akory no atao fa izany hoe tokony hisy asa vita rehefa vita ny séjour.

Nofidina i Toliara satria any no misy an'ilay fikambanana manana an'ilay asa hatao. Araka ny nolazaiko dia efa misy tanora isantaona manao projet toa izany niaraka taminay... ka amin'ity taona ity dia azontsika atao ilay izy.
5. nielle ( 04/09/2003 18:19)
Slut daholo,
Tena tsara de tsara ny hevitra,mila atao matotra tsara fotsiny ny organisation sy ny fandaminana rehetra.Raha misy ny ilana conseiller de afaka miditra ao anatin'izany ny tenako,tsy hoe efa pro akory fa mba maro ny fikambanana ara-pianakaviana misy ny tena dia mba misy traikefa kely azo ampitaina!!
Sady occasion iray hihaonan'ny mpinamana miserasera io e!!
6. perla ( 04/09/2003 18:56)
Izaho koa partante r'ise a! fa ny mba tiako hozaraina amintsika rehetra dia ny hoe : manana une année hanomanana azy, noho izany ataovy ny ébauche ny projet ho anao promoteur, azo trandrahina tsara izany sahan'asa izany hifampizarana traikefa sy fahaiza-manao.
Hetsika iray hanehoana fa manana anjara amin'ny fampandrosoana an'i M/car isika. Bon courage daholo
7. rfanjav ( 10/10/2003 17:14)
Désolée fa lavitra loatra izany Toliara izany, tsy misy toerana akaikikaiky ve, sady @ izay maharitraritra !
Maninona aloha mialoha an'izany raha mba manao fihaonana tsotsotra eto Tanà isika e, fiaraha-mitsangantsangana fotsiny ohatra aloha @ ity 2003 ity?
8. eritreritra ( 20/10/2003 19:03)
Tsra d tsara tokoa l sosokevitra e!
Sady matetika raha manara-baovao d ny any atsimo no tena mila fanampiana, marina fa lavitra ny any saingy hafa ihany ny sady miala voly, mahita toerana no mahavita asa soa ihany ko!
Mila omanina dieny zao ny daty raikitra sy ny fotoana satria ho an'izay miasa d mila manomana ny taratasy hakana fialana sasatra.
Raha hoe fiahaonana eto Antananarivo, efa misy tetikasa @ 25 sy ny daty manaraka raha tsy diso aho.
Misaotra mialoha!
9. lucienr ( 20/10/2003 16:23)
Misaotra ny tompon-kevitra ifanakalozana eto @ ity sehatra ity.
Tsara d tsara le izy ka ilaina ny hahafantarana ny mety ho isan'ny mpikambana interessé ahafahana manao ny ébauche de projet hodinihina maharitra. Satria mantsy an, mety ho sarotra be ny hanao vinavina ny rehetra. Ilaina ny mety hisian'ny isa mazava ohatra. De eo no ahitana hoe in ny zvtr azo atao miaraka à isa izany. Ilaina koa ohatra le hoe oviana no mety hahafahan'ny ankabeazan'ny namana mavitrika ahafahana mandrindra izay mety sy tokony harindra. manantena ny fandraisan'ny namana anjara mavitrika be.....enga koa anie ny namana ho sahala @ tononkira e, mba hahazo trophée....sur e
10. rsamfm ( 23/10/2003 16:01)
Tsara, mampientam-po ary mendri-piderana. Asa raha fantatry ny maro ny fisian'ilay fikambanana Habitat pour l'humanité? Resaka valin-tànana izy io. Vahiny no nitondra azy teto amin'ysika, nefa koa isika Malagasy efa nanana ny antsika taloha be tany. Rehefa misy fikambanana NAMANA mitsangana sy matotra ao aoriana kely ao, dia izao no mba faniriako, manaraka izay efa hatao, manomana calendrier ny fikambanana NAMAMA mba hampianatra mamaky teny maimaim-poana (na ho an'ny kely na ho an'ny lehibe, tsy asiana fanavahana) . Fa sady asa fanasoavana ny NAMANA hafa ivelan-tsika ato anatin'ny serasera izany no FAMPANDROSOANA ny Firenena koa. Tarigetrako foana mantsy ny mizara izay kely mba haiko, raha mbola tratry ny hery.

RADIFERA RANAIVOSON Maminirina
11. rfanjav ( 24/10/2003 16:21)
Izany marina ve moa tsy mba azo tanterahina?
Intéressant be ilay projet!
12. fijo ( 29/10/2003 10:20)
manohana hatrany,ary mahavita be e!
13. mcz ( 31/10/2003 09:08)
Sali rahery an!
milay less ny vinavinan- kevitra nareo fa mila horesahana @ namana rehetra de hita eo izay hevitra havoka eo , fa raha @ko manokana alo de tena tsara ilay
hevitra ao anatiny fampandrosoana
haingana io hevitra io, dia manatena fa ho masaka tsara io projet io... ok
14. rfanjav ( 31/10/2003 11:46)
Fa iza moa no tokony hanamasaka an'io fa tsy isika namana tsirairay ihany!
aza mba mifampiandry izany ho'aho fa tsy ahavitan-javatra izany!

MIARA-MIASA NO FAHOMBIAZANA!
15. rjmahel ( 01/11/2003 20:26)
Marina mihitsy io voalazan-dRa rfanjav io. Hatramin'izaho dia mbola eo am-pikarohana an'io " zalahy " io ny fanjakana. Antsika rehetra ny fiatrehana azy na ara-kevitra na arak'asa. Ho anakà alongany dia sady mahasoa no mahafinaritra io vinavina ho any antsimo io. Sady zà koa mbola tsy tany. 99% ny fanantenako hanantotosa azy io.Amin'izay koa afaka mihaona voalohany amin'ny namana rehetra.
16. taratra ( 08/11/2003 20:04)
aza misaraké,de mavita be fa gasy ray fona,sady miara monina aminy tsara.
ny evitro aloa aminy io zavatra io de ny hoe maro maro ny toizao.
17. taratra ( 08/11/2003 20:12)
aza misaraké,de mavita be fa gasy ray fona,sady miara monina aminy tsara.
ny evitro aloa aminy io zavatra io de ny hoe maro maro ny toizao.
18. rosin ( 17/11/2003 13:08)
Izaho manoka koa dia manohana an'io Tetik'asa io.
19. fijo ( 19/11/2003 09:43)
entanina isika aty an-dafy mba hanome ny anjaran-tsika.misotra.
20. hiaro ( 03/12/2003 09:42)
merci @ ilay soso-kevitra e, aleo @ izay ny tanora no hitondra ny fampandrosoana ny tanana e, nefa aoka isika mba ho matotra @ fanaovana izany e, fa be mantsy reo mody namana ...................
raha ny hevitro aloha de aleo mihaona mivantana fa raha resaka @ ty chat ty dia lasa misavoana e
tohizo fa Atra anie tsy afaka hanampy ny tenanao raha enao aloha no manampy ny tenanao e
aza ampidirina politika mihitsy io resaka io
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3372